×
Ny Iraka ho an'ny finoana Isilamo dia i mpaminany Mohammad (saw)

Amin'ny anaran'i Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fihantra

Ny Iraka ho an'ny finoana Isilamo dia i mpaminany Mohammad (saw)

Topi-maso amin'ny endrika fohifohy ihany mahakasika an'ireo tantaran'ilay Iraka nitondra ny finoana Islamo, i mpaminany Mohammad(saw) ka dia hita fa ho hazavaina sy velabelarina etoana avokoa ny momba Azy, ny anarany, sy ny firazanany, ary ny tanana izay nipoirany sy nihaviany, ary ireo mahakasika ny fanambadiany, sy ny hafatra rehetra izay noetiny sy napetrany, ary nanantsoany ny olona sy ny vahoaka, misy ihany koa ny tantara mahakasika an'ireo famantarana rehetra manoloana ny faminaniany, sy ireo lalànany, ary ny fomba rehetra niatrehany ny fanasoketana azy.

1- Anarany sy ny firazanany ary ireo tanàna izay nahaterahany sy nitombohany ary nahalebiazany.

Ny iraka tonga ho an'ny finoana Islamo dia i mpaminany Mohammad (s.w.a) zanak'i Abdoullah zanak'i Abdoul-Moutttwalib zanak'i Hachim izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Ismael zanak'i Ibrahim (A.s) (Abrahama), fiarahabana ombam-pirarian-tsoa anie ho amin'izy ireo rehetra. .Ary izany dia satria i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka fiarahabana ombam-pirarian-tsoa anie ho ao Aminy, nandia nitodi-doha avy tany amin'ny tanana ny Cham (Siria) Izy, ka nankany amin'ny tanana izay atao hoe: Makka,ka anisany niara-dia niaraka taminy dia ny vadiny atao hoe: Agara sy ny zanany lahy izay hatao hoe: Ismael,izay zaza mbola zaza menavava tamin'izany fotoana izany, ka dia nampetrany Mpaminany Ibrahim (A.s) tao Makka izy roa mianaka noho ny didy amambaiko izay avy tamin'ny Tompo Allah ilay Tompo Henin-kaja sy Be voninahitra koa rehefa tonga teo amin'ny taonan'ny fahatanorany ilay zaza dia tonga tany amin'ny tanana ny Makka indray i Mpaminany Ibrahim (A.s) ka lasa naoriny, Izy sy ny zanany Ismael,(A.s) tamin'izany ny trano izay atao hoe : Kaaba, ilay trano masina izay manana ny hasinany manokana, koa dia ankehitriny nihamaro sy nihabetsaka tokoa ny zanakolombelona sy ny vahoaka nanodidina ny trano masinan'ny Tompo Allah, koa lasa ny tanana ny Makka no renivohitran'ny tanana, izay nametrahana ny tanjona mba hitodian'ireo andevo mpanompo, rehetra izay nanokana ny fanompoana hoan'i Tompo Allah irery ihany, Tompon'izao tontolo izao, ireo izay votom-paniriana amin'ny fanatanterahana ny fivahinianana masina Hadj any amin'ny tanana ny Makka, ka dia niroso nitohy hatrany ny fanompoana izay nataon'ireo zanakolombelona an'ny Tompo Allah sy ny fametrahana Azy ho tokana manoloana ny fahatokanany, araky ny fomba amam-panaon'i Mpaminany Ibrahim (A.s) hatramin'ireo taonjato maro samy hafa izay nifandimbyAvy teo dia nigadona indray taorian'izany rehetra izany ny fahaverezana amin'ny fomba fialana sy fitsimpahana ny lalana mahitsy, làlan'ny fahitsiana, ka lasa nanjary niseho amin'ny endrika hafa hafa mihitsy ny zava niseho sy nandalo tany amin'ireo faritra sy tanana misy amin'ny vondron-tany Arabo, mitovy tantana tahaky ny toe-javatra hita sy mandalo amin'ireo vazan-tany amin'ireny firenena maro manodidina azy ihany koa ny firafitran'ny toe-javatra misy, ka anisany tena niompampana tamin'izany amin'ny endrika sy fomba mibaribary dia ny fanompoan-tsampy : toy ny fanompoana ireo sary vongana sy sary sikotra, ny fandevenam-belona ireo zanaka vavy teraka tsy manantsiny, ny fanaovan-tsindrihazolena amin'ny tsirariny ireo vatam-behivavy, ny fanamparitahana ny tenin'ny fandaingana, ny fisotroan-toaka sy ny zava mahadomelina hafa ihany koa, ny fivarinan-davo amin'ny asa ratsy sy fomba fahavetavetana, ny fihinanana ireo harena sy fananan'ny kamboty tsy amin'ny rariny, ary koa ny fanaovana ny fampanjanaham-bola eo amin'ny fiainana.Ka tany amin'izany toerana izany sy tao anatin'izany tontolo rehetra voalaza izany no teraka ilay Irakaa mahafatoky nitondra ny finoana Islamo, i Mohammad (saw) zanak'i Abdoullah avy tamin'ny taranaka ny Mpaminany Ismael (A.s) zanak'i Ibrahim (A.s) tamin'ny taona 571 Miladia, amin'ny fanisana andro nanomboka tamin'ny fahaterahan'ny mpaminany Issa (A.s) i Kristy, naty nandao an'ity tany ity tamin'ny alalan'ny fahafatesana ny Rainy niteraka Azy talohan'ny nahaterahany, ary nodimandry tamin'ny alalan'ny fahafatesana ihany koa ny Reniny izay niteraka Azy raha teo amin'ny faha-enina taonan'ny Izy, ary lasa nitsangana nitaiza sy nitarimy Azy nohon'izany rehetra izany ilay Rangahy Rahalahin-dRainy atao hoe : Abou Twalib, koa dia niaina tao anaty ireo zaza kamboty i Mohammad (s.w.a) tao anatiny fahakambotiana,fahantrana, ary Izy dia nihinana sy nivelona tamin'ny asan'ny tànany sy hatsemboany tavany.

2- Ny fanambadiana misy sy mirakitra hatsarana sy heni-pahasoavana dia fanambadiana natao tamin'ny vehivavy iray feno fahasoavana.

Ka rehefa feno dimy amby roapolo taona ny fe-mpotoana izay niainany mpaminany Mohammad (s.w.a) dia lasa Izy niroso nanambady vehivavy iray henin-kaja sy vonahitra izay nisy tamin'ireo vehivavy niaina tao Makka,ka dia tsy iza akory izany fa i katidja (R.d) zanak'i Khouailidy ka enga anie mba hirotsaka amin'izy roa mianaka ny tso-dranon'ny Tompo Allah ary avy tamin'ity andriambavilanitra ity no nanomezan'ny Tompo Allah Azy zanaka efatra mirahavavy sy roa mirahalahy ary naty nodimandry avokoa teo amin'ny fahazazany ireo zanany roa mirahalahy ireo ary ny tena fototra sy tarigetra nametrahany Mpaminany (s.w.a) ny fomba fizotrany fiainan'izy roa mivady dia fiainana nifikitra tao anatiny hinakinaka sy fandeferana ary fahamoram-po feno fitiavana no niarahany izy roa mpivady niaina tamin'ny andefimandriny sy ireo ankohonany koa dia tena nitia azy tam-pitiavana goavana dia goavana mihoatra noho izany rehetra izany i andefimandriny Katidja (R.d) ary Izy ihany koa dia namaly sy nanome fitia torak'izany koa ny andriambavilanitra izay nivadiny, ary dia mbola tsary nanadino ny vadiny mihintsy i Mpaminany Mohammad (s.w.a) taoriany nahafatesany nandritran'ny taona maro nifandimby lasa izay, ka anisany porofo nanamarika an'izany dia ny fanampahany ireo Biby fiompy sy fihinana salan'ny Osy ka nataony ho fanatitra sy fanomezana izay nozarazarainy tamin'ireo namana amantsakaiza izay tena teo akaikin'ny Khadidja (R.d) mba ho fanomezam-boninahitra azy ireny no sady mba ho fanaovan-tsoa Aminy ary koa mba ho fiarovana sy fikajiana ny fitiavany

3- Fiatombohan'ny fanambarana sy ny faminaniana.

Tany aloha tany ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia anisany ireo Iraka voalaza fa tena nanana an'ireo karazan-toetra tsara, toetra avo sy lehibe indrindra, toetra mafinaritra maha-teo tia, ka izany hatsaran-toetra izany dia efa nisy teo amin'ilay Irakan'ny Tompo Allah hatramin'ny andro sy fotoana nanamboaran'ny Tompo Allah Azy, ka izany indrindra no anisany antony iray nahatonga ireo vahoakany niantso Azy hoe : " As-Swadikoul-Amin "; izay midika hoe : " ilay marina mahafatoky ", ary Izy (s.w.a) ihany koa dia nandray anjara niaraka nirodona tamin'ireo vahoakany nanao sy nanatanteraka ireo asa goavana sy manan-danja,maro samy hafa, ary Izy ihany koa dia naneho ny hatezerany sy ny fankahalany ary hasosorany fatratra manoloana an'ireo fomba amampanaon'izy ireo mahakasika ny fanoampoa-tsampy, ka tena nitsipaka ankitsirano Izy no sady tsy nandray anjara velively mihitsy, niaraka tamin'izy ireo manoloana ny resaka mahakasika an'izany fanompoan-tsampy izany.

Ary rehefa feno efa-polo taona i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka Izy mbola nijanona nipetraka tao amin'ny tanana ny Makka tamin'izany fotoana izany, dia tonga ny safidiny Tompo Allah, izay nisafidy Azy ka mba nataony ho Iraka, koa dia nigadona tonga teo anatrehany ilay Anjely Djibrilo (A.s) i Gabriely, nitondra an'ilay Soraty izay voalaza fa Soraty nidina voalohany tao amin'ilay Boky masina Koroany, ka izany ary dia tenin'ilay Avo tsitoa indrindra manao hoe :(اقْرَأْ بِاسْمِ رَبِّكَ الَّذِي خَلَقَ (1) 1- Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay Nahary,خَلَقَ الْإِنسَانَ مِنْ عَلَقٍ (2) 2- Izy no ilay nahary ny olombelona avy tamin'ny vaingan-drà,اقْرَأْ وَرَبُّكَ الْأَكْرَمُ (3) 3- Vakio, fa tena marina, fa i Tomponao no fatra-pitsimbina indrindra,الَّذِي عَلَّمَ بِالْقَلَمِ (4) 4- Izy tokoa no nampianatra tamin'ny alàlan'ny penina.عَلَّمَ الْإِنسَانَ مَا لَمْ يَعْلَمْ (5)) 5- Izy tokoa no nampianatra ny olombelona izay rehetra tsy fantany teo aloha.[Soraty Vaingan-dra :1-5]Fa nony tonga tany amin'ny andefimandriny Khatidja (R.d) i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia nangovotra no sady nivarahontsana ny fony no sady nangitakitaka, avy eo dia notantarainy tamin'ny vadiny, andefimandriny avokoa ny zava-drehetra izay nitranga sy nandalo taminy, ka dia lasa niezaka nampitony Azy mafy dia mafy ny vadiny manoloana ny fihovitrovitrin'ny fony noho ny zava-niseho, avy eo ary dia noentin'i Khadidja (R.d) haingana Izy nankany amin'ny zana-drahalahin-dRainy, izay antsoina hoe : Warakat Ben Naofaly, ka io Rangahy antitra io, dia Rangahy izay efa nanaraka ny finoana kristianina atrin'iela, no sady efa nahavaky Boky masina maro, Boky rehetra izay nidina avy tany an-danitra, toy ny Boky masina Taorah (Taoreta) sy ny Boky masina Indjil (Evanjily) ka dia tonga teo taminy i Khadidja (R.d) izay vadin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia niteny taminy nanao hoe : " Eh anao ry zana-drahalahin-dRaiko ! mba henoy ange ireo resaka rehetra izay lazain'ny zana- drahalainao,sy izay rehetra tantarainy, dia hoy ilay Rangahy antitra izay atao hoe : Warkat tamin'ny Mpaminany (s.w.a) nanao hoe :Ry zana-dRahalahiko ! inona marina no zavatra hitanao ? koa teo dia notantarain'ilay Irakin'ny Tompo Allah (s.w.a) avokoa ny zava-baovao rehetra izay nandalo sy niseho taminy, dia hoy ilay Rangahy antitra i Warakat namaly sy nilaza taminy nanao hoe :" Izany tokoa ilay Anjely, izay efa avy nampidinin'ny Tompo Allah,tamin'i Mpaminany Moussa i Mosesy (A.s), masikiny raha mba nisy foto-kazo iray tsy voaozongozona hita mitsatoka sy mitoetra ety an-tany, fa izaho dia maniry no sady manampaniriana fa raha mbola velona izaho ka mahazo fivelomana lava ka ahatratra ny amin'ny fotoana izay mety hamoahan'ireo vahoaka miaramonina aminao, anao ho sesitany miala amin'ny tanana misy anao, dia namaly Azy ilay Irakan'ny Tompo Allah i Mohammad (s.w.a) ka nanao hoe : " ka dia mbola ho sahin'izy ireo ve ny hamoaka ahy sy hanao ahy sesitany ? " dia namaly Azy indray ilay Rangahy antitra ka hoy izy taminy hoe : Eny, satria dia mbola tsary nisy tokoa ny olona nitondra izao zava-drehetra nentinao izao ka tsy noraisin'olona ho fahavalo avokoa, fa raha mbola izaho mantsy no mety ahatratra ny andro izay hamoahana anao ho Iraka hoamin'izao tontolo izao dia vonona hitsangana hanohana Anao amin'ny heriko rehetra mantolo aho)

Ary tao amin'ny tanana ny Makka no tena nitohivakana amin'ny endrika maro dia maro ny fidinan'ny soratra masina Koroany tamin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mohammad (s.w.a) ka izany fanambarana sy soratra masina rehetra izany dia fantatra fa ilay Anjely Djibril (A.s) Gabriel irery ihany no tomponandraikitra mampidina an'ireo fanambarana rehetra, avy tamin'ny Tompon'izao tontolo izao,ho any amin'ireo Iraka sy Mpaminany, tahaka ny fomba izay niavian'ireo hafatra sy fanambarana amin'ny endrika an-tsipiriany taminy.

Tsy nitsahatra nipetraka ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) niantso ary nanao ny fiantsoana maharitra an'ireo vahoakany mba hanaiky sy hankatoa ary hanaraka ny finoana Islamo, nefa dia notoherin'ireo vahoakany Izy no sady nitadiavan'izy ireo ady sy vanina ary sotasota, ary avy eo dia nasetrin'izy ireo taminy ny zavatra atao ho takalo ny mba hanatsaharany an'ilay fiantsoana sy fampielezana ary fanamparitahana an'ilay hafatran'ny finoana Islamo,izay efa nigadona eo amin'ny sorikany, ka hoy izy ireo taminy manao hoe : omenay Anao mba ho takalo amin'izany ny harena sy ny fahefana ary fanjakana, ka nefa dia nolaviny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah avokoa izany rehetra izany, ka lasa nahatonga azy ireo niteny sy nilaza taminy indray an'ilay resaka sy fitenenana tahakan'ny resaka sy fiteny izay efa nolazain'ireo olona manakaja, lohandohany mpisorona tamin'ireo iraka tany alohany tany tamin'ny fiampanga azy ireo fa hoe : mpomoasy, mpamosavy, mpandainga gaigilahy, mpanelitsaho,ka nogejain'izy ireo Izy, ary tena noraisin'izy ireo ho fahavalo mihitsy ny vatana manakaja manambonahitran'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah, ka lasa nampiharin'izy ireo taminy avokoa ny herisetra rehetra,ary dia nampitondrain'izy ireny faisana ihany koa ireo rehetra izay niara-dia sy mpiaramiombonantoka nanara-dia taminy.Nipetraka tamin'ny fomba maharitra sy elabe mihitsy tao amin'ny tanana ny Makka ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah nanohy ny antso sy ny asa fiantsoana ary fampielezana ny olona rehetra sy vahoaka mba ho any amin'ny lalan'ny Tompo Allah ka ny tena fotoana izay nokendreny nanaovany an'izany antso izany dia tamin'ny fotoan'ny Hadj izay fotoana fanaovana ny fivahinianana masina any Makka sy amin'ny fotoana misy ireo tsenam-barotra izay ataon'ireo foko sy firazanana amin'ny faritra Arabo koa eo indrindra no ahafahany mihaona sy miresaka ary milaza mamelambelatra amin'ireo vahoaka ny mahakasika ny fahamarinany finoana Islamo ka i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia tsy mba anisan'ireo olona nitsiriritra na nampiraiki-po tamin'ny fitiavana ny tombotsoa manokana teo amin'ny fiainana ety an-tany na koa hoe nila fahefana na ny izany fiitondrana izany ary Izy ihany koa dia tsy mba anisan'ireo olona mampihorohoro ny hafa tamin'ny alàlan'ny antsy na sabatra ary Izy ihany koa dia voalaza fa tsy olona nanam-pahefana no sady tsy mpanjaka ihany koa ary Izy no efa nanao antso avo niantso fifaninanana tamin'izay rehetra hafaka mba hitondra ny Boky masina Koroany Lehibe tahakan'izay nandesiny tany am-piandohana manoloana ny antso sy fampielezana izay nataony ary mbola tsy nitsahatra Izy nanao ny fiantsoana amin'izany fifaninanana izany tamin'ireo rehetra izay nitsipaka Azy koa dia niafara nanaiky Azy tamin'izany ireo izay rehetra nino Azy tamin'ireo Soahaba (R.d) ireny izay mpiaramiombonantoka taminy.Ary mbola tao amin'ny tanana ny Makka ihany koa no notafian'ny Tompo Allah Azy ny haja sy ny voninahitra izay sahaza Azy, tamin'ny alàlan'ny fahagagana lehibe dia ny fandihanany tamin'ilay zotra (Israh) nankany amin'ilay trano masina atao hoe : Aqsa (Jerosalema) avy teo indray no nampiakarana Azy nakany an-danitra, ary anisany zavatra fantatra ny momba an'izany dia ny hoe : fa i Tompo Allah no nandray fanampahan-kevitra nampiakatra ny mpaminany Iliyas (Ely) sy i Issa (Kristy) (A.s), ho any an-danitra, ka arakan'izay voalaza izay no filazana maripototra eo ampelatanan'ireo vahoaka Mpanaraka ny finoana Islamo rehetra sy ny vahoaka Kristianina ihany koa.Ary tany an-danitra no nandraisan'ny Mpaminany (s.w.a) sy nahazoany baiko sy didy mahakasika ny fanompom-pivavahana izay atao hoe : Soalat; ary izany rehetra izany dia ilay Soalat hita fa tanterahin'ny vahoka mpino mpanaraka ny finona Islamo ankehitriny, indimy isan'andro, ary anisan'ny tranga lehibe izay niseho tao amin'ny tanana ny Makka ihany koa dia ny fivakian'ny volana ka niara nahita an'izany fahagagana lehibe sy goavana izany ihany koa mandrampahatapitrany dia ireo vahoaka tsy mpino, tsy manampinoana no sady mpanompo-sampy.

Nampiasain'ireo vahoaka tsy mpino tsy manampinoana avy tamin'ireo foko sy firazanana " Kouraich " avokoa ireo rehefa mety hatao ho tetika entina hanakanana sy hisakatsakanana an'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) izy rehetra dia mifanampy amin'ny fanatanterahana ireo teti-dratsy izay efa nomanin'izy ireo hatao amin'ny Mohammad (s.w.a) mba ahafahan'ireo olona handositra Azy ka lasa izy ireo nametraka fangatahana maro taminy manoloana an'ireo karazany fahagagana maro samy hafa ary tsy nitsahatra ihany koa izy ireo nangataka fifanampiana fiaraha miasa tamin'ireo vahoaka ny Jiosy ny mba hanampian'ireo Jiosy azy ireo amin'ny fanoherana an'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) mba ho lasa sakana tsy havian'olona sy vahoaka hanatona na hihaino Azy na koa hanaraka Azy amin'ny antso sy fampielezana izay ataony.

Ka rehefa mbola nitohy hatrany ny fanenjehana sy fampijaliana ary fanaratsiana izay nataon'ireo vahoaka tsy mpino tsy manampinoana avy amin'ireo foko sy firazanana Kouraich an'ireo vahoaka mpanaraka ny finoana Islamo tao Makkah dia voatery tsy maintsy nandidy sy nanome alàlana azy ireo mba hifindra monina hiala ny tanana ny Makkah ka hakany amin'ny tanana ny Habacha (Etyopia) i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka niteny tamin'izy ireo ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ka nanao hoe : " Marina tokoa fa any amin'ny tanana ny Habacha dia misy mpanjaka,mpitondra iray marina no sady tia fahamarinana tsy mba mikatramo ary tsy mba manaiky ihany koa ny fisian'ny tsindrihazolena mihatra amin'ireo vahoaka ao aminy " ary izany mpanjaka izany dia mpanjaka kristianina, koa dia nitodi-doha lasa nifindramonina tany amin'ny tanana ny Habacha (Etyopia) ny sasany tamin'ireo vahoaka mpanaraka ny finoana Islamo, izay mpiaramiombonantoka tamin'ny Mpaminany (s.w.a), ka lasa nizara ho vondrona roa izy ireo nony rehefa tonga tany tamin'ilay tanana ny Habacha (Etyopia), ka ny sasany tamin'izy ireo rehefa tonga teo anatrehan'ilay mpanjaka atao hoe : Nadjashi, dia mba niezaka nampahafantatra azy ny mahakasika an'ny finoana Islamo, finoana izay noentin'ny Mpaminany Mouhammad (s.w.a), ka rehefa nazava ny fanazavana rehetra dia nanampankevitra fa nanolo-tena hanaraka ny finoana Islamo ilay mpanjaka atao hoe : Nadjachi, ary niloambava niteny izy nanao hoe : Mifanta aho no sady manao ny fianianana amin'ny anaran'ny Tompo Allah fa ny finoana izay noentin'ny mpaminany Mouhammad (s.w.a) ity sy izay noentin'ny mpaminany Moussa (A.s) (Mosesy) dia samy finoana nipoitra avy tamin'ny loharano iray ihany izy rehetra ireo, koa nihamafy noho izany ny fampijaliana nataon'ireo vahoakany taminy sy ny fampijaliana izay niajady tamin'ireo vahoaka nanaradia ny finoana izay noentiny sy tamin'ireo mpiaramiombonantoka taminy

Ary anisan'ireo olona izay nino an'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) tamin'izany fotoana izany dia ireo andian'olona izay nialoha làlana avy tany amin'ny tanana ny Madina izy ireo no nanao voady sy teny fanekena ary fifamatorana tamin'ny fanarahana ny finoana Islamo sy ny fanohanana fatratra Azy raha toa ka sendra mifindra monina any amin'ny tanànan'izy ireo Izy, ka ny tanana ny Madina tamin'izany fotoana izany dia tanana mbola nantsoina amin'ny anarana hoe :" Yathrib " ary nomeny Mpaminany (s.w.a) alàlana hifindra monina avokoa any Madinatoun-Nabawiyyah, tanana izay voalaza fa tanànan'ny Mpaminany, ireo rehetra izay mbola tavela tao amin'ny tanana ny Makka, koa dia lasa nifindra monina tany tokoa izy ireo rehetra,aey teo ihany dia lasa nieli-patrana aok'izany tao Madina ny finoana Islamo, ka dia tsy nisy tokatrano na dia iray aza afa tsy hoe : tokatrano nidiran'ny finoana Islamo tamin'izany fotoana izany.

Ary rehefa taorian'ny fotoana nandalovan'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) ny telo- amby folo taona nipetrahany tao Makkah nanao ny fiantsoana niantso ny rehetra ho any amin'ny lalan'ny Tompo Allah, dia nomen'ny Tompo Allah alàlana Izy mba hifindra monina any amin'ny tanana atao hoe : Madina, koa dia nifindra monina arak'izany koa ny rehetra, ary mbola nitohy tsy nisy fahataperany ny fiantsoana ho amin'ny lalan'ny Tompo Allah, ary nifanesinesy tsy akijanona toiny tohivakana nandritra izany ny fihidinan'ireo didy aman-dalàna ara-pinoana Islamo tamin'ny fomba tsy kelikely sy mitsitapitapy, ary dia efa nanomboka nandefa avy hatrany ireo iraka nitondra ny hafatra mahakasika ny fiantsoana ireo olon-dehibe misy amin'ireo foko sy firazanana maro samy hafa ary koa miaraka amin'ireo mpanjaka sy ireo manakaja isantsokajiny mba hanaiky hanaraka sy hankatoa ny finoana Islamo, koa isan'ireo izay nandefasany Mpaminany (s.w.a) hafatra tamin'izany fotoana izany dia ireo mpanjakan'ny Romana, sy ireo mpanjakan'ny Persianina, ary mpanjakan'i Egipta.

Ary niseho sy nigadona tao amin'ny tampotanana ny Madina ny tranga sy zavatra nihatra izay atao hoe : takomasoandro, ka dia lasa taitra nohon'izany avokoa ny olona sy vahoaka rehetra, ka tena nifanena sy nifanojo mihitsy izany tranga izany tamin'ny andro izay nandaozany zanakalahin'ny Mpaminany (s.w.a) i Ibrahim tamin'ny alalan'ny fahafatesana, ka nilaza ny olona rehetra fa hoe : niseho sy nigadona ny takomasoandro noho ny fahafatesan'i Ibrahim, ka namaly Azy ireo i Mpaminany Mohammad (s.w.a) nanao hoe :" Tena marina fa ny masoandro sy ny volana dia tsy napetraka ho takona velively noho ny avy amin'ny fahafatesan'olona iray na koa noho ny fahavelomany olona iray, saingy kosa izy roa ireo dia anisan'ireo porofo sy famantarana ny mahakasika ny fiasian'ny Tompo Allah, ka nataon'ny Tompo Allah ho fiataovana netiny nampatahotra sy nametraka ny fampitandremana amin'ireo vahoaka mpanompony ",Koa raha toa ka i Mpaminany (s.w.a) no lazaina fa anisan'ireo olona mpandainga dia mbo nararaotiny haingana dia haingana ny nampatahotra ny olona rehetra niatrika Azy tamin'ny alalan'ny fampandaingana azy ireo, ka hiteny sy hilaza izy fa hoe : " tena marina fa takona izay niseho tamin'ilay masoandro dia noho ny fahafatesan-janako, koa dia lasa mety hanao ahoana ary, ny zavatra hanjo an'ireo izay mahasahy mampandainga Ahy ? ".

Ary ilay Irakan'ny Tompo Allah (s.w.a) dia Iraka izay notafian'ny Tompony fahamendrehana tamin'ny alalan'ny fahafenoan'ny hatsaran-toetra izay nisy teo Aminy, ary efa nodokafain'ny Tompo Allah Izy amin'ilay tenin'ny Tompo Allah manao hoe :(وَإِنَّكَ لَعَلَىٰ خُلُقٍ عَظِيمٍ) " Ary tena marina tokoa fa hamafisina etoana fa, ianao ry Mohammad (s.w.a) ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah dia tena olona ao anaty fahalebeazana ara-toetra "[Soraty Al-Kalam dia teny atao hoe : (Ny Penina) : 4]Izy Mpaminany (s.w.a) dia voadoka fa anisany manan an'ireo toetra tsara rehetra sy mahafinaritra toy ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po ary faherezam-po, Izy dia olona marina sy tia fahitsiana ary mpanatanterka ny famalian-tsoa na dia amin'ireo izay mitsanga sy maneho ny fampifahavaloana Aminy aza izany, Izy dia malalatanana no sady tia manome fanampiana sy fanatitra amin'ireo rehetra mahanitra sy sahirana ary osa ara-pivelomana sy ireny izay maty vady sy ireo rehetra izay tsimanankatao, ary Izy dia mifantoka mandrakariva amin'ny fomba rehetra ny mba ahazahoan'izy ireo ny fahitsiana sy ny famindram-po avy Aminy, ary Izy ihany koa dia tena maneho ny fanetrehan-tena eo anatrehan'izy ireny, ka hatramin'ny vahiny aza dia tonga mitady an'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka nanontany azy tamin'ireo mpiaradiany ireo mpiaramiombonantoka Aminy noho ny tsy fahafantarany Azy na dia tamin'ny fotoana naha teo amin'izy ireo Azy ka niloa-bava ilay vahiny ka nanao hoe : " Iza aminareo no Mohammad ? ".

Ary ny tantarany Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia nahitana ireo famantarana feno haja amambonahitra manokana ho azy, indrindra fa teo amin'ny fomba fiasa izay niarahany tamin'ny fiara-monina rehetra nisy Azy, Izy dia nafaka niara niasa tamin'ireo fahavalo sy sakaiza marina, ireo olona akaiky Azy sy ireo izay lavitra Azy, ireo olon-dehibe sy ireo zaza kely ihany koa, ireo olona lahy sy vavy, ary koa ireo biby amam-borona.

Ary rehefa nofenoin'ny Tompo Allah tanteraka teo Aminy ny finoana, ary nampitany ilay Iraka avokoa araky ny tokony ho izy ny hafatra sy ny fanambarana ary ireo zava-drehetra izay tokony nampita, naty i Mpaminany (s.w.a) nandao an'ity tany ity tamin'ny alalan'ny fahafatesana ka ny taonany dia feno, teo amin'ny faha-telo amby eni-mpolon'ny taonany, ny faha efa-polo taonany tamin'izany dia taona talohan'ny faminaniana izay nidina taminy, ary ny telo-ambiny roa-plolo taonany kosa no taona naha Mpaminany sy maha Iraka Azy.Ary i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia nalevina tao amin'ny tanana ny Madinatoun-Nabawiyyah, Izy dia tsy namela harena na lova, afa-tsy ny rameva fotsiny izay fitengenany sy fiondrany zavatra teo amin'ny fiainany, fa ny tamin'ny fotoana naha-teo Azy dia nisy sombin-tany izay nataony ho fanatitra (Swadakat) ho an'ireo rehetra izay lany vatsy any amin'ny tanin'olona.

Ka ny isan'ireo olona nanaiky niditra nanolo-tena nanaraka ny finoana Islamo, no sady nanamarina Azy dia ireo olona maro avy amin'ny an-kolafy foko sy firazanana maro samy hafa, ka dia nahatratra iray hetsy mahery no isan'ireo vahoaka, mpiaramiombonantoka Aminy, izay niaraka nanatanteraka Taminy ny fivahinianana masina amin'ny endrika fanaovam-beloma (Hadjoul-wada'in), tao tamin'ny tanana ny Makkah, ka izany dia talohan'ny telo volana talohan'ny ahafatesany, ka angambany izany dia anisany fomba miafina izay mirakitra ny tsiambaratelon'ny fitehirizana ny finoany sy ny fomba fampielezana azy, ary tena marina fa ireo mpiaradia Taminy ireo izay voalaza fa mpiramiombonantoka Aminy izay nahazo ny fitaizana sy fanabeazana araky ny fomba fampianaran'ny finoana Islamo, ka tonga dia lasa avy hatrany izy ireny ho mpiaramiombonantoka mendrika indrindra teo amin'ny fandalinana ny rariny sy ny hitsiny, teo amin'ny tsifiraiketam-po amin'ny fiainana ety an-tany, izy ireo dia nanana ny fanetrehan-tena, teo amin'ny fitazomana ny teny izay nifanomezana, ary koa teo amin'ny fanokanana ireo ezaka rehetra ho an'ity finoan-dehibe izay efa nekeny sy ninoany ity.

Ary anisan'ireo Soahaba ( R.d ), mpiaramiombonantoka, izay nanara-dia an'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) voalaza fa tena nana ny halebiazana sy haja amambanahitra indrindra tamin'izy ireo, teo amin'ny lafiny rehetra, indrindra ihany koa fa teo amin'ny lafiny fanekem-pinoana, fahalalàna, asa vita, fahadiovam-po, fanekem-pahamarinana, fahafoizan-tena,faherezam-po ary voninahitra sy hasina dia niseho amin'ny filaharana toy izao : i Abou Bakris-Swiddik, i Oumar Ibnoul-Khattwab, i Outhman Ibnou-Anfani ary i Ali Ibnou-Abi Twalib ( ary enga anie hirotsaka amin'izy ireo ny tsodranon'ny Tompo Allah) ka izy ireo rehetra izay voalaza anarana eo ambony dia anisany ireo olona sy vahoaka izay nielohalaharana nino sy nanaiky ny fahamarinan'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) ka izy ireo no voalaza fa nandimby toerany Mpaminany (s.w.a) taoriany nahafatesany,manoloana ny fitondrana sy fitantanana ary fanamparitahana ny finoana Islamo, fa saingy tsy nisy tamin'izy ireo kosa ny anjara fidirana na dia kely aza amin'ireo raharaha sy zavatra mahakasika ny faminaniana, ary tsy nisy zavatra nampiavaka azy ireo ihany koa tamin'izy ireo manoloana an'ireo Soahaba sasany sy ireo mpiaramiombonantoka hafa (R.d).

Ary voalaza fa efa tena niarovan'ny Tompo Allah tanteraka ny Bokiny, ilay Boky nalefany sy nampidininy tamin'ilay Iraka mahafatokiny i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ary niarovany Tompo Allah niaraka tamin'izany ihany koa ireo fampianarana rehetra sy ny fomba ampanao izay azo avy tamin'ilay Iraka izay nalefany, niaraka amin'ireo tantaram-piainany sy ireo resaka sy teny izay naloakan'ny vavany ka noteneniny ary ireo fietsika sy asa rehetra izay nataony, ka tsy nisy tantara voaharo teo amin'ny fiainana hatramin'izay nisian'ny tantara, mihoatra ny tantaram-piainan'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) irery ihany, ka voaharo sy voarakitra antsoratra avokoa ny momba Azy, hatramin'ny fomba fatoriany sy fisakafoanany ary fisotrony sy fiomehezany ka tsy misy zavatra tavela na dia iray aza fa ny rehetra voaray antsoratra avokoa no sady voatahiry amin'ny endrika fiarovana.Ary nanao ahoana tokoa ary ny fomba fiainany sy fanampiany ireo ankohonany tao an-tokatranony ?Tena marina fa ny momban'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) rehetra dia efa voasoratra sy voatahiry ary voahavaka tsara tsy misy mifangaro ao anaty tantaram-piainany avokoa, ary i Mpaminany Mohammad (s.w.a) izany dia olombelona andevo sy mpanompon'ny Tompo Allah no sady Iraka, fa Izy dia tsy manana zavatra hifandraisany na dia kely aza eo amin'ny maha Mpahary an'ny Tompo Allah, ary i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia tsy manana fahefana manoloana an'ireo zavatra mety ahasoa Azy, na koa amin'ireo zavatra mety hampidi-doza Azy amin'ny tenany.

Ireo hafatra rehetra izay nataony sy navelany.

Nirahiny Tompo Allah sy nalefany i Mpaminany Mohammad (s.w.a) taorian'ny nahafeno tanteraka ny fanompoan-tsampy sy fikomiana ary habadoana no zavatra nimbahan-toerana niparitaka teto an-tany, ary tena efa tsy nisy intsony mihitsy ny teto ambonin'ny tany ireo olona sy vahoaka izay nanompo an'ny Tompo Allah ka tsy nampirafy sy nanambatra Azy tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ireo andian'olom-bitsy ihany izay azo isaina amin'ny tanana no sisa tavela tamin'ireo olona sy vahoaka izay nidinan'ny Boky teo aloha no nanompo an'ny Tompo Allah amin'ny fomba madio tsy nisy loton'ny fanompoan-tsampy, koa dia nalefany Tompo Allah no sady nirahiny ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany Mohammad (s.w.a), Izy no Iraka farany tamin'ireo Mpaminany sy Iraka nifandimby teto an-tany, koa dia nalefany Tompo Allah Izy mba ho hitsin-dalana sy hitondra ny finoana marina ho an'izao tontolo rehetra izao, mba hilaza sy haneho an'izany finoana marina izany eo anatrehan'ireo finoana rehetra hafa ihany koa, ary Izy ihany no nalefa mba hanafaka ny olona sy ny vahoaka avy amin'ny haizinan'ny fahaverezany fanompoan-tsampy sy ny fikomiana manoloanan'ny tsy finoana sy tsy fanekena an'ny Tompo Allah, ary koa ny habadoana sy ny tsy fahalalan ny mombany zavatra mahakasika ny fahatokanany Tompo Allah, sy ny fanekem-pinoana, ary ny hafatra izay noentiny mameno tanteraka ireo hafatra rehetra izay noentin'ireo Iraka sy Mpaminan'ny Tompo Allah (A.s). tany aloha tany.

Koa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia niantso ny olona sy vahoaka rehetra mba ho amin'izay rehetra niantsoan'ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) rehetra izay tonga teo alohany toy ny i Nouh (A.s) (Noa), i Ibrahim (A.s) (Abrahama), i Moussa (A.s) (Mosesy), i Soulaimana (A.s) (Solomona), i Daoud (A.s) (Davida), i Issa (A.s) (Jesosy) ka izy rehetra ireo sy ny olona ihany koa dia nino ary manana ny finoana fa ny Tompo marina dia i Tompo Allah ilay Mpahary, ilay Mpanome ny anjaramasoandro sy anjaram-pivelomana, Izy Allah no ilay mpamelo sy mpnome ny fahavelomana, ary Izy ihany koa no ilay Mpamono sy mampandalo ireo zavaboary amin'ny fahafatesana, Izy no ilay mpanjaka Tompom-pahefana manontolo, Izy no ilay mpandahatra ny zava-drehetra, ary Izy ihany koa no Tompo Be fangorahana sy Be fihantra ary in-drafo, ary Izy Allah no mpahary izay rehetra voajanahary hitantsika maso sy ireo izay tsy hitantrsika maso, ka ireo izay rehetra ankoatran'ny Tompo Allah dia mipetraka ho an'isan'ireo zavaboahary noharian'ny Tompo Allah avokoa.

Ary tahak'izany koa ny fomba niantsoany Mpaminany (s.w.a) ny olona sy ny vahoaka mba ho amin'ny fanompoana an'nyTompo Allah tokana irery ihany tsy misy mikambana aminy, fa tsy maintsy miala sy miataka ary manalavitra ny fanompoana ankoatran'ny Tompo Allah, koa nazavainy avokoa tamin'ny fomba tonga lafatra tokoa fa i Tompo Allah dia Tompo tokana tsy manampaha-roa tsy manam-piaramiombonantoka Aminy na dia iray aza, manoloana ny fanompoana Azy na koa eo amin'ny fanjakany na koa eo amin'ny zavaboary izay nohariany, na eo amin'ny fitantanany sy fandrindrany ny zava-drehetra, ary nohazavainy Mpaminany (s.w.a) ihany koa fa i Tompo Allah ilay avo tsitoha, dia tsy niteraka ary tsy nateraka, ary tena tsy misy sahala na koa mitovy Aminy amin'ireo rehetra izay nohariany na dia iray aza, ary tsy miseho na amin'inona na inona amin'ireo zavaboariny na koa tonga nofo ao amin'izany zavaboahariany izany Izy.

Ary i Mpaminany (s.w.a) ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah dia nanao fiantsoana ka niantso ny olona rehetra tsy ankanavaka mba hanaiky ho amin'ny finoana an'ireo Boky rehetra izay nidina avy amin'ny Tompo Allah, toy ny Souhf Ibrahim izay hoe Takelak'i Abrahama, sy ny Takelakan'ny Boky an'ny Mpaminany Moussa (A.s) (Mosesy) ary ny Boky Taouah (Taoreta) sy ny Boky Zabour (Zebora) ary ny Boky Indjil (Evanjily) satria dia tahak'izany avokoa ny fomba nametrahan'ireo Iraka sy Mpaminany rehetra ny antso sy ny fomba fiantsoana ny olona sy ny vahoaka mba ho amin'ny finoana hanaiky an'ireo Iraka manontolo tsy an-kanavaka ka enga anie dia ho ao amin'izy ireo ny fiarahabana ombam-pirarian-tsoa, ka dia lasa tena napetraka ho foto-kevitra ara-lalana fa, izay mampandainga ny iray monja aza amin'ireo Mpaminany sy Irakan'ny Tompo Allah, dia efa lazaina fa nikomy an'ireo Mpaminany sy Iraka rehetra izay nifandimby, satria tsy misy ny maha-samy hafa azy ireo, fa izy rehetra dia avy amin'ny Tompo Allah.

Ary i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia nitondra vaovao mahafaly ho an'olombelona rehetra ny amin'ny famindram-pon'ny Tompo Allah ary nanamafy tanteraka ny amin'ny maha Tokana an'ny Tompo Allah eo amin'ny fiahiana ny olombelona amin'ny lafiny rehetra arak'izay ilainy eo amin'ny fiainany ety an-tany ary i Tompo Allah no ilay Tompo Be fihantra ary mbola Izy irery amn'ny maha Tokana Azy no hitsara ny rehetra eo amin'ny fitsaràna ny zavaboary rehetra tsy an-kanavaka amin'ny andron'ny kiama andron'ny fitsanganana rehefa tonga ny fotoana izay hamoahan'ny Tompo Allah ny olona rehetra avy ao ampasana ka havory ny rehetra eo amin'ny kianjan'ny fitsarana ary anisany zavatra sy porofo milaza ny amin'ny maha Tokana an'ny Tompo Allah ihany koa dia hita sy fantatra eo amin'ny lafiny fanomezana ny valisoa an'ireo vahoaka mpino vahoaka manampinoana fanomezana ny valisoa izay mifanaraka araky ny asa soa sy tsara izay nivitan'izy ireo, ka ny asa soa sy tsara iray dia lasa ho avo folo heny mihoatra ny fomba fanefana sy fanomezana ny valisoa amin'izany ka ny olona iray nanao ny asa soa amin'ireo vahoaka nanampinona, no omena valisoa torak'izany,fa ny asa ratsy kosa dia ampitoviny Tompo Allah amin'ny ratsy izay nivitany ihany tsy miampy akory izay ary tsy hanesorana koa dia homena azy ireo tanteraka avokoa ny fanomezam-pahasoavana izay hita fa mendrika azy ireo amin'ny andro farany,fa hoan'izay nikomy sy naneho ny fikomiana kosa no sady nanao ny asa ratsy dia izy ireny no ahazo ny valin'asa izay nataony ety an-tany sy any an-koatra

Ary ilay Iraka mahafatokin'ny Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia voalaza fa teo amin'ny maha Iraka Azy, dia tsy mba nihebohebo na koa nanindraindra mihintsy ny foko sy firazanana nisy Azy, na ny tanana sy firenena izay niaviany na koa ny vatatenany izay henin-kaja amam-boninahitra,fa ny zavatra voarakitra im-betsaka amin'ny endrika sy fomba tena mihoatra mihitsy dia ny fahitana sy filazana ao amin'ny Boky masina Koroany ireo anarany Mpaminany sy ireo Iraka maro samy hafa toy ny Mpaminany Nouh (A.s) (Noa), Mpaminany Ibrahim (A.s) (Abrahama), Mpaminany Moussa (A.s) (Mosesy),ary koa i Mpaminany Issa (A.s) (Jesosy), anaran'izy ireo rehetra no hita matetika fa miverimberina im-betsaka ao amin'ny Boky masina Koroany, fa ny anarany Mpaminany Mohammad (s.w.a) kosa dia miverina kely fotsiny ihany, fa tsy mitovy amin'ireo Iraka hafa, ka izany dia marika hilazana ny fanambania-tena izay misy Aminy, fa ny anarany dia tsy mba voatonona ao amin'ny Boky masina Koroany matetika, ary dia tsy voalaza ihany koa ao amin'ny Boky masina Koroany ny anaran-dReniny na ny fiantsoana ireo vady andefimandriny, kanefa dia hita fa voarakitra im-betsaka ao amin'ny Boky masina Koroany mihoatra mihitsy ary tsy indray mandeha ihany ny anaran-dRenin'i Mpaminany Moussa (A.s) (Mosesy) ary hita ihany koa fa voalaza sy voarakitra in-dimy amby telopolo ny anaran'i Mariyam (R.h) (Maria),

Ary ilay Iraka sy Mpaminany Tompo Allah i Mohammad (s.w.a) dia efa voaharo tamin'izay rehetra hita fa mifanohitra amin'ireo lalàna sy ny zavatra misy fifandraisana ara-tsaina ary ny amin'ireo zavatra voajanahary sy izay rehetra lavin'ny toetra tsara sy toetra mitari-dalana amin'ny fandrimpahalemana, satria ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) dia efa voaharo avokoa tamin'izay mety ho fihoaram-pefy teo amin'ny fampitàna sy fampielezana ireo fanambarana rehetra izay avy tamin'ny Tompo Allah, ary satria izy ireny ihany koa no miantsoroka ireo adidy sy andraikitra amin'ny fanaparitahana ny didy amambaikon'nyTompo Allah, ho amin'ireo andevo mpanompony, ary ireo Iraka sy Mpaminany dia mazava tsara fa izy ireo dia tsy manana singa manokana na dia iray aza, ka ahatonga izy ireo hitsabatsabaka na ho tafiditra amin'ny raharaha maha Mpahary an'ny Tompo Allah na koa maha Tompo mendrika tompoina Izy, fa izy ireny dia mijanona ho olombelona, tahaky ny olombelona rehetra izay nomen'ny Tompo Allah ilay Avo tsitoha, faminaniana an'ireo hafatra avy Aminy ihany.

Ary fa tena anisan'ny porofo lehibe indrindra amin'ireo vavolombelona manoloana ny maha faminaniana, avy tamin'ny Tompo Allah, an'ireo hafatra sy fanambarana rehetra izay nidina sy noentiny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mouhammad (s.w.a) dia ny fipetrany sy ny faharetan'izany hafatra sy ny finoana Islamo izany mandraka androany eo ampelatanan'izao tontolo izao, tahaka azy fony mbola tamin'ny fahavelomany, ary hita fa mahay maro maherin'ny lavitrisa (miliara) ireo vahoaka mpanaraka ny finoana Islamo, ka lasa mitondra anarana hoe : Mouslim ny tsirairay amin'izy ireo noho ny fanarahana an'izany finoana izany, izy ireo dia mampihatra ireo adidy iantsorohany araky ny lalàna velona misy ara-pinoana toy ny fanompom-pivavahana (Soalat), ny famoahana sy fandrotsahana an'ireo ampahan-karena (Zakat), ny fanatanterahana ny fifehezantena (Souiyam), ary ny fandihanana manao ny fivahiniana masina (Hadj) sy ny sisa izay samy tsy nasiam-panovana ara-pomba amam-panao na koa fanitarana ara-kevitra.

5-Ireo fanambarana sy fahagagan'ny faminaniany Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ireo famantarana maro samy hafa manoloana an'izany sy ireo porofo manamarina izany.

Tena namafisiny Tompo Allah tamin'ny alalan'ny fanohanana mafy dia mafy an'ireo Iraka sy Mpaminany izay nalefany, dia ny fanohanana azy ireo tamin'ny alalan'ny fanomezany azy ireo, ireo karazam-pahagagana maro samy hafa tsy voatanisa izay manaporofo tanteraka ny fanambarana sy faminaniana izay noentin'izy ireny, ary nametraka ho azy ireny ihany koa ireo karazam-porofo maro samy hafa sy ny fanazavana ary famelabelarana amin'ny an-kolafy maro samy hafa mba ho vavolombelona mijoro, milaza ny maha Iraka marina azy ireny, ary isakan'ireo Iraka sy Mpaminany dia samy nomen'nyTompo Allah fahagagana tandrify sy mahampy azy avokoa mba ahafahan'izy ireo mandresy lahatra ny olombelona amin'ny fanekempinoana, manoloana ny hafatra izay noentin'izy ireo,ary anisany fahagagana lehibe sy goavana indrindra amin'ireo fahagagana rehetra izay nomena ireny Iraka sy Mpaminany dia ny fahagagan'ny Mpaminanintsika i Mohammad (s.w.a) manoloana ny zavatra izay nomeny Tompo Allah Azy, Izy dia nomen'ny Tompo Allah ny Boky masina Koroany, ary izany indrindra no fahagagana mitoetra amin'ny fahagagan'ireo Mpaminany rehetra mandra-pahatongavany andro farany andron'ny fitsanganana eo amin'ny fitsarana, tahaky ny nanohanan'ny Tompo Allah Azy tamin'ireo fahagagana lehibe izay mirakitra fahagagana goavana indrindra teo amin'ny fiarahamonina, ary tena betsaka dia betsaka tokoa ireo fahagagana nasehon'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) koa anisan'izany dia ireto avy :

Ny Zotran'ny voayage izay natao tamin'ny andro alina izay fantatra amin'ny anarana hoe : Israh, sy ny fiakarana any an-danitra izay fantatra amin'ny anarana hoe : Minradj,ary ny fivakivakian'ny volana,sy ny firotsahan-dranon'orana im-betsaka izay mifanesisesy taoriany antso sy hataka nataony tamin'ny Tompony Allah, mba hampisotro ny olona sy vahoaka ny rano fisotro taorian'ny fahavoazana sy fianjadian'ny mosary sy hanoanana nianjady tamin'izy ireo.

Ka ny fanabetsahan'ny sakafo fihinana sy ny rano kely fisotra dia nafaka nampihinana sy nampisotro olona sy vahoaka maro anisa tamin'ireo zavaboary nohariany.

Ary ny fanambarana sy ny fampahafantarana azy an'ireo zava-miafina rehetra tany amin'ny fotoan-dasa izay, dia tsy misy olona mahalala na mahafantatra ny an-tsipirian'izany na dia iray aza, fa i Tompo Allah no nampahafantatara Azy an'ireo zavatra miafina rehetra izany, toy ny tantaran'ireo Iraka sy Mpaminany rehetra (A.s) niaraka amin'ireo vahoakan'izy ireo avy, ary ny tantaran'ireo Olona sy tanora tao amin'ny lava-bato (Ashaboul-Kahfi).

Ary ny fanambarana izay nataony Mpaminany Mohammad (s.w.a) mahakasika ny fampahafantarana ny hafa an'ireo zava-miafina rehetra izay mbola ho avy sy handalo ary hiseho any aoriana any, arakan'ny fanambarana sy fampahafantaran'nyTompo Allah ilay avo tsitoha, tahakan'ny fivoahany afo mijoalajoala tao amin'ny tanana ny tanin'ny Hidjaz izay hita no sady taratran'ireo olona sy vahoaka rehetra tany amin'ny tany sy tananan'ny Siria, ka lasa nataon'olona vaindohan-draharaha ny fanamboarana sy fanorenana ireo trano lava amin'ny endrika tsy izy.

Ary ny fiarovan'nyTompo Allah Azy manokana dia efa zavatra lazaina fa mahampy Azy, ary ny fiarovan'ny Tompo Allah Azy ihany koa tamin'ny filan-dratsin'ireo olona dia fiarovana mahampy Azy irery ihany koa.

Ary Izy dia nanatanterka an'ireo fampanantenana rehetra izay efa nomeny an'ireo Soahabat, ireo mpiaramiombonantoka Aminy arakan'ny teny izay nolazainy tamin'izy ireo manao hoe :( Ary mbola ho sokafana aminareo hoy Tompo Allah ny fanjakanan'ny tanana Persianina sy Romanina, ary mbola ho tsinjarainareo amin'ny làlan'ny Tompo Allah ny tahirin-karenan'izy roa rehetra )

Ny fanampian'ny Tompo Allah an'ilay Iraka mahafatokiny i Mpaminany Mohammad (s.w.a) tamin'ny alàlan'ireo Anjely

Ary anisany zava-dehibe dia ny fianambaran''ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) rehetra teo aloha avokoa tamin'ireo vahoakany avy, ny mahakasika ny momba ny faminanian'ilay Iraka i Mpaminany Mohammad (s.w.a) ary anisan'ny ireo Iraka sy Mpaminany nanambara ny momba Azy dia i Mpaminany Moussa (A.s) (Mosesy), sy i Mpaminany Daoud (A.s) (Davida), ary i Mpaminany Soulaimana (A.s) (Solomona), sy i Mpaminany Issa (A.s) (Jesosy) ihany koa, sy ny ankoatran'ireny Iraka sy Mpaminany izay voalaza tamin'ireo Mpaminany nivoaka avy tamin'ny taranakin'ny vahoaka Israely.

Ary tamin'ireo porofo maro ara-tsaina sy fanoharana maro samy hafa izay nomenafa izay tokoa no hita fa mety mampifoha tsy satry ny saina amam-panahy madio sy mandry fahalemana.

Ary ireo famantarana sy porofo ary fanoharana ara-tsaina ireo dia samy voarakitra ao amin'ny Boky masina koroany avokoa, sy ao Boky mpiathiry ny lovatsofina mirakitra ny fampianaran'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) izay voalaza amin'ny anarana hoe : (Sounnah), ary ireo andininy fanambarana sy famantarana ny momba izany dia maro mihoatra izay heverina raha toa ka ho angonina avokoa izany, ary mety tsy voafitina aza izany rehetra izany, koa ho an'izay mila hitsangana hijery akaiky ny momba an'izany dia aoka hanao famerenana amin'ny Boky masina Koroany, sy ireo Boky mirakitra ny fampianarana sy nyTantaram-piainan'ny Mpaminany (s.w.a) satria ao amin'izy ireny no tena ahita ireo vaovao mahalatsa-paka finoana momba izany famantarana rehetra izay voalaza izany.

Fa raha tsy niseho izany fahagagana lehibe sy goavana izany dia tena azo antoka tokoa ny fisiany fitsikerana sy ny fitsipahana nataon'ireo mpikomy avy tamin'ireo foko sy firazanana Kouraich sy ny avy tamin'ireo vahoakan'ny Jiosy ary koa ireo vahoakan'ny Kristianina izay hita fa efa niparitaka naneran'ny faritanin'Arabo, ka izany fiparitahan'izy ireo izany dia mety nhitan'izy ireo hirika ny hampandainga ny hfa mahakasika ny vaovaon'ilay Iraka sy ny mety hampitandreman'izy ireo ny olona rehetra ny momba Aminy.

Ny Boky masina Koroany no Boky lazaina fa nanampidinan'ny Tompo Allah ny faminaniana tamin'ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany Mohammad (s.w.a) io no Boky mirakitra sy mitahiry ny teniny masinan'ny Tompo Allah Tompo izay nahary an'izao tontolo izao,ary i Tompo Allah dia nahasahy niantso fifaninanana tamin'ireo olombelona sy ny Djiny ny amin'ny hanoloran'izy roa ireo Boky mitovy tantana amin'ny Boky masina Koroany na koa singany (Soraty) iray monja fotsiny, izay mety mitovy sy sahala ny amin'izay ary tena mbola tsy mitsahatra izany fifaninana izany mandraka androany fa mbola miantso ireo mpifaninanana i Tompo Allah manoloana an'izany resaka mahakasika ny Boky masina Koroany ka ny Boky masina Koroany dia tsy mitsahatra mamaly ireo fanontaniana mafonja maro izay asehon'olombelona an-tapitrisany maro izay manana ny traikefany fa ny Boky masina Koroany sy ny halebeazany dia efa voaharo izy mandraka androany na dia eo amin'ny fomba fiteny Arabo izay nanampidinana azy rango tamin'ny voalohany dia mbola mihatra ihany hatramin'izao,ka tsy misy na dia litera iray aza latsaka na niampy tao anatiny, ary ny Boky masina Koroany dia Boky voatonta sy voahely miparitaka maneran-tany ary izany Boky izany dia Boky voalaza fa Boky Lehibe indrindra no sady mahagaga ary izy no Boky goavana lehibe indrindra amin'ireo Boky rehetra izay tonga teo am-pela-tànan'olombelona izy dia tafiditra anisan'ireo Boky miendrika vakiana na koa vakiana amin'ny endrika dikan-teny ara-kevitra, koa izay very fomba fahazahoana azy izany sy ny fomba mety hametrana finoana aminy izany dia lazaina io olona io fa very fahasoavana manontolo.Koa dia tahak'zany avokoa ny fomba nahafahana niaro sy nitahiry ary nanampita sy nanamparitaka ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ny sori-dàlany ary ny tantaram-piainany araky ny fitohizan'ny tatitra izay notaterin'ireo olona sy vahoaka mahafatoky maro isan-karazany, ary izany rehetra izany dia voatonta amin'ny fiteny Arabo izay nitenenan'ilay Iraka Mohammad (s.w.a), koa toy ny salany olona tsy mitsahatra miara-miaina amintsika eo ihany Izy, ary izany Boky masina Koroany izany dia efa voadika sy voazava amin'ireo karazan'ny fiteny maro isan-karazany misy maneran-tany, ary ny Boky masina Koroany sy ny Rakitry ny fampianaran'ilay Irakan'ny Tompo Allah (s.w.a) dia izy roa ireo ihany no loharano tokana ipoiran'ireo didy aman-dalàna isan-karazany ara-pinoana Islamo.

6- Ny lalàna sy fepetra ary fitsipika izay noentin'ilay Iraka i Mpaminany Mohammad (s.w.a).

Ny lalàna sy fitsipika ary fepetra izay noentin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia lalàna velona ato anatiny finoana Islamo, ary izany tokoa no tena lalana sy rafitra ary fitsipika farany indrindra tamin'ireo lalànan'ny Tompo Allah tokana ilay Mpahary, sy hafatran'ilay Tompo mendrika tompoina, ary izy rehetra dia mitovy tantana ihany koa amin'ny lalànan'ireo Mpaminany sy Iraka rehetra tonga nifandimby teo alohany, teo amin'ny lafiny fototra niaingany izany na dia hoe misy aza ireo zavatra maneho ny mahasamihafana eo aminy sy ireo lalana hafa.

Ary izany rehetra izany tokoa no lalàna feno no sady mahampy ary mahaleo-tena, ary izy izany lalana izany ihany koa dia lalana mety sy mifanaraka ary mahasoa amin'ny vanim-potoana sy toerana rehetra ilana azy, ao anatiny tokoa dia misy ireo zavatra mahasoa ny olombelona eo amin'ny finoan'izy ireo sy eo amin'ny fiainan'izy ireo ety an-tany, satria ao aminy no ahitana antoka amin'ireo fanompoana rehetra izay iantsorohan'ireo mpanompo ho an'ny Tompo Allah ilay Mpahary an'izao tontolo izao, toy ny fanompom-pivavahana (Soalat) sy ny famoahana ny ampahan-karena (Zakat) ary manazava amin'izy ireo avokoa ny fiaraha-miasa eo amin'ny lafiny asa sy ara-pananana sy ara-toekarena, ara-piaraha-monina, ara-politika, eo ara-pifanandrinana, ara-tontolo iainana izay azo atao ekeny lalana sy izay voarara tsy ekeny lalana, sy ny izay ankoatr'izany ihany koa, amin'ireo zavatra izay takian'ny fiainan'olombelona sy ny hiverenan'izy ireo amint'ny Tompon'izy ireo.

Ary izany lalàna sy fitsipika ary rafitra izany no miaro tanteraka ny finoan'olombelona sy ny ran'izy ireo mba tsy ho latsaka amin'ny tany amin'ny fomba tsy rariny, ny lalana velona ara-mpinoana ihany koa dia tsy mitsahatra miaro ny vatatenan'ny tsirairay sy ny maha izy azy ary ny hasiny, mbola miaro ny fanànana aman-karenan'olombelona ihany koa izy sy ny saina amam-panahin'izy ireo, ary ny taranaka amam-paran'izy ireo, ary mbola ny lalana ihany koa no mitsangana miaro sy mangala antoka, miantoka avokoa ireo zavatra manadanja rehetra sy izay rehetra mahasoa, ary mampitandrina amin'izay rehetra ratsy sy mahatsiravina, ny lalana amin'ny finoana Islamo dia miantso ny rehetra mba ho amin'ny fifanomezana haja amam-boninahitran' ny olombelona, ary mametraka ihany koa ny hitsiny sy ny rariny eo amin'ny fiainana, ny lalana ihany koa dia miezaka mampianatra ny fomba rehetra ahatongavana amin'ireo zavatra mety mitarika amin'ny fahadiovam-pon'ny zanakolombelona sy ny fahadiovana ara-batan'izy ireo ihany koa, mbola ny lalana sy ny rafitra misy ato amin'ny finoana Islamo dia maniraka ny rehetra mba tokony hanatanteraka an-tsitra-po ny zavatra hatao ary hanao an'izany ampitiavana ihany koa, noho ny fitiavana hatsarana sy zava-tsoa hoan'olona rehetra, ny lalana dia miaro fatratra ny lio sy ran'ny zanakolombelona manontolo, ary mametraka ny fandriampahalemana eo amin'ny tanindrazana misy azy ireo, ary raran'ny lalana avokoa ny fampihorohoroana ny olona sy fampitahorana azy ireo amin'ny fomba tsy ara-dalana sy amin'ny fomba tsy ara-drariny, ary tamin'ny fotoana nahateo an'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mohammad (s.w.a) teo amin'ny fiarahamonina nisy Azy dia tena hita fa Izy no nitsangana niady mafy tamin'ny tsy fanaovana ny tsy rariny teo amin'ny fiarahamonin'ny zanakolombelona syny fanakorontanana tamin'ny endriny rehetra sy tamin'nyfomba rehetra izay mety hisehoany izany, ary dia nitsangana nanohitra ny forona sy ny fitsitokatokanana rehetra nisy ihany koa Izy na fiitokatokanana ara-mpinoana na ara-mpiainana na ara-mpanompoana ihany koa.

Ary tena marina fa ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia efa nanazava fa i Tompo Allah dia nanome haja sy vonahitra an'ireo olombelona,na lahy amin'izy ireo na koa ireo vavy amin'izy ireo, samy manana ny haja amambonahitra tandrify azy avokoa izy ireo, ary tena efa niantofany Tompo Allah tanteraka izy ireo amin'ny lafiny zon'izy ireo manontolo, ary nataony Tompo Allah ho tompon'antoka sy tompon-tsafidy tanteraka izy ireo manoloana an'ireo asa rehetra izay ataony, sy ny fitondran-tena izay ametrahany izany tenany izany, ary izy ireo ihany koa no tomponandraikitra milanja sy misorika ny asa rehetra izay ataony, na amin'ny lafiny asa izay mety mampidi-doza ny tenany na koa mety mampidi-doza ny hafa ihany koa, ary nataony sy napetrany ho mitovy tantana avokoa ny lahy sy ny vavy eo amin'ny lafiny finoana, sy eo amin'ny asa aman-draikitra izay vita, ary eo amin'ny lafiny fanomezana ny valisoa ka ny tsirairay dia samy mahazo ny valisoa tandrify azy, fa ao anatin'izany lalàna sy fitsipika ary rafitra izany dia misy fanomezana anjara manokana ho an'ireo vehivavy izay tonga amin'ny amabara-tongan'ireo Reny sy ireo vady andefimandry, ary ireo zanaka sy anabavy.

Ary ny lalàna sy fitsipika ary rafitra izay nandesiny ilay Iraka mahafatokin'ny Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia tonga mba hiaro ny saina sy fanahy ary handrara sy hisakana ireo rehetra izay mety manimba an'izany, toy ny fisotroan-toaka sy ireo zava-mahadomelina maro samy hafa, fa ny finoana Isalamo dia finoana lazaina sy mihevitra ny tenany fa finoana mirakitra hazavana mamirapiratra izay manoro lalana ny saina mba ho amin'ny làlana izay tokony hizorany sy haleany, lalana izay mitarika ny olona sy ny vahoaka mba tokony hanompoan'ny zanakolombelona an'ny Tompon'izy ireo Allah, fanompoana amin'ny endrika fahitana ny marina fehiziny fahalalàna, tena nampiakariny lalana ara-mpinoana misy ato anatiny finoana Islamo no sady nasandatrany amin'ny toerana avo indrindra ny raharaha momba ny saina, ary nataony sy napetrany ho famaharam-piantsorohana ireo adidy ihany koa izy, ary nafahany tanteraka tamin'ny fatotry ny forona sy ny fanompoan-tsampy.

Ny lalàna ara-pinoana misy amin'ny finoana Islamo dia manome lanja fatratra ireo fahalalàna rehetra hita fa marina ary mamporisika ny amin'ny fikaroham-pahalalàna miavaka amin'ny fioronana an-tsitrapo, ary ny lalana ihany koa dia miantso ny rehetra ho amin'ny fibanjinana sy fandinihana ary fieritreretina ny amin'ny tena sy izay rehetra misy ato anatin'izao tontolo izao ary ireo voka-pikarohana ara-tsiansa dia voaporofo sy voamarina ara-pahalalàna ka tsy mifanipaka no sady tsy mifanohitra velively amin'izay rehetra noentin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a)

Ary tsy misy eo amin'ny lalàna ara-pinoana misy ato anatiny finoana Islamo ny manavakavaka ny olona sy vahoaka amin'ny endrikan'ny foko na firazanana iray manokana an-koatry ny hafa eo amin'ny samy olombelona, ary dia tsy misy ihany koa ny fifanomezan-danja ireo foko iray ho ambonin'ny foko hafa, fa ny rehetra eo anatrehany didy aman-dalana sahala sy mitovy avokoa, satria ny olombelona rehetra eo am-piandohana dia sahala sy mitovy avokoa, koa tsy misy fahasamihafana ho an'ny firazanana iray amin'ny firazanana hafa, na koa ho an'ny foko iray amin'ny foko hafa raha tsy ireo izay manana ny fahatahorana nyTompo Allah irery ihany no manana ny lanjany hafa amin'ny rehetra,,ary amin'ny farany dia nolazainy ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) fa, izay rehetra ateraka dia teraka ara-pomba amam-panao voajanahary avokoa, ka tsy misy olombelona iray ateraka ao anaty fahadisoana na koa handova fahadisoan'ny hafa ankoatra azy.

Ao anatin'ny lalàna sy fitsipika ara-pinoana Islamo no nametrahan'nyTompo Allah ireo lalàna mahakasika ny fibebana sy fiverenana amin'ny Tompo Allah nohony fahotana sy fahadisoana izay natao ka izany dia hoe : fiverenan'ny olombelona amin'nyTompony Allah, ary famelana sy fiatahana ireo fahotana, satria ny finoana Islamo dia finoana manafoanasy manapotika tanteraka izay rehetra mety ho fahotàna natao teo alohan'ny fandraisana azy ho fahotana, ary ny fibebahana dia efa voalaza fa izy no mamafa izay rehetra teo alohan'izany fahotàna izany, koa dia tsy misy mihitsy ny fomba filàna ny filazana sy fitantarana ny fahotana vita amin'ny zanakolombelona fa ny tsy rairay dia tokony hitazona ny fahotany sy ny fahadisoany ho azy samy irery na any amin'ny Tompo Allah no hiverenany sy hilazany azy, satria ato anatiny finoana Islamo no efa nametraka ny fifandraisan'ny zanakolombelona sy Tompo nahary azy ireo i Tompo Allah mivantana tsy mila mpanelanelana ka tsy mila olombelona na iza na iza hitsanga hatao sy hapetraka ho mpanelanelana ny olombelona eo anatrehan'ny Tompo Allah ary voalaza fa ny finoana Islamo dia mandrara sy misakana fatratra arakan'ny lalana velona ao aminy, ny mametraka sy mihevitra fa ilay Mpahary dia olombelona na koa hanambatra na hampirafy ny fanompoana an'ny Tompo Allah miaraka amin'ireo zavaboary izay nohariany, ontolo izao na eo amin'ny lafiny fanompoana Azy tokana irery ihany.

Ary ny lalàna sy fitsipika ary rafitra izay noentin'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia tonga mandrava sy manafoana tanteraka an'ireo lalàna rehetra izay tonga teo alohany, satria ny lalàna ara-pinoana Islamo izay noentin'ny Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia lalana manankery avy amin'ny Tompo Allah, izay nolazaina fa izy no lalana farany indrindra amin'ireo lalàna rehetra hatramin'ny andron'ny farany, andron'ny kiama, andron'ny fitsanganana eo amin'ny fitsarana, ary izany lalana izany dia natao ho an'izao tontolo izao izay tsy misy fanavahana, ka noho izany dia nifafana sy nifoanana avokoa ireo lalana teo alohany lalana ny finoana Islamo,tahakan'ny namafana sy nanafoanana ireo lalàna maro samy hafa sasantsasany teo aloha ireny,ary i Tompo Allah ilay avo tsitoha dia tsy manaiky ary tsy mankatoa ireo lalàna hafa ankoatran'ny lalàn'ny finoana Islamo irery ihany,ary tsy manaiky no sady tsy mankatoa ihany koa ny finoana hafa ankoatran'ny finoana Islamo izay noentin'ilay Iraka i Mpaminany Mohammad (s.w.a) koa izay olona na vahoaka mandray finoana hafa ankoatran'ny finoana Islamo dia tsy ho voaray ary tsy ho ankatoavin'ny Tompo Allah izany, fa izay mila sy mitady fahalalàna an-tsipiriany kosa mahakasika an'ireo didy aman-dalana izany dia aoka mba handalina izany ao anatin'ireo Boky rehetra hita fa azo antoka izay mampahafantatra ny amin'ny finoana Islamo marina.

Ny tena tanjonan'ny lalànan'ny finoana Iislamo, dia mitovy tanteraka tahakan'ireo tanjona rehetra izay nanirahan'nyTompo Allah ireo Iraka sy Mpaminany rehetra izay nitondra ireo hafatra sy fanambarana avy amin'ny Tompo Allah, fa dia hoe : hampiorim-paka amin'ny fahamarinana ny finoana tokana ho an'olombelona rehetra tsy ankanavaka mba hahatonga azy ireo rehetra ho mpanompo an-kitsi-po an'i Tompo Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary dia manafaka ihany koa ny amin'ny fanompoana an'ireo olombelona na ireo vaingan-javatra na koa ny amin'ny famadihana ny marina.

Ny lalàna sy fitsipika ary rafitra amin'ny finoana Islamo dia tsara ary mahasoa no sady mety hampiasaina ary mifanaraka amin'ny vanim-potoana rehetra sy amin'ireo toerana rehetra misy eto an-tany, koa tsy misy zavatra mifanipaka na mifanohitra mihitsy ny ao amin'izany lalana izany na dia iray aza, fa ny ao rehetra dia marina no sady mahasoa ny olombelona rehetra; satria izany lalàna sy fepetra ary fitsipika sy rafitra izany dia nidina sy nampidinina avy tamin'ny Tompo Allah avokoa, avy amin'ilay Tompo mahalala sy mahafantatra indrindra ny zava-drehetra mety ilain'ny zanakolombelona eo amin'ny fiainan'izy ireo, ka ny olombelona ankehitriny dia mila fanaovan-dalàna marina eo amin'ny tenan'izy ireo, izay lalana tsy mifanipaka ary tsy mifanohitra eo amin'ny samy lalàna, mila lalana mahasoa ny olombelona, fa tsy ny lalana izay apetran'olona ka lasa hanereny ny hafa, fa mila kosa ireo lalana noraisina avy amin'ny Tompo Allah irery ihany tsy misy nikambana Aminy, satria ny lalana avy amin'ny no lalana mitarika sy mitantana ny olona mba hoany amin'ny làlan'ny fahitsiana sy hatsarana feno fahasoavana, koa raha mifampitsara ny amin'izany ny olombelona dia hahomby sy ho lavorary avokoa izay rehetra momba azy ireo, ary lasa ho anisany ireo olona havotra amin'izay mety ho tsindrihazolena eo amin'ny samy izy ihany koa izy ireo.

7-Ny fihevitr''ireo fahavalony sy ny fomba fandraisan'izy ireo Azy, manoloana ny fijoroan'izy ireny vavolombelona ho Azy.

Tena tsy azo hisalasalana mihitsy fa ireo Iraka sy Mpaminany rehetra dia samy nanana ireo vahoaka mpanohitra sy mpitsipaka ary mandray azy ireo ho fahavalo avokoa, ary tena mijoro sy mitsanga ho sakana sy fahavalo eo an-dàlan'ny fiantsoana sy fampielezana ny fahamarinan'ny finoana Islamo ary izy ireo dia nahasahy nitsangana nisakana sy nandrara ny olona sy ny vahoaka mba tsy hanana finoana an'ny Tompo Allah sy ny finoana Islamo, ary voalaza fa ilay Irakan'ny Tompo Allah i Mpaminany Mouhammad (s.w.a) dia tena nanana ireo olona sy vahoaka maro nitsipaka Azy nandritrany fe-mpotoana nivelomany sy taorian'ny fotoana izay nahafatesany saingy tena nanampy azy tokoa teo anatrehan'izany rehetra zany ary nanome Azy fandresena sy fanavotana dia i Tompo Allah, nefa na dia izany aza fa tena niroso nahay maro ihany ireo olona sy vahoaka nanolo-tena nijoro vavolombelona nanao teny fanekem-pinoana nino an'ny Tompo Allah sy nanaraka ny finoana Islamo tamin'izy ireny-na tamin'ireo vahoaka taloha izany na ireo vahoaka ankehitriny, dia samy efa nanaiky avokoa fa hoe : i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia Mpaminany Tompo Allah, ary tena marina ihany koa Izy dia nitondra hafatra tahakan'ireo hafatra rehetra izay noentin'ireo Iraka sy Mpaminany (A.s) rehetra tany alohany tany, ary tena marina fa izy ireo dia mahalala sy mahafantatra tsara fa i Mpaminany (s.w.a) dia ampahamarinana, fa ny maro amin'izy ireo dia nitsipaka Azy an-kitsirano sy amin'ny fomba maro samy hafa, ary niezaka nisakana ny hafa ihany koa mba tsy tokony hino Azy, toy ny fomba fanasoketana Azy tamin'ny fitiavam-pahefana na fatahorana ny fiaraha-monina na koa tsy fananany vola aman-karena no nolazain'izy ireo Azy fa anisany lesoka eo amin'ny anjaramasoandrony sy fivelomany.

Koa dera sy vonahitra ary fisaorana feno fankasitrahana anie hoan'i Tompo Allah, Tompon'izao tontolo izao

Nanoratra ity sangana'asa ity dia ilay Mpampianatra mpikaroka, manana ny marimpahaizana Dokotora, i Dokotera Mohammad Ben Abdillah As-Sahim

Mpampianatra amin'ny taranja momban'ny foto-mpinoana tao amin'ny Sampam-pianarana momba ny finoana Islamo (teo aloha).

Anjerim'ny Fanabeazana,Oniversite any amin'ny Fanjakan'ny Arabia Saodita

Riad, Ny Fanjakan'ny Arabia Saodita.

Ny Iraka ho an'ny finoana Isilamo dia i mpaminany Mohammad (saw)

1- Anarany sy ny firazanany ary ireo tanàna izay nahaterahany sy nitombohany ary nahalebiazany.

2- Ny fanambadiana misy sy mirakitra hatsarana sy heni-pahasoavana dia fanambadiana natao tamin'ny vehivavy iray feno fahasoavana.

3- Fiatombohan'ny fanambarana sy ny faminaniana.

Ireo hafatra rehetra izay nataony sy navelany.

5-Ireo fanambarana sy fahagagan'ny faminaniany Mpaminany Mohammad (s.w.a) sy ireo famantarana maro samy hafa manoloana an'izany sy ireo porofo manamarina izany.

6- Ny lalàna sy fepetra ary fitsipika izay noentin'ilay Iraka i Mpaminany Mohammad (s.w.a).

7-Ny fihevitr''ireo fahavalony sy ny fomba fandraisan'izy ireo Azy, manoloana ny fijoroan'izy ireny vavolombelona ho Azy.