×
TARI-DALANA MAHASOA HO AN'NY IREO MPINO SILAMO VAOVAO

TARI-DALANA MAHASOA HO AN'NY IREO MPINO SILAMO VAOVAO

Mpanomana

Mohammad Ashahry

2020-1441

Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana

Teny fanolorana sy fanokafana

Ka izay àry no ela fa :

Nomen'i Tompo Allah haja sy voninahitra ary hasina manokana ireo taranakan'ny Adama (A.s) ary izy ireo no nosafidiny Tompo Allah amin'ireo zava-boary maro izay nohariany, ka niteny i Tompo Allah nanao hoe : { Efa nomenay haja sy voninahitra sahaza azy ireo ny taranakan'ny Adama (A.s) }



34- Azy irery ihany ireo anarana tsara rehetra sy ireo avo indrindra izay napetrany ho an'ny tenany manokana ary napetrakin'ny Mpaminaniny (s.w.a) ho Azy ihany koa, ka izany rehetra izany dia milaza tanteraka ny fahafenoany sy ny hatsarany rehetra, ka tsy misy mihitsy ny tahaka Azy ary Izy tokoa no tena Maheno sy Mahita.

ilay be fiantrana : dia Izy Allah no Tompo be indra-fo, ary indra-fony dia midadasika no lehibe mihoatra ny zava-drehetra.

ilay Mahefa : izay midika hoe : i Tompo Allah no manana fahefana feno, izay tsy ahitana jaly na fasahiranana eo Aminy ary tsy ahitana ny tsy fahampiana na fahatokanana ihany koa fa Izy dia mahaleo-tena ara-mpahefana.

ilay Mpanjaka : Izy no voadoka amin'ireo laza sy vonahitra izay maneho ny mpamari-toetra amin'ny lafiny fahalehibeazana sy famoretana ary fandaharana, izany hoe : Izy no Tompon'izao rehetra izao sy Izy no mpikarakara an'izany rehetra izany.

ilay tena Maheno : izay midika fa hoe : Izy Tompo Allah no mahatsapa sy mahatakatra ary mahalala an'izao rehetra izao na ny miafina izany na ny mibaribary.

ilay be fandriam-pahalemana : izany hoe : fandriam-pahalemana tena feno ka tsy ahitana lesoka na fahabangana ary tsy ahitana fahoriana na kilema izao rehetra izao.

ilay tena mahita : ny fahitana izay mahafehy tanteraka ny zavadr-ehetra na vitsy na kely, tena mahita ny rehetra Izy ary mahafantatra sy mahalala ny tsiambara-telo.

ilay mpandraharaha ny rehetra : izany hoe : Izy Tompo Allah no tompon'andraikitra amin'ny fanomezana sy fizarana ny anjara masoandron'ny zava-boariny, Izy no mpanangana ny mahasoa azy ireo, Izy no mpikarakara ireo sakaizany ka hamaivaniny avokoa ny momba azy ireo ary ataony mahampy azy ireo ny momba azy ireo rehetra.

ilay Mpahary : Izy Tompo Allah no nanao sy nampanisy an'izao rehetra izao ary mpamolavola izay tsy ahitana toy ny teo aloha

ilay be tambitamby : izany hoe : Izy Tompo Allah no manome haja sy vonahitra ireo mpanompony ary mandrotsaka ny hinakinany sy manome izay rehetra tadiavin'izy ireo

ilay mahampy : izany hoe : Izy Tompo Allah no mpanome ny ampy amin'izay rehetra ilain'ireo mpanompony, ary izay rehetra omeny dia ampy avokoa ka tsy mitady fanampiana amin'ny ankoatriny intsony, fa izy irery ihany koa no efa mahampy.

ilay be famelana : izany hoe : Izy Tompo Allah no mahavita miaro ireo mpanompony amin'ny voka-dratsy aterakin'ny fahotana ary tsy hanasazy azy ireo ny amin'izany akory Izy.

ary ny mpino Islam dia mandinika ireo zava-boarin'ny izay nohariany Tompony izay miseho amin'ny endrika mahagaga ary amin'ny fomba feno fanamaivanana no nanamboarany azy ireo,sy amin'ny fomba fitantanana izany rehetra izany, ka anisan'izany dia ny fikarakarana ireo zava-boary kely madinika amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny fitadiavana sy fanomezana ary fampisakafoanana sy fikarakarana azy ireo mandra-pahalehibeny mba ahafahan'izy ireo manolokolo tena, ka dera sy vonahitra feno haja ho an'i Tompo Allah ilay Mpahary, Azy tokoa ny fitambitambezana ary anisany tambitamby avy Aminy dia ny fanamaivanany ireo fomba ahafahan'ny zava-boary mikarakara ny tenany sy man-damina ny momba azy miaraka amin'ny fahafenoan'ny fahalemeny.

Ny Mpaminaniko Mohammadi (s.w.a)-



Mohammad (s.w.a) dia Hinakinaka sy famindram-po ary Fanomezana

Izy dia Mohammadi zanak'i Abdallah (s.w.a) izay namarana ireo Iraka sy Mpaminany retra izay tonga teo aloha,nalefan'i Tompo Allah Izy hitondra ny finoanaIslam ho an'olombelona rehetra tsy an-kanavaka, sy hitari-dàlana azy ireo amin'ny tsara rehetra ary ny tena lehibe amin'izany dia ny fanokanana an'i Tompo Allah fa Izy itery tokoa no tokana mendrika ho tompoina amin'ny lafiny rehetra, ary nandrara azy ireo amin'ny fanaovana ny haratsiana rehetra ka ny haratsiana goavana amin'izany dia ny " Shirk " fanakambanana i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa

Ny hafany sy hafatr'ireo Mpaminany rehetra teo alohany dia ny fitaritana ny rehetra amin'ny fanompoana an'i Tompo Allah tokana tsy misy mpikambana Aminy.

Ny Boky masina Koroany ilay feno haja amambonahitra satria dia tenin'ny Tompoko Allah

Ny Boky masina Koroany dia tenin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha izay nampidinina tamin'ny Mpaminaniny Mohammadi (s.w.a) mba hanala ny zanak'olombelona amin'ny haizina ny fahaverezana ka mba hitarika azy ireo ho any amin'ny lalan'ny hazavana no sady hitari-dàlana azy ireo amin'ny làla-mahitsy.

Izay mankato ka mamaky azy dia hahazo valisoa lehibe, ary ireo izay miasa ka manaraka sy manatanteraka ireo fanambarana izay mirakitra fahitsiana ao anatiny manoloana ny fanarahana ny làla-mahitsy sy fijoroana tsara ampahitsiana

Izaho dia hampafantatra ireo Andry hijoroany finoana Islam

Niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : Miorina amin'ny fototra dimy ny finoana Islam dia : ny Fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina marina afa-tsy i Tompo Allah ary i Mohammadi (s.w.a) dia Irakan'i Tompo Allah, ny fananganana ny Soalat, ny famoahana ny Zakat, ny Fifehezana amin'ny volana Ramadany sy ny fanaovana ny Hadjj amin'ilay trano masina any Lameky

Ny andriny voalohany dia : fijorona vavolombelona fa tsy misy Tompo mendrika tompoina afa-tsy i Tompo Allah ary tena marina fa i Mohammad (s.w.a) dia Irakan'i Tompo Allah.

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Fantaro fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina marina afa-tsy i Tompo Allah } [ Sourat Mohammad: 19 ]

Ny dikan'ny fijorona vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Tompo Allah dia ny hoe tsy misy tompo mendrika azo tompoina marina ampahamarinana afa-tsy i Tompo Allah.



Ny fananganana ny Soalat dia ny fanatanterahana izany amin'izay fomba rehetra nametrahan'i Tompo Allah izany sy amin'izay nampianarin'i Mpaminany Mohammad (s.w.a) atsika.

Ny andriny faha-telo dia : Famoahana ny " Zakat " ampahan'ny harena

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { ary mamoaha ny " Zakat ampahan'ny harena } [ Sourat al bakarat: 110 ]

Ary izy io dia zo feno izay tsy maintsy avoaka amin'ireo harena sy fanana raha toa ka mahatratra ny fatra voafetra izay takina, ka avoaka sy omena ireo karazan'olona valo izay efa voatondro sy voalaza ato anatin'ny Boky masina Koroany ireo vondron'olona ireo, ka anisan'izany ireo mahantra sy ireo masikiny.

Ary amin'ny fanatan-terahana izany dia ho feno hinakinaka sy feno tambitamby ny olona iray, ary ny tanjona amin'izany dia ny fanadiovana tanteraka ny toetran'ny mpino Islam sy ny harenany, ary hampifalifaly ny fon'ireo mahantra sy ireo sahirana, ary fanatanjahana ny fifankatiavana sy ny firalahina manoloana ny fiarahamoninan'ny vahoaka mpino Islam, ka noho ny amin'izany ny mpino Islam mpanao asa soa dia mamoaka izany amin'ny hatsarana ka lasa mahasambatra ny fony ny fanatan-terahana an'izany, satria mampiditra fahasambarana ho an'ny hafa.

Ary ny fatran'ny " Zakat " amin'ny harena dia 2,5% ( roa faingo dimy isan-jato ) amin'ireo harena izay azo tehirizina toin'ny amin'ny volamena sy volafotsy ary ny lelam-bola sy ny entam-barotra izay azo avarotra sy hividianana mba ahazoana tombom-barotra; ka izany rehefa izany rehefa mahatratra ny lanjan'ny fatra izay voafetra sy feno iray taona dia tsy maintsy avoaka.

Ary voadidy tahaka izany koa ny famoahana ny " Zakat " amin'ireo olona izay manana biby fiompy tahaka ny ( rameva, omby, ondry sy osy ), raha toa ka mihinana bozaka amin'ny tany mandava-taona sy tsy ampisakafon'ny tompony.

Ary voadidy tahaka izany ihany koa ny famoahana ny " Zakat " amin'ireo vokatra rehetra izay azo avy ambanin'ny tany amin'ireo voamaina, voankazo, metaly sy harena ankibon-tany raha toa ka mahatratra ny fatra voafetra.

Ny andriny faha-efatra dia : fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany.

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Ô Ianareo vahoaka izay nino ka manampinoana ! Voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana ireo vahoaka izay teo alohanareo, angamba hanam-patahorana Ianareo.} [ Sourat al bakarat: 110 ]

Ny volana Ramadany dia : volana faha-sivy amin'ny taona izay voarakitra ao amin'ny kalandrie hidjiria, sy volana manan-kaja amin'ireo vahoaka mpino Islam, ary manana toerana manokana eo anatrehan'ireo volana sasany izy, ary ny fifehezana feno amin'izany volana izany dia tafiditra ho anisan'ny faha-dimy amin'ireo andry ny finoana Islam

Fifehezana amin'ny volana Ramadany dia : fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny alàlan'ny fanakanan-tena amin'ny tsy fisakafoanana sy tsy fisotroana ary tsy fanaovana firaisana ara-nofo, sy ireo mety ho sakafo avokoa, ka ny fe-mpotoana dia manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro mandritran'ny andro rehetra ao anatin'ny volana ramadany izay feno fahasoavana.

Ny andry faha-dimy dia : fivahiniana masina any amin'ny tranon'i Tompo Allah.

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Adidin'ny olombelona rehetra amin'i Tompo Allah ny mitsidika ilay Trano Masina indrindra fa ho an'ireo olona manan-katao amin' izany. [ Sourat al Imran : 97 ] Ny Hajj dia ho an'ireo rehetra hita fa manan-katao amin'ny fanatanterahana an'izany, ka tanterahin'olona iray indray mandeha ihany eo amin'ny fiainany, ka izany dia fametrahana fikasana sy finiavana fa hitodi-doha ho any amin'ny tany masina amin'ny fanatan-terahana ireo fomba masina rehetra ara-mpinoana any amin'ny tanàn'ny Makka ka ny fanaovana sy fanatan-terahana an'izany karazampanompoana izany dia amin'ny fotoana voafetra ary anisany efa nanatanteraka an'i izany Hadjj izany dia i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) ary efa nisy tamin'ireo Mpaminany teo alohany ihany koa no efa nanatanteraka an'izany Hadji izany, ary nodidiany Tompo Allah sy nobekoiny i Mpaminany Abrahama (A.s) mba hiantso ny zanak'olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny mba hanatan-teraka an' izany Hadjj izany, araka izay voalazan'i Tompo Allah ao anatin'ny Boky masina Koroany manao hoe : { Antsoy ny olona rehetra tsy an-kanavaka mba ho amin'ny fanatan-terahana ny fivahinianana masina ny ( Hadjj ), fa dia ho tonga eo aminao avokoa izy ireo, ao ny ho tonga amin'ny lafiny fam-pandehanana an-tongotra ary ao ny amin'ny alalan'ny biby fitaingenana, indrindra fa ireo izay avy lavitra fa ho tonga hamaly ny antso izy rehetra.} [ Sourat al Hajj : 27 ]

Izaho dia ahafantatra ny andrin'ny finoana ny " Imany "




Ary ny asa rehetra izay ataon'ny ratsam-batana amin'ny endrika mibaribary : tahaka ny " Soalat ", ny " Hadjj ", ny Fifadian-kanina, ary ireo ratsam-batana miafina izay misy fifandraisana amin'ny fo tahaka ny fitiavana an'i Tompo Allah sy fatahorana Azy, ary ny fametrahana toky sy fahatokisana Aminy sy ny fahadiovam-po amin'ireo asa rehetra ho Azy irery ihany.

Ary izany rehetra izany dia nofaritin'ireo manam-pahalalana fa hoe : ny Fitokisana ao Am-po, ny Fitenenana amin'ny Lela, ary ny asa ataon'ireo ratsam-batana, mitombo amin'alàlan'ny fanaovana ireo asa soa, ary mihena izany amin'ny alàlan'ny fanatan-terahana ny asa ratsy sy ny fahotana.



Ny finoana an'i Tompo Allah dia mitaky ny fanokanana Azy amin'ny maha-panabe sy mpitaiza ary mpitarimy Azy, ary tokana ihany koa Izy amin'ny lafiny maha Tompo Azy, sy amin'ireo anarany sy ny laza amambonahitrany, ary izany rehetra izany dia mitaky ireto avy :

Ny finoana sy ny fisian'ilay be fiderana sy avo ary tsitoha

Ny finoana ny maha-mpahary sy maha-panabe ary mpitaiza an'ilay avo Tsitoaha Azy, ary satria Izy no tompon'ny zava-drehetra, ary Izy irery no nahary an'izany rehetra izany sy mpanome ny anjara masoandrin'ny zavaboary rehetra ary mpandahatra sy mpandrindra ny fiainan'izy ireny.

Ny finoana amin'ny maha Tompo mendrika tompoina Azy, ary Izy irery ihany no mendrika tompoina, Izy no tokana, tsy manam-paharoa no sady tsy misy zavatra mikambana Aminy, amin'ireto : toy ny amin'ny " Soalat ", ny Fangatahana, fanaovana Sorona, sy ny fangatahana Fanampiana, Fiarovana, sy ireo karazana fanompoana maro samy hafa ihany koa

Ny finoana sy fanekena ary fan-katoavana ireo anaran'ny Tompo Allah izay tsara sy mendrika indrindra sy ireo laza amam-bonahitran'ilay avo Tsitoha izay namarininy ho an'ny tenany na koa izay namarinin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) ho an'ny tenany, ary ny fanesorana ireo zavatra izay noesoriny amin'ny tenany na koa ireo izay noesorin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) amin'ny tenany amin'ireo anarana sy laza ary vonahitra, ary tena marina fa ireo anarany sy lazany rehetra ireo dia efa mihoatra tan-teraka ny anjara-toerana avo eny izay tsara ary mendrrika indrindra ary tena marina fa tena tsy misy ny mitovy tahaka Azy ary Izy tokoa no tena maheno sy tena mahita.

Ny andriny faha-roa dia : Ny finoana an'ireo Anjely



Ary izy ireo dia zava-boary lehibe sy goavana indrindra izay tsy voadinika ary tsy voafaritra mihitsy ny ahalehibiazany sy ny isan'izy ireo afa-tsy i Tompo Allah irery ihany no mahalala ny isan'izy ireo, ary ny tsirairay amin' izy ireo dia samy manana ny laza sy vonahitra ary anarana sy asa aman-draikitra izay sahaniny izay noasain'i Tompo Allah fa ataony tsirairay amin'izy ireo, ka anisan'izany i Anjely Djibrilo (A.s) izay tompon'andraikitra amin'ny fandaisana ireo hafatra sy fanambarana mirakitra ny faminaniana izay nidina avy amin'i Tompo Allah ka mankany amin'ireo Irany sy Mpaminany.

Ny andriny faha-telo : Ny finoana ireo Boky




Ary ireo Boky avy any an-danitra izay voalazan'i Tompo Allah ao amin'ny Bokiny dia ireto avy izany :

Ny Koroany Masina : izany dia fanambarana nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a).

Ny " Zabor " na koa salamo dia nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Daodo " Davida " (A.s)

Ny andrin'ny faha-efatra : Ny finoana an'ireo Iraka

Ny fanekem-pinoana feno no sady entitra no hilazana fa tena marina i Tompo Allah dia efa nandefa ireo Iraka amin'ny vahoaka rehetra mba hiantso azy ireo amin'ny fanompoana an'i Tompo Allah tokana irery ihany izay tsy misy mpikambana Aminy, ary ny mba tsy hankatoa ireo izay tompoina an-koatran'i Tompo Allah.

Ary izy rehetra ireo dia olombelona sy vatan-dehilahy avokoa sy mpanompon'i Tompo Allah, ary tena marina fa izy ireo dia marina mahafatoky, no sady mpatahotra an'i Tompo Allah sy mendrika hitokisana, mahitsy no mpitari-dalàna amin'ny fahitsiana satria izy ireo anaty fahitsiana, nampian'i Tompo Allah amin'ny alalan'ny fanomezana ireo zavatra manamarina azy ireo toy ny fahagagana mba ho lalàna iray hitokisana azy ireo, ary tena efa nampitan'izy ireo marina avokoa ireo ireo hafatraa sy iraka izay nomen'i Tompo Allah azy ireo, ary izy rehetra ireo dia anatiny fahamarinana sy fahitsiana mazava avokoa.

Ary efa nirahina sy nifaneky ary nifanaraka fa iray ihany ny fampielezana izay nataon'izy ireo, fampielezana an'ireo zavatra mianga avy amin'ny fototry ny finoana, ary izany dia ny fanokanana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ami'ny fanompoana sy ny tsy fanakambanana Azy amin'ny zavatra hafa.

Ny andriny faha-dimy dia : Ny finoana ny fisiany Andro farany

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Allah ! dia tsy misy Tompo Zanahary hafa afa-tsy Izy Tompo Allah irery ihany ! ary Izy Tompo Allah no hamory sy hanangona ianareo amin'ny andro farany,andron'ny fitsanganana ka io andro io dia andro tsy misy ahiahy na koa fisalasalana na dia kely aza ny amin'izany. Ary iza tokoa ary no masin-teny kokoa mihoatran'i Tompo Allah ? } [ Sourat an- Nisa : 87 ]

Ny finoana feno fanekena entitra amin'ny fanatan-terahana an'ireo zava-misy fifandraisana amin'ny andro farany, amin'ireo izay rehetra nolazain'i Tompontsika Allah ilay avo Tsitoha ao anatin'ny Bokiny manan-kaja na koa izay rehetra nolazain'i Mpaminanintsika Mohammadi (s.w.a) ihany koa toy ny fahafatesan'ny olona iray, na koa ny fitsanganana amin'ny maty na ny fanangonana sy famoriana ny olombelona amin'izany andro izany, sy ny fanelanelanana izay misy, ary ny fandanjana ny asa rehetra izay vita, sy ny fitsarana, ary ny fisiany paradisa sy ny afo-be sy ny ankoatr'ireo izay tsy voalaza nefa misy fifandraisana amin'ny andro farany.

Ny andriny faha-enina dia : Ny finoana ny lahatra sy anjara tsara na ratsy

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe : { Tena marina fa ny nahary ny zava-drehetra dia Izahay hoy i Tompo Allah araka ny famerana.} [ Sourat al bakarat : 49 ]

Ny fotompinoana feno fifanekena sy fahatokisana dia manamarina fa ny zava-drehetra mitranga amin'ireo zava-boary dia fantatran'i Tompo Allah ary efa nalahatrany no sady efa nasiany fandaminany manokanany momban'izany rehetra izany, tena tokana tsy manam-paha-roa tokoa ary tsy misy mpikambana Aminy ny zava-drehetra na dia iray aza, ary izany anjara sy lahatra izany dia efa voasoratra alohan'ny nanamboaran'ny Tompo Allah ny zanak'olombelona, ary ny marina amin'ny zanak'olombelona dia fananan'izy ireo finiavana sy fikasana ary safidy, ary marina tokoa fa izy ireo no mpanatan-teraka ny asa sy fihetsika rehetra marina sy maripototra; ka nefa tena marina fa tsy ho tafavoaka izany rehetra izany raha tsy avy amin'ny fahalalan'i Tompo Allah sy ny safidy sy fanekena avy Aminy.

Fa ny finoana ny lahatra syy anjara dia mihainga avy amin'ny zavatra efatra :

Ny faha-roa dia : Ny finoana fa efa voasoratra sy efa voarakitran'i Tompo Allah avokoa ny hatrizay sy ny mandrakizay mandra-pahatongavan'ny andro farany.

Ny faha-telo dia : Ny finoana an'ireo izay tiany Tompo Allah sy ireo izay sitrany ka dia tsy maintsy tanteraka avokoa izany rehetra izany amin'ny heriny feno sy fahefany ka izay tiany rehetra no mandalo sy tanteraka avokoa fa izay tsy ilany ary tsy tiany kosa dia tsy tanteraka

Ny faha-efatra dia : Ny finoana marina fa i Tompo Allah dia Tompo nahary an'izao rehetra izao, fa tsy misy mpikambana Aminy tamin'ny nahariany ny zava-boariny rehetra

Hianatra fidiovana " Wozou " Aho




Ary niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : ( Izay nanatan-teraka ny fidiovana " Wozo " ka nohatsarany tokoa izany " Wozo " izany dia mivoaka amin'ny vatany avokoa ireo fahotany rehetra ).

Ka ny mpanompo iray rehefa manantona ny Tompony amin'ny fidiovana izay azo tsapain-tànana ka tsy inona akory izany fa ny fanaovana ny " Wozo ", ary ny tsy azo tsapain-tànana kosa dia ny fanatan-terahana ny fanompoana, ka tanteraina izany amin'ny fahadiovam-po ho an'i Tompo Allah, no sady atao manaraka ny sori-dàlan'i Mpaminany (s.w.a).

Ireo zavatra mitaky ny fidiovana na ny fanaovana ny " Wozo " dia ireto :

1- Ny fanompom-pivavahana " Soalat " rehetra voadidy na koa ireo izay tsy voadidy.

2- Ny fanaovana " Toawaf " izany hoe : fiodikodinana eo amin'ny lapa masina " Kaabat ".

Izaho dia hanao sy hanatan-teraka ny " Wozo " sy hisaika amin'ny rano madio.

Ny rano madio dia : ireo rano izay nidina avy any an-danitra na koa izay niboiboika avy anaty tany, ka nijanona amin'ny endriny fa tsy nioava ny iray amin'ireo endrika telo izay milaza ny toetra maha rano madio azy toin'ny lokony, sy ny tsirony ary ny fofony, izay mety manala ny fahadiovan'izany rano izany.

Ny dingana voalohany " 1 " dia : Ny fikasana ao am-po, ary ny dikan'izany dia ny hoe : fanapaha-kevitra miaraka amin'ny fanetren-tena fa hanao sy hanatan-teraka ny fanompoana mba fomba iray hanakaikezana an'i Tompo Allah.

Ny dingana faharoa " 2 " dia : Ny fanasana ny fela-tànana roa.

Ny dingana fahatelo " 3 " dia : Ny fanotsanam-bava amin'ny alalan'ny rano.

Ny fanotsanam-bava dia: fampidirana ny rano ao am-bava sy ny fanodikodinana izany ao am-bava, avy eo avoaka arina aty ivelany.

Ny dingana faha-efatra " 4 " dia : Ny fanadiovana ny orona.

Ny fanadiovana ny orona dia : fisintonana ny rano ao anaty orona amin'ny alàlan'ny fakana aina ka hatramin'ny faran'ny orona.

Avy eo famoahana izany rano izany amin'ny alàlan'ny fanisinan-delo avy amin'ny orona na koa ankoatr'izany amin'ny fihainàna.

ka ny fetran'ny tarehy dia :

Ary ny " Bayad " dia manomboka : eo anelanelan'ny " Anzhar " sy ny sofina.

Ary ny " Anzhar " kosa dia : ny volo izay eo amin'ny taolana mipoitra, mifanitsy amin'ny lavaky ny sofina farany mankany amin'ny ati-doha, ary midina avy eo amin'ny takelaky ny sofina ary ny " Bayad " dia ny eo anelanelan'ny Anzar sy ny sofina.

Ary tahakan'izany koa ny fanasana ireo volo be izay eo amin'ny somotra sy ny volo kely izay miseho ireny.

Ny dingana faha-enina " 6 " dia : Ny fanasana ny tànana roa miatomboka amin'ny tendron'ny ratsan-tànana roa ka hatramin'ny kio roa.

Ary ny fanasana kio roa dia voadidy ihany koa fa tsy maintsy ary Obligatoara ny fanasana azy.

Ny dingana faha-fito " 7 " dia : Ny fisafona ny loha miaraka sofina roa amin'ny alàlan'ny tànana roa ka atao indray mandeha ihany izany.

Miatomboka amin'ny voalohan'ny loha ka hatramin'ny hatoka afara ary averina any aloha indray mandeha ihany koa.

Ary ampidirina ao anaty sofina roa ny fanondro roa.

Ary ny anki-be roa atao ivelan'ny sofina roa, ka safoina tsara amin'izany ny ivelany sofina sy ny ao anatiny.

Ny dingana faha-valo " 8 " dia : Ny fanasana tongotra roa miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra roa ka hatramin'ny kitro tongotra roa, ary izany dia tafiditra amin'ny lalàn'ny fanaovana " Wozo ".

Ny kitro roa dia taolana roa izay mivoaka be ety ambanin'ny ranjo.

Ireo zavatra manimba ny " Wozo " :

1- Ireo zavatra mivoaka eo amin'ny lalana roa toy ny pipy sy tay ary hetotra sy ny tsiron'aina, ary ny rano izay mivoaka alohany izany tsiron'aina.

2- Fahaverezan-tsaina na amin'ny alàlan'ny torimaso lalina, na koa torana, na koa mamo, na koa adala.

3- Ireo rehetra izay nametrahana didy fa tsy maintsy mitaky ny fisehana dia manimba toy ny fivoahan'ny tsiron'aina na ny fadim-bolana, ary ny lio aorian'ny fiterahana

Rehefa manatanteraka ny fivoahana ny Olona iray ka nomoaka ny lotony dia voadidy io olona io fa tsy maintsy hanala an'izany loto izany na amin'ny alàlan'ny rano madio izay tena tsara amin'ny fomba fahadiovana, na koa ankoatry ny rano na amin'ireo zavatra mety ahafahana manala an'izany loto izany toy ny vato sy ravin-kazo na ravi-damba na zavatra hafa ankoatran'izany, ary ny fomba mety amin'ny fanatan-terahana an'izany dia ny famafana ny loto misy in-telo miantoana na mihoatra an'izany fa ny tena tanjona dia ny ahatonga ny Olona ao anatiny fahadiovana, ka ny fanadivana dia mety mampiasa ireo zavatra madio hafaka ampiasana amin'ny fahadiovana.

Ny fisafona ny bakiraro sy ny kiraro hoditra

rehefa mitafy ny bakiraro sy kiraro hoditra dia afaka atao ny misafo eo ambonin'izy roa ireo ka tsy mitaky ny fanasana tongotra roa akory izany, fa misy ireo fe-petra tsy maintsy hajaina sy arahina ka dia ireto avy izany :

1- Ny fisikinana azy roa aorian'ny fidiovana amin'ny loto kely sy lehibe sy fanasana ny tongotra.

2- ary tokony madio izy roa fa tsy maloto tsy mila misy nadjisy

3- ary ny fisafoana azy dia mbola mila ao anaty fe-potoana izay azo hisafoana azy.

4- takiana ny tokony halaly fa tsy akory halatra na koa noravana ilay izy.

Ny " Khoffany " dia kiraro hoditra manify izay tafiana sy ireo kiraro izay mahavita mandrakotra ny tongotra roa.

yN " Djaorabany " dia ravin-damba na ba-kiraro tafiana na koa ankoatr'izany.

Anisany lesona sy antony manokana maha mety ny fisafoana amin'ny kiraro hoditra dia izao :

Ny antony maha mety ny fisafoana amin'ny kiraro hoditra dia ny mba hanamaivana sy hanamora ny mpino Islam amin'ny raharaha ara-pinoana, ho an'izay mavesatra amin'izy ireo ny fanalana ny kiraro na koa ny fanalana ny ba-kiraro ka hanasa ny tongotra, indrindra rehefa amin'ny fotoanan'ny ririnina sy nintsy mafy, sy rehefa manatan-teraka ny fivoahana any ivelan'ny tanàna.

Fe-potoana anaovana ny fisafoana dia ireto avy :

Ny eto an-toerana dia : atao andro aman'alina (24 ora).

fa ny tsy eto an-toerana kosa dia : telo andro aman'alina ( 72 ora).

ary atomboka ny fe-potoany rehefa nisafo voalohany ny kiraro hoditra na koa ny ba-kiraro aorian'ny loto izay nitranga .

fomba fanatanterahana ny fisafoana ny kiraro hoditra sy ny ba-kiraro dia izao :

1- Lemana ny tànana roa.

2- Ampandalovina ny tànana eo ambonin'ny tongotra roa ( miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra ka hatramin'ny tongotra ).

3- Safoina ny tongotra an-kavanana amin'ny tànana an-kavanana ary ny tongotra an-kavia amin'ny tànana an-kavia.

Ireo zavatra manimba ny fisafoana dia :

1- ireo zavatra rehetra hita fa mitaky ny fisehana " Fandroana ".

2- ny fahataperan'ny fotoana ny fisafoana.

Fisehana " Fandrona "

Raha toa ka ny lahy sy ny vavy nanatan-teraka ny firaisana ara-nofo, na koa nisy fivoahan'ny tsiron'aina avy amin'izy roa na avy nifoha amin'ny toromaso tsotra izany dia tsy maintsy man-dro sy miseky izy ireo mba ahafahan'izy roa manatan-teraka ny fanompoam-pivavahana Soalat sy ireo zavatra izay mitaky ny fahadiovana, ary tahakan'izany koa ny vehivavy rehefa tapitra ny fadim-bolanany sy ny lio aorian'ny fiterahana dia voadidy Aminy ny man-dro alohany ahafahany manatan-teraka ny fanompoam-pivavahana Soalat sy ireo zavatra mitaky an'izany fahadiovana izany.

Ny fomba fanatanterana ny fisekena sy fandrona dia tahak'izao :

Lemasan'ny mpino iray ny vatany manotolo amin'ny rano amin'izay fomba rehetra hanaovany azy, fa mila voarakitra rano avokoa ny vatana ka anisan'izany ny fanotsanam-bava sy ny fandemana ny orona, rehefa lena tanteraka ny vatany dia efa miala aminy ny loto lehibe ary vita ny fahadioavany.

Tsy azo ataon'ny olona misy " Djanaba " izany hoe olona nivoahan'ny tsiron'aina ireto zavatra ireto afa-tsy hoe avy nisaika sy nandro :

01- Ny Soalat na koa ny fanompom-pivavahana

02- Ny fanaovana " Toawaf " iizany hoe fiodikodinana eo amin'ny lapa masina ny " Kaabat "

03- Ny fijanonana ao amin'ny moskiriny dia tsy azo ataony, fa ny mandalo fotsiny kosa nohony atony manokana dia azony atao

04- Ny fitsapana na ny fitazomana ny Boky masina Koroany dia tsy azo ataony

05- Ny famakiana ny Boky masina Koroany tsy mitazona azy dia mety

" TAYAMMOM " ny Fidiovana amin'ny tany na amin'ireo zavatra avy amin'ny tany

Raha toa ka sendra tsy nahita rano ny mpino iray mba anadiovany ny tenany na koa tsy afaka mampiasa ny rano nohon'ny aretina na mety an-koatran'izany ka mety atahorany ny tsy ahatratra ny fotoam-pivavahana dia mety manatanteraka ny " Tayammom " amin'ny alalan'ny fotaka.

Fomba fanaovana azy dia kampohina na pehana indray mandeha amin'ny tany ny tànana roa avy eo safoina amin'ny tarehy sy ny fela-tànana roa ihany koa , ka voadidy ny tany na fotaka no hanaovana azy fa mila madio.

Manimba ny " Tayammom " ireto zavatra manaraka ireto :

1- Manimba ny " Tayammom " dia ireo zavatra rehetra mety manimba ny Wozou.

2- rehefa mahita rano alohan'ny hanomboka ny fanompoana izay nahavitana " Tayammom " dia simba tsyy manan-kery izy

Nodidin'i Tompo Allah ary nobaikonyy amin'ireo mpino mpanaraka ny finoana Islam ny manatan-teraka ny fanompom-pivavahana Soalat in-dimy isan'andro aman'alina, ary izany dia ny Soalat Fadjr, A-Zohr, A-nsr, M-aghrib, I-nsha

Hanomana hanao ny Soalat Aho.

Rehefa miditra ny fe-potoam-pivavahana dia midio manao fidiovana ny mpino iray amin'ny fidiovana kely sy fidiovana lehibe raha toa ka maloto amin'ny loto lehibe izy

Ny loto lehibe dia : izay zavatra mitaky amin'ny mpino iray ny fanatanterahana ny fisehana " Fandrona "

Ny loto kely dia : izay zavatra mitaky ho an'ny mpino iray ny fanatanterahana ny Wozou.

Manatanteraka Soalat ny mpino iray amin'ny lamba madio, amin'ny toerana madio, fa tsyy amin'ireo toerana na zavatra misy najisy na koa maloto no sady tsy maintsy manafina ny henany " henatra "

Mahazo mihaingo ny mpino iray amin'ny lamba mendrika amin'ny fotoan'ny Soalat ary takomany amin'izany ny vatany, ary tsy azo ataon'ny lehilahy ny mamoaka ny manelanelan'ny foetrany sy ny lohaliny rehefa manatan-teraka ny Soalat.

Tsy maintsy ataon'ny vehivavy ny manafina ny vatany rehetra rehefa manatan-teraka ny Soalat afa-tsy ny tarehy sy ny fela-tànana roa ihany no mahazo mivoaka.

Tsy azo atao ny miteny anaty fanompoam-pivavahana Soalat ankoatran'ireo teny izay efa voatokana ny amin'izany, fa ny tsirairay dia mangina avokoa fa mihaino ny mpitarika " Imamo ", ary tsy mitoditodiika rehefa ao anatiny fanaovana Soalat, fa raha sendra tsy mahavita mitandrina na tsy mahafantatra ireo teny tokony ho lazaiina amin'ny Soalat dia manatan-teraka ireo " Zikr " sy " Tasbih " mandra-pahataperan'ny Soalat, ary tsy maintsy ataony tsirairay ny mianatra haingana ny fomba fanaovana ny Soalat sy ireo teny rehetra ao anatiny.

Hianatra fanompom-pivavahana izay atao hoe Soalat Izaho

Dingana 1 : Ny fikasana sy ny finiavana ao am-po ho an'ny Soalat izay voadidy fa tsy maintsy ho tanterahina, ary ny toerana hametrahana an'izany fikasana izany dia ao am-po.

Rehefa avy manao sy manatan-teraka ny fidiovana Wozou Aho dia avy hatrany mitodika any amin'ny lapa masina ny " Kiblat ",no mitsangana manatanteraka ny Soalat.

Dingana 2 : Ampiakariko ny tanako roa ka ataoko mifanitsy mahitsy tsarra amin'ny soriko ary miteny Aho hoe : " Allah Akbar " mikasa hiditra anaty Soalat.




Ka avy eo dia vakiko aorian'ny Sourate al fatihat izay Sourate maivana Amiko ao anaty Boky masina Koroany ao anatin'ny rakat voalohany sy faha-roa ihany amin'ireo Soalat rehetra, ary izany dia tsy voatery fa ny fanatanterahana azy dia azahoana valisoa lehibe.

Dingana 6 : Miteny: ( Allah Akbar ) avy eo manao fiondrehana " Rokon " ka ny lambosina atao mahitsy tsara amin'ny hatoko ka misaraka ireo ratsa-tanako, avy eo miteny hoe : ( Soubhàna Rabby-al Anzhim ) Aho amin'ny " Rokon ".

Dingana 7 : Miakatra avy ao amin'ny " Rokon " Aho ka miteny hoe : ( Samiallaho Liman Hamidah ) sy mampiakatra ny tanako mifanitsy tsara amin'ny soriko, rehefa mahitsy tsara ny vatako eo am-pitsanganana dia miteny hoe : ( Rabbana Walakal Hamdo ).

Dingana 8 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miankohoka amin'ny fela-tànana roa, lohalika roa, ny tongotra roa, ny handrina sy ny orona, ary milaza sy miteny hoe : ( Soubhana Rabbyal Anlà ) amin'ny fiankohofana.

Dingana 9 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miandra avy amin'ny fiankohofana ka mahitsy tsara ny lambosiko sy mipetraka amin'ny tongotro an-kavia ka ajoro ny tongotro an-kavanana, ary miteny hoe : ( Rabby ighfirly ).

Dingana 10 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miankohoka indray tahaka ny fiankohofana tamin'ny voalohany teo ihany.

Dingana 11 : Miandra avy amin'ny fiankohofana ka miteny hoe : ( Allah Akbar ) sy mitsangana mahitsy tsara, ka ataoko tahakan'ny tamin'ireo rakat sisa mitovy amin'ny rakat voalohany.



Dingana 12 : Aorian'izany dia manao ny " Salam " amin'ny an-kavanana, ka miteny hoe : ( As-salam Anlaikom wa Rahmatollahy ) ary manao salam koa amin'ny an-kaviako, ka miteny hoe : ( As-salam Anlaikom wa Rahmatollahy ) mikasa ny hivoaka amin'ny Soalat, ka amin'izany rehetraa izany dia efa nahavita nanatanteraka tokoa ny Soalat ny tenako.

Hidjab " Saron-doha sy vatana " ho an'ireo vehivavy mpino mpanaraka ny finoana Islam



Ary ny vehivavy mpino Islam dia mitandro sy manatanteraka ireo fe-petra rehetraa izay takiana amin'ny fomba fitafiany manotolo ka ireto avy izany :

Voalohany : Ny fandrakofana tanteraka ny vatana rehetra

Faha-roa : Tsy tokony hita na atao ho misy haingo ny lamba izay tafiana.

Faha-telo : Tsy tokony amin'ny endrika manify izay mety hamoaka na ahatazanina ny vatana ilay fitafy hanaovana

Faha-efatra : Tokony amin'ny endrika malalaka ny fittafy fa tsy tery ka lasa mamoaka ny endrika

Anisan'ny toetoetran'ny mpino izany

Marina tokoa Izy eo amin'ny resany ary tsy mba mavandy na mandainga

Tena mpanatanteraka an-tsakany sy an-davany ireo fifanekena sy fampanantenana izay efa natao

Tsy mba manao ny haratsiana rehefa anatiny mihady hevitra

Mamerina ireo toky izay efa nifanomezana

Mankatia ho an'ny namany Islamo ireo zavatra izay tiany ho an'ny tenany

Malala-tànana no sady tsara fanahy

Rady sy man-kasitraka amin'ireo lahatran'i Tompo Allah ary tena mbola man-kasitraka ihany koa rehefa anatin'ny fahasambarana ary afaka miaritra rehefa anatin'ny fasahiranana

Mahalala menatra

Madio fo Izy ary tsy manana ny lolom-po ary ny ratsam-batany avokoa dia madio tanteraka amin'ny fampifahavaloana amin'ireo izay an-koatrany

Mamela helok'olona

Tsy mihinana zana-bola ary tsy manao ny fiara-miasa amin'izany

Tsy mijangajanga

Tsy misotro toaka

Manao soa sy hatsarana amin'ireo mpiara-belona

Tsy mikatramo ny hafa ary tsy manao ny tsindry hazo lena ary tsy mba mamitaka

Tsy mangalatra no sady tsy manambaka

Hendry sy manao soa amin'ireo Ray aman-dReny, na dia tsy mpino aza izy ireo, ary hendry sy manaraka azy ireo amin'ny hatsarana.

Mitaiza sy mitarimy ireo zanaka amin'ny hatsarana, ary mibaiko azy ireo amin'ny didy voaray sy napetran'ny finoana Islam ary mandrara azy ireo amin'ireo haratsiana sy ireo zavatra izay efa voarara ny lalana

Tsy manao zavatra mitovy tahaka an'ireo fihetsika na asa na fomba amampanaon'ireo vahoaka tsy mpino tsy mpanaraka ny finoana Islam amin'ny lafiny ara-mpinoana na koa hoe fanompoana na fombafomba mahazatra izay netim-paharazana ka lasa mampiavaka azy ireo no lasa fomba manokana ho azy ireo




Ka noharian'i Tompo Allah isika eto ambonin'ny tany amin'izao tonlo izao amin'ny antony manokana fa tsy hoe nohariany ho zava-poana izy ireo ny antony dia ny fahatongatsika avy hanompo Azy ilay tokana,tsy manam-paharoa izay tsy misy mpikambana Aminy, ary nametraka ireo lalàna voajanahary izay feno sy mamehy ny fiainan-tsika rehetra amin'ny endrika an-kapobeny izany na an-tsipiriany, ary narovan'izany lalàna marina izany ireo zava-drehetra eto amin'ny fiainana,ka tafiditra amin'izany ny finoana sy ny vatana ary ny fanahy sy ny hasina ny saina, ary ireo harena, sy ireo izay mivelona amin'ireo raharaha ara-pinoana ihany koa ka mitandrina ny tsy hanao ireo zavatra voarara satria efa voaharo avokoa amin'ireo ratsy rehetra no sady mihaina ao anatin'ny fahasambarana feno fitoniana eo amin'ny fiainana ka tsy misy tebiteby na ahiahy

Ity tokoa no ilay fifandraisana tenaa goavana sy lehibe indrindra izay maneho endrikin'ny fahatokanana izay mitarika amin'ny fakana sy fandraisana ny fahasoavana amin'ny fanompoan'ilay be fiantrana, ary mampitsiriritra ny amin'ny fihaonana ny mba ahitana Azy, ary mampanidina ny fony ao an-danitry ny fahasambarana sy fiadanana amin'ny fahatsapany ny tsiron'izany finoana izany.

Eny fa raha mahatsapa ny olona iray fa ny Tompo nahary Azy no eo akaikiny, ary fantany ihany koa ireo anaran'ny Tompony sy ireo Laza tsara manoloana ny mpari-toetrany, ary mitsanga manompo Azy tahaka ny hoe mahita Azy eo anatrehany, ary tena manadio tanteraka ny fony amin'ny fanompoana ny Tompony, ary ny fanompoany dia tsy ataony amin'ny antony zavatra hafa fa ho an'i Tompo Allah irery ihany tsy misy mikambana Aminy, ka lasa mihaina ao anaty fiainana tsara feno fahasambarana eto an-tany ary tsara fiafaràna ihany koa any an-koatra.

Na dia eo aza ireo loza sy olana maro samy hafa izay mianjady amin'ireo mpino eto an-tany, ka ny hafanan'izany dia esorin'ny nintsin'ny fahatokisana feno fitoniana ary rady sy mankatoa tanteraka amin'ireo lahatra sy anjara rehetra izay napetrany Tompony, ary mbola misotra sy mankasitraka ary midera Azy ihany koa amin'ireo lahatra sy anjara na tsara na ratsy, ary tena rady sy mankato tanteraka an'izany rehetra izany.



Ary i Tompo Allah anie no handefa ny tsodrano sy fahombiazana ary ny fiadanana feno fandrimpahalemana ho an'ilay mpanompony sady Irany, i Mpaminanintsika Mohammad (s.w.a), sy ireo fianakaviany ary ireo mpiara-dia taminy sy ireny izay nanaraka Azy amin'ny endrika tsara.

Tapitra.

Fanoroam-pejy ho an'ny lohateny

Ny laharana

Lohateny

Ny pejy

Fiverenana amin'ny fonim-boky

Fifindrana amin'ny fanamariam-pejin'ireo lohateny

Mikambana Aminay amin'ny lesona Azonao amin'ilay Boky

Mandrosoa mba hiditra amin'ny tranokala

Boky fatao ho an'ny finday

Tsindrio raha toa ka hifindra eo amin'ny lohateny

Tsindrio eo amin'ny sary raha hiverina amin'ny fonim-boky

Raiso ka fafao ny " Bare code "

Fampisehoana ny fampianarana amin'ny alalan'ny ( power point )

Vokatry ny hetsika

Boky natao printy

Boky finday

Tranokala

Fampisehoana power point

Kopia manokana ho an'ny finday





















TARI-DALANA MAHASOA HO AN'NY IREO MPINO SILAMO VAOVAO

Teny fanolorana sy fanokafana

34- Azy irery ihany ireo anarana tsara rehetra sy ireo avo indrindra izay napetrany ho an'ny tenany manokana ary napetrakin'ny Mpaminaniny (s.w.a) ho Azy ihany koa, ka izany rehetra izany dia milaza tanteraka ny fahafenoany sy ny hatsarany rehetra, ka tsy misy mihitsy ny tahaka Azy ary Izy tokoa no tena Maheno sy Mahita.

ilay tena Maheno : izay midika fa hoe : Izy Tompo Allah no mahatsapa sy mahatakatra ary mahalala an'izao rehetra izao na ny miafina izany na ny mibaribary.

Ny hafany sy hafatr'ireo Mpaminany rehetra teo alohany dia ny fitaritana ny rehetra amin'ny fanompoana an'i Tompo Allah tokana tsy misy mpikambana Aminy.

Ny Boky masina Koroany ilay feno haja amambonahitra satria dia tenin'ny Tompoko Allah

Ny andriny faha-telo dia : Famoahana ny " Zakat " ampahan'ny harena

Ary amin'ny fanatan-terahana izany dia ho feno hinakinaka sy feno tambitamby ny olona iray, ary ny tanjona amin'izany dia ny fanadiovana tanteraka ny toetran'ny mpino Islam sy ny harenany, ary hampifalifaly ny fon'ireo mahantra sy ireo sahirana, ary fanatanjahana ny fifankatiavana sy ny firalahina manoloana ny fiarahamoninan'ny vahoaka mpino Islam, ka noho ny amin'izany ny mpino Islam mpanao asa soa dia mamoaka izany amin'ny hatsarana ka lasa mahasambatra ny fony ny fanatan-terahana an'izany, satria mampiditra fahasambarana ho an'ny hafa.

Ary voadidy tahaka izany koa ny famoahana ny " Zakat " amin'ireo olona izay manana biby fiompy tahaka ny ( rameva, omby, ondry sy osy ), raha toa ka mihinana bozaka amin'ny tany mandava-taona sy tsy ampisakafon'ny tompony.

Ny andriny faha-efatra dia : fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany.

Ny andry faha-dimy dia : fivahiniana masina any amin'ny tranon'i Tompo Allah.

Ary izany rehetra izany dia nofaritin'ireo manam-pahalalana fa hoe : ny Fitokisana ao Am-po, ny Fitenenana amin'ny Lela, ary ny asa ataon'ireo ratsam-batana, mitombo amin'alàlan'ny fanaovana ireo asa soa, ary mihena izany amin'ny alàlan'ny fanatan-terahana ny asa ratsy sy ny fahotana.

Ny Koroany Masina : izany dia fanambarana nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a).

Ny " Zabor " na koa salamo dia nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Daodo " Davida " (A.s)

Ny andriny faha-dimy dia : Ny finoana ny fisiany Andro farany

Ny andriny faha-enina dia : Ny finoana ny lahatra sy anjara tsara na ratsy

2- Ny fanaovana " Toawaf " izany hoe : fiodikodinana eo amin'ny lapa masina " Kaabat ".

Ny rano madio dia : ireo rano izay nidina avy any an-danitra na koa izay niboiboika avy anaty tany, ka nijanona amin'ny endriny fa tsy nioava ny iray amin'ireo endrika telo izay milaza ny toetra maha rano madio azy toin'ny lokony, sy ny tsirony ary ny fofony, izay mety manala ny fahadiovan'izany rano izany.

Avy eo famoahana izany rano izany amin'ny alàlan'ny fanisinan-delo avy amin'ny orona na koa ankoatr'izany amin'ny fihainàna.

ka ny fetran'ny tarehy dia :

Ary ampidirina ao anaty sofina roa ny fanondro roa.

1- Lemana ny tànana roa.

Fisehana " Fandrona "

2- rehefa mahita rano alohan'ny hanomboka ny fanompoana izay nahavitana " Tayammom " dia simba tsyy manan-kery izy

Dingana 9 : Miteny ( Allah Akbar ) ary miandra avy amin'ny fiankohofana ka mahitsy tsara ny lambosiko sy mipetraka amin'ny tongotro an-kavia ka ajoro ny tongotro an-kavanana, ary miteny hoe : ( Rabby ighfirly ).

Dingana 11 : Miandra avy amin'ny fiankohofana ka miteny hoe : ( Allah Akbar ) sy mitsangana mahitsy tsara, ka ataoko tahakan'ny tamin'ireo rakat sisa mitovy amin'ny rakat voalohany.

Mahalala menatra

Tsy manao zavatra mitovy tahaka an'ireo fihetsika na asa na fomba amampanaon'ireo vahoaka tsy mpino tsy mpanaraka ny finoana Islam amin'ny lafiny ara-mpinoana na koa hoe fanompoana na fombafomba mahazatra izay netim-paharazana ka lasa mampiavaka azy ireo no lasa fomba manokana ho azy ireo

Raiso ka fafao ny " Bare code "