×
NY FOTO-PINOANA MARINA SY IZAY MIFANOHITRA AMINY ARY IREO ZAVATRA MANAFOANA NY FINOANA ISLAM.

NY FOTO-PINOANA MARINA SY IZAY MIFANOHITRA AMINY ARY IREO ZAVATRA MANAFOANA NY FINOANA ISLAM.

Nisoratan'i

Sheikh hajaina ABDOUL AZIZ BIN ABDOULLAH BIN BAZ

Amin'ny anaran'i Allah, ilay Be indrafo, ilay Be fiantrana

TENY FAMPIDIRANA

Dera sy vonahitra ary fisaorana feno fankasitrahana no hatolotra an'i Allah Ilay tokana tsy manam-paharoa, ary tsodrano sy fandriam-pahalemana anie ho an'ilay tsy misy mpaminany intsony aoriany, sy ho an'ny finakaviany ary ireo mpanara-diany.

Manarak' izany : Raha toa ka ny foto-pinoana marina no loharanon'ny fivavahana silamo sy fototry ny finoana, dia hitako fa izany no tokony ho lohahevitry ny famelabelarana. Fantatra amin'ny alàlan'ny porofo ara-dalàna ao amin'ny boky masina kor'any sy ny Sonnat (fomba amam-panaon'ny mpaminany) fa ny asa natao sy ny teny nolazaina dia mety ary azo raisina raha ohatra ka niainga avy amin'ny foto-pinoana marina. Fa raha toa ka ny foto-pinoana no tsy marina dia simba avokoa izay sampana rehetra avy aminy, toy ny asa atao na teny lazaina, araka ny tenin'i Allah manao hoe:

﴿الْيَوْمَ أُحِلَّ لَكُمُ الطَّيِّبَاتُ وَطَعَامُ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ حِلٌّ لَكُمْ وَطَعَامُكُمْ حِلٌّ لَهُمْ وَالْمُحْصَنَاتُ مِنَ الْمُؤْمِنَاتِ وَالْمُحْصَنَاتُ مِنَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ مِنْ قَبْلِكُمْ إِذَا آتَيْتُمُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ مُحْصِنِينَ غَيْرَ مُسَافِحِينَ وَلَا مُتَّخِذِي أَخْدَانٍ وَمَنْ يَكْفُرْ بِالْإِيمَانِ فَقَدْ حَبِطَ عَمَلُهُ وَهُوَ فِي الْآخِرَةِ مِنَ الْخَاسِرِينَ٥﴾ (Androany dia azonareo hohanina daholo ireo sakafo tsara sy madio. Ary ny sakafon'ireo izay nomena ny boky dia azonareo hohanina koa, ary ny sakafonareo dia azon'izy ireo hohanina ihany koa. Ary azonareo atao ny manambady vehivavy madio fitondran-tena amin'ireo mpino silamo, sy ireo vehivavy madio fitondran-tena avy amin'ireo izay nomena ny boky talohanareo, raha nomenareo azy ireo ny vodiondriny, eo am-panatanterahana ny vadiana ara-dalàna fa tsy amin'ny fijanganjangana, na amin'ny fisakaizana. Ary na iza na iza mitsipaka ny finoana dia efa foana daholo ny asany, ary izy dia anisan'ny matiantoka amin'ny fiainana any ankoatra).

[AL-MAIDA : 5].

Ary niteny ilay Avo indrindra :

﴿وَلَقَدْ أُوحِيَ إِلَيْكَ وَإِلَى الَّذِينَ مِنْ قَبْلِكَ لَئِنْ أَشْرَكْتَ لَيَحْبَطَنَّ عَمَلُكَ وَلَتَكُونَنَّ مِنَ الْخَاسِرِينَ٦٥﴾ "Efa nambara taminao sy tamin'ireo izay talohanao hoe : "Raha mampikambana an'i Allah amin'ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka tsy maintsy ho anisan'ireo matiantoka ianao".

(Az-zoumar: 65).

Betsaka ny andinin'ireo soratra masina izay mitovy dika amin'izany ary ny Bokin'i Tompo Allah ilay mazava tsara sy ny Sounna-n'ny Mpaminany (s.w.a) ilay azo antoka no efa nanambara fa ny foto-pinoana marina dia fintinina amin'ny finoana an'iTompo Allah, sy ny Anjeliny, ny Bokiny, ny Irany, ny Andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy amin'izany. Ireo zavatra Enina ireo no fototry ny foto-pinoana marina, izany no noentin'ny Bokin'i Tompo Allah nidina, ary noho izany no nandefasan'i Tompo Allah ilay Irany MouhammadI (s.w.A),

Ary tena miainga avy amin'izany fototra rehetra izany avokoa ireo sampana rehetra izay tsy maintsy hinoana momban' ireo zavatra rehetra tsy hita maso, sy izay rehetra nolazain'ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a),ka ireo porofon'ireo fototra Enina ireo dia ao amin'ny Boky masina Koroany avokoa sy ny ao amin'ny Sounna dia tena maro ihany koa, ka anisan'izany ilay Tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿لَيْسَ الْبِرَّ أَنْ تُوَلُّوا وُجُوهَكُمْ قِبَلَ الْمَشْرِقِ وَالْمَغْرِبِ وَلَكِنَّ الْبِرَّ مَنْ آمَنَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ وَالْمَلَائِكَةِ وَالْكِتَابِ وَالنَّبِيِّينَ﴾ ( Tsy midika ny fitodihan'ny tavanareo any atsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana fa ny tena hatsarana, dia eo amin'izay mino an'i Tompo Allah, sy ny Andro farany, ary ireo Anjely, sy ny Bokiny, ary ireo Mpaminany ihany koa ).

[ Sourate Al-Bakarat: 177 ]

Ny fanambarana sy ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿آمَنَ الرَّسُولُ بِمَا أُنْزِلَ إِلَيْهِ مِنْ رَبِّهِ وَالْمُؤْمِنُونَ كُلٌّ آمَنَ بِاللَّهِ وَمَلَائِكَتِهِ وَكُتُبِهِ وَرُسُلِهِ لَا نُفَرِّقُ بَيْنَ أَحَدٍ مِنْ رُسُلِهِ﴾ ( Nino izay nampidinina Taminy avy tamin'ny Tompony ny Iraka, ary koa ireo vahoaka mpino dia samy nino an'i Tompo Allah avokoa izy rehetra, mino an'ireo Anjeliny sy ireo Bokiny, ary ireo Irany).

[ Souratoule Al-Bakarat : 285 ].

Ary ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا آمِنُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ وَالْكِتَابِ الَّذِي نَزَّلَ عَلَى رَسُولِهِ وَالْكِتَابِ الَّذِي أَنْزَلَ مِنْ قَبْلُ وَمَنْ يَكْفُرْ بِاللَّهِ وَمَلَائِكَتِهِ وَكُتُبِهِ وَرُسُلِهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَقَدْ ضَلَّ ضَلَالًا بَعِيدًا١٣٦﴾ " Ô Ianareo izay nino ! Minoa fatratra an'i Tompo Allah sy ny Irany Ianareo, ary ny Boky izay nampidininy tamin'ny Irany, ary ny Boky izay nampidininy tany aloha tany ihany koa, ka izay tsy nino an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo Irany ary ny Andro farany, dia lazaina fa tena very làlana lavitra tokoa ".

[ Soratoule An-Nisà: 136 ].

Ary ilay Tenin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoa manao hoe :

﴿أَلَمْ تَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ مَا فِي السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ إِنَّ ذَلِكَ فِي كِتَابٍ إِنَّ ذَلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرٌ٧٠﴾ " Moa ve tsy fantatrao fa i Tompo Allah no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? ka izany rehetra izany dia voarakitra avokoa ao anaty Boky, ary tena mora tokoa amin'i Tompo Allah izany ".

[ Souratoule AL-HADJY : 70 ]

Fa ny Hadithe marina izay milaza ireo fototra ireo dia tena betsaka, ary isan'izany ilay Hadithe marina fanta-daza izay notaterin'i Mouslim (R.h) ao amin'ny Bokiny antsoina hoe Soahihy, iray amin'ny Hadîthe-n'ilay Mpitarika ny vahoaka Mpino mpanaraka ny finoana Islamo Oumar bin Khatwab (R.d), rehefa nanontany i Djibril (A.s) an'ny Mpaminany (s.w.a) momba ny finoana (Iman) ka namaly Izy manao hoe :

" Ny Iman (foto-pinoana) dia ny finoanao an'i Tompo Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo Irany, ny Andro farany ary finoanao ny lahatra sy Anjara na tsara na ratsy amin'izany ".

Notaterin'i Boukhari sy Mouslim (R.h), Hadithe azo avy tamin'i Abi Hourayra (R.d).

reo fototra Enina ireo : dia avy ao Aminy daholo no nipoiran'ny rantsana rehetra izay tsy maintsy hinoan'ireo vahoaka Mpino momba an'i Tompo Allah, sy fiainana any ankoatra ary ny hafa ankoatran'izany amin'ireo zava-miafina rehetra.

Ny finoana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha :

Ny finoana sy fanekena fa i Tompo Allah irery ihany no Tompo marina izay mendrika ho tompoina ka tsy misy ankoatra Azy.

Ka anisan'ny finoana an'i Tompo Allah ny finoana fa Izy irery ihany tsy misy hafa an-koatrany no Tompo marina mendrika ho Tompoina, noho Izy Mpahary ireo mpanompo, sy manasoa azy ireo, manome ny anjara masoandron'izy ireo, sy mahalala ny zava-miafin'izy ireo ary izay abaribariny, ary manana ny fahefana hamaly soa ny mpankatoa amin'izy ireo sy hanasazy ny mpikomy ka noho izany fanompoana izany no nanamboaran'i Tompo Allah ny Djiny sy ny Zanak'olombelona, ary nodidiny hanatanteraka izany izy ireo, araka ny tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿وَمَا خَلَقْتُ الْجِنَّ وَالْإِنْسَ إِلَّا لِيَعْبُدُونِ٥٦﴾ " Ary tsy nohariako ny Djiny sy ny Olombelona, afa-tsy hanompo Ahy irery ihany ".

[Souratoule Az-Zàryàte : 56].

﴿مَا أُرِيدُ مِنْهُمْ مِنْ رِزْقٍ وَمَا أُرِيدُ أَنْ يُطْعِمُونِ٥٧﴾ " Tsy mila foto-pivelomana avy amin'izy ireo velively mihitsy Aho, ary Izaho ihany koa dia tsy mila azy ireo hampihinana sy hampisakafo Ahy ".

[AZ-ZARIATY : 57].

﴿إِنَّ اللَّهَ هُوَ الرَّزَّاقُ ذُو الْقُوَّةِ الْمَتِينُ٥٨﴾ " Tena marina fa hamafisina etoana fa i Tompo Allah no Mpamatsy anjaram-pivelomana rehetra amin'ny endrika mibosesika sy sesehena, Izy no Tompon'ny Hery, ary Izy ilay tsy voahozongozona ".

[AZ-ZARIATY : 58].

Ary mbola niteny ilay avo Tsitoha mandrakizay :

﴿يَا أَيُّهَا النَّاسُ اعْبُدُوا رَبَّكُمُ الَّذِي خَلَقَكُمْ وَالَّذِينَ مِنْ قَبْلِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ٢١﴾ " Ô ry Olombelona ! Tompoy ny Tomponareo izay nahary Anareo, sy ireo izay talohanareo, angamba hanam-patahorana Ianareo ".

[Souratoule Al bakarat : 21].

﴿الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ الْأَرْضَ فِرَاشًا وَالسَّمَاءَ بِنَاءً وَأَنْزَلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَخْرَجَ بِهِ مِنَ الثَّمَرَاتِ رِزْقًا لَكُمْ فَلَا تَجْعَلُوا لِلَّهِ أَنْدَادًا وَأَنْتُمْ تَعْلَمُونَ٢٢﴾ " Izy ilay nanao ny tany ho fandriana ho Anareo, sy ny lanitra ho tafo; ary nampirotsaka ranon'orana avy any an-danitra, ka namoaka avy amin'izany ireo karazam-boankazo ho anjara fivelomana ho Anareo; koa aza ampitovianareo amin'ny zavatra hafa i Tompo Allah, ary fantatrareo tokoa izany ".

[Souratoule Al Abakarat : 22].

Ary efa nalefan'i Tompo Allah ireo Iraka, ary nampidininy avokoa ireo Boky mba hanazava izany fahamarinana izany sy hiantso ny hafa mankany Aminy, ary hampitandrina ny Olona rehetra amin'izay rehetra mifanohitra amin'izany. tahaka ny teny Tompo Allah ilay Avo Tsitoa manao hoe :

﴿وَلَقَدْ بَعَثْنَا فِي كُلِّ أُمَّةٍ رَسُولًا أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَاجْتَنِبُوا الطَّاغُوتَ﴾ " Efa nandefasanay Iraka iray avokoa isakan'ireo vahoaka tsirairay nisy teto an-tany, ny mba hilaza amin'izy ireo ny hoe : " Manompoa an'i Tompo Allah Ianareo, ary alavironareo lavitra ny sampy ".

[Souratoule An-Nahl : 30].

Ary Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe :

﴿وَمَا أَرْسَلْنَا مِنْ قَبْلِكَ مِنْ رَسُولٍ إِلَّا نُوحِي إِلَيْهِ أَنَّهُ لَا إِلَهَ إِلَّا أَنَا فَاعْبُدُونِ٢٥﴾ " Tsy nandefa Iraka akory Izahay na dia iray aza talohanao, afa tsy hoe efa nambaranay Azy ny hoe : " Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho irery ihany; ka aoka hanompo Ahy irery Ianareo ! ".

[Souratoule Al-Anbya : 25].

Ary Niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :

﴿الر كِتَابٌ أُحْكِمَتْ آيَاتُهُ ثُمَّ فُصِّلَتْ مِنْ لَدُنْ حَكِيمٍ خَبِيرٍ١ (ALIF,LAM,RA. Ity dia Boky voarindra tanteraka ny andian-teniny sy voazava avokoa amin'ny fomba antsipiriany, satria avy amin'ilay be Fahendrena sy Mpahalala ny zava-drehetra.

أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا اللَّهَ إِنَّنِي لَكُمْ مِنْهُ نَذِيرٌ وَبَشِيرٌ٢﴾ Aoka Ianareo tsy hanompo afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, ary marina tokoa fa Izaho dia mpampitandrina sy mpilaza ny vaovao mahafaly avy Aminy ho Anareo ".

[Souratoule HOUD : 1- 2].

Ny tena zava-misy marina amin'io fanompoana io dia ny resaka fanokanana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin'izay fanompoana rehetra ataon'ireo mpanompony Aminy, toy : ny fangatahana sy fitalahoana ary ny tahotra sy ny fanantenana ary ny vavaka (Soalat), sy ny fifehezana, ary ny fanaovana ny sorona sy ny voady, ary ireo karazana fanompoam-pivavahana maro hafa ihany koa amin'ny endrika fiambanina tanteraka eo Aminy, sy faniriana lehibe ny (paradisa) ary ny tahotra mafy amin'ilay (afobe) miaraka amin'ny fitiavana feno Azy, ary ny fanetren-tena ho amin'ny fahalehibeazany ka ny ankabetsahan'ireo andininy soratra masina ao amin'ny Boky masina Koroany dia nidina noho ny avy amin'izany fototra lehibe izany, tahaka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿فَاعْبُدِ اللَّهَ مُخْلِصًا لَهُ الدِّينَ٢ " Ary Tompoy i Tompo Allah, ary atokano ho Azy irery ihany ny fanompoana rehetra

أَلَا لِلَّهِ الدِّينُ الْخَالِصُ﴾ Ka moave tsy an'i Tompo Allah ny finoana madio ".

(Souratoule Az-Zoumar : 2-3).

Ary ny tenin'i Tompo Allah nanao hoe :

﴿وَقَضَىٰ رَبُّكَ أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ﴾ " Rehefa namoaka didy ny tomponao ny tsy hanompoana afa-tsy Izy irery ihany ".

[Souratoule Al-Isrà : 23].

Ary niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :

﴿فَادْعُوا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ١٤﴾ " Koa mangataha ary mitalahoa amin'i Tompo Allah Ianareo, ary atokano ho Azy manokana irery ihany ny fivavahanareo, na dia halan'ireo vahoaka tsy mpino tsy manampinoana aza izany ".

[Souratoule GHAFIR : 14].

Ao amin'ny Bokin'i Boukhari sy Mouslim (R.h), araka ny tatitra azo avy tamin'i Mou'az (R.d) fa i Mpaminany (s.w.a) niteny ka nanao hoe :

" Ny zon'i Tompo Allah amin'ireo mpanompony dia ny hanompoan'izy ireo Azy, ary ny tsy hanakambanan'izy ireo Azy amin'ny zavatra hafa " {2}.

Ny finoana ny zava-drehetra izay nandidian'i Tompo Allah ireo mpanompony, toy ny andry dimin'ny finoana Islam.

Ary anisan'ny finoana an'i Tompo Allah ihany koa ny finoana ireo didy rehetra napetrany amin'ireo mpanompony, toy ny Andry dimin'ny finoana Islamo ka dia ireto avy izany : Ny fanekena sy fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, ary i Mouhammadi (s.w.a) dia Mpaminany no sady Irakan'i Tompo Allah ary ny fananganana ny fanompoam-pivavahana Soalat sy ny famoahana ny Zakat ary ny Fifehezana amin'ny volana Ramadany ary ny fivahiniana masina any amin'ny trano masinan'i Tompo Allah any Lameky ho an'izay manana fahafahana amin'izany, sy ireo didy tsy maintsy atao hafa ankoatran'izany, izay noentin'ny finoana masina ity.

Ny tena manan-danja sy lehibe indrindra amin'ireo Andry ireo dia ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo marina mendrika ho Tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany tsy misy mikambana Aminy ary tena marina fa i Mouhammadi (s.w.a) dia Irakan'i Tompo Allah ka ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah dia mitaky fahadiovam-po amin'ny fanompoana rehetra an'i Tompo Allah irery ihany izany sy ny tsy fanekena hanao ny fanompoana izany amin'ny hafa ankoatrany Izany no dikan'ny teny hoe : " La ilaha illallahou " izay midika hoe : fa tsy misyTompo marina sy mendrika ho Tompoina afa-tsy i Tompo Allah ka izay mbola manompo sy mametra-tena ho mpanompo zavatra hafa ankoatran'i Tompo Allah dia toy ny : Olombelona na Anjely na Djiny na zavatra hafa ankoatr'izany ka izany rehetra izany dia tompo diso avokoa, ny Tompo marina dia i Tompo Allah irery ihany, araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :﴿ذَلِكَ بِأَنَّ اللَّهَ هُوَ الْحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدْعُونَ مِنْ دُونِهِ هُوَ الْبَاطِلُ﴾ " Izany dia satria, tena marina fa i Tompo Allah, Izy no ilay Marina, ary izay rehetra hangatahin'izy ireo ankoatra Azy dia lazaina fa diso avokoa ary i Tompo Allah tokoa no ilay Avo dia Avo no sady ilay Lehibe indrindra ".[Souratoule AL-HADJY : 62].Ka efa nohazavaina tany aloha tany ny fanazavana fa i Tompo Allah izay Nahary ny Olombelona sy ny Djiny arak'ity fototra voalohany ity, ary nandidy azy ireo hanao izany, ary nandefa ireo Irany niaraka tamin'izany sy nampidina ny Bokiny nanambara izany koa diniho tsara izany sy saintsaino matetika, mba hazava Aminao hoe hatr'aiza no ankamaroan'ny Mpino Islamo latsaka ao anatin'ny habadoana lehibe momban'ity fototra voalohany ity, ka lasa nanompo zavatra hafa sy nakamban'izy ireo amin'i Tompo Allah ireo zavaboary izay nohariany, ary natolotr'izy ireo zavatra hafa ny Zo fenon'i Tompo Allah, ka Allah anie hiaro antsika rehetra ny amin'izany.

Ny finoana sy fanekena fa i Tompo Allah no Nahary sy nanamboatra an'izao tontolo izao, sy Izy no Mpandrindra ny raharahan'izy ireo rehetra, ary Mpanapan-kevitra ihany koa amin'izy ireo amin'ny zava-drehetra noho ny avy amin'ny fahalalany sy ny heriny.

Anisan'ny fanekena sy finoana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoa dia ny finoana fa Izy no Nahary sy nanamboatra an'izao tontolo izao, ary Izy no Mpandrindra ny raharahan'izao rehetra izao sy Mpanapan-kevitra eo amin'izy ireo araka ny fahalalana eo Aminy sy ny heriny manokana amin'izay fomba rehetra itiavany azy, ary Izy no tompon'ny fiainana ety an-tany sy ny any an-koatra ary tompon'izao tontolo rehetra izao ka tsy misy Mpahary na Mpanamboatra ankoatrany, ary tsy misy Tompo afa-tsy Izy irery ihany.Ary tena marina fa Izy no nandefa ireo Iraka, sy nampidina ihany koa ireo Boky, mba entina hanasoavana ireo mpanompo sy hiantso azy ireo amin'ny famonjena sy ny fanatsarana ny amin'ny ankehitriny sy ny ho avy,Tena marina fa Izy Allah dia tsy manana mpikambana Aminy amin'izany rehetra izany, araka ny tenin'i Tompo Allah manao hoe :﴿اللَّهُ خَالِقُ كُلِّ شَيْءٍ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ وَكِيلٌ٦٢﴾ " i Tompo Allah no Mpahary ny zava-drehetra ary Izy no mpiahy azy ireo avokoa ".[ Souratoule AZ-ZOMAR : 62 ].Ary niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿إِنَّ رَبَّكُمُ اللَّهُ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ ثُمَّ اسْتَوَى عَلَى الْعَرْشِ يُغْشِي اللَّيْلَ النَّهَارَ يَطْلُبُهُ حَثِيثًا وَالشَّمْسَ وَالْقَمَرَ وَالنُّجُومَ مُسَخَّرَاتٍ بِأَمْرِهِ أَلَا لَهُ الْخَلْقُ وَالْأَمْرُ تَبَارَكَ اللَّهُ رَبُّ الْعَالَمِينَ٥٤﴾ " Marina fa ny Tomponareo, dia i Tompo Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany tao anatin'ny Enin'andro, avy eo Izy dia nitoetra (istawã) teo ambonin'ny seza fiandrianana. Ary ny alina nataony handrakotra ny Andro no sady manenjika azy tsy ankijanona. Ary (Izy no nahary) ny masoandro, ny volana, sy ireo kintana, izy ireo dia manaiky ny baikony avokoa. Moa ve tsy Azy irery ny famoronana sy ny fibaikoana ? Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah, Tompon'izao Tontolo izao ".[Souratoule Al-Anrafo : 54].

Ny finoana sy fanekena ireo Anarany Tompo Allah izay Kanto indrindra sy ireo Toetrany Avo izay ananany, ka tsy misy fanovana na fanodinkodinana ny momba azy ireo na koa fanontaniana na fampitahana azy ireo amin'ny zavatra hafa.

Ary anIsan'ny finoana an'i Tompo Allah ihany koa ny finoana an'ireo Anarany rehetra sy tsara indrindra sy ny toetrany Avo indrindra izay milaza ny pamaritoetrany, izay voalaza ao amin'ilay Bokiny ilay Be voninahaitra izay efa voaporofo araka ny voalazan'ilay Iraka mahafatoky fa azo antoka tsy misy fanovana, na fanodinkodinana, na fanontaniana na fampitahana ary tsy maintsy inoana araka izay volaza, tsy misy hoe ahoana, miaraka amin'ny finoana ny hevitra lehibe izay fonosiny, izay milaza ny toetran'i Tompo Allah. Tsy maintsy faritana amin'ny fomba mendrika Azy izany toetra rehetra izany, ka tsy misy toetra hitovizany amin'ireo zavaboary nohariany na dia kely aza amin'ireo toetra feno fahafenoana izay Hananany, araka ny Tenin'ilay avo Tsitoa manao hoe :﴿لَيْسَ كَمِثْلِهِ شَيْءٌ وَهُوَ السَّمِيعُ الْبَصِيرُ﴾ " Tsy misy zavatra mitovy na tahaka Azy ary Izy Tompo Allah dia maheno ary tena mahita ".[ Souratoule As-shora: 11 ].Ary niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe﴿فَلَا تَضْرِبُوا لِلَّهِ الْأَمْثَالَ إِنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ وَأَنْتُمْ لَا تَعْلَمُونَ٧٤﴾ " Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay zavatra ho ampitovianareo amin'i Tompo Allah fa tena marina fa i Tompo Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa no tsy mahalala ).[ Souratoule AN-NAHLI : 74 ].Ary izany tokoa no foto-pinoan'ireo vahoaka mitazona ny fotokevitran'ny Ahlou Sounna wal Jama'at teo amin'ireo mpanaradian'ny Mpaminany (s.w.a), sy ireo rehetra izay mpandimby azy ireo amin'ny hatsarana, ary izany no nampitain'ny Imam Abou al-Hasan al-Ash'ari (R.h) ao amin'ny Boky " Al-Maqalaat An Ashab al-Hadith wa Ahl al-Sunna " sy nampita izany koa ny ankoatrany amin'ireo manampahaizana sy be finoana.Niteny sy nilaza i Manampahaizana izay atao hoe Al-Awzay (R.h) ka nanao hoe : Nisy nanontany an'i Imamo Al-Zuhri (R.h) sy Makhoul (R.h) mahakasika ireo andininy soratra masina milaza ireo toetra, dia namaly izy roa ka nanao hoe : Ny momba azy ireo dia tahaka ny nahatongavany ihany.Niteny sy nlaza i Al-Waleed bin Muslim - Allah anie hamindra fo aminy ka nanao hoe : Nisy nanontany an' Imamo Malik sy Imamo Al-Awzay ary Imamo Al-Layth bin Saad ary Sufyan Al-Thawry - hamindra fo amin'izy ireo avokoa anie i Tompo Allah - momba ireo resaka voalaza amin'ireo toetra (toetoetran' i Tompo Allah), ka namaly izy ireo ka nanao hoe : Ny momba azy ireo dia tahaka ny nahatongavany ihany, tsy misy hoe ahoana.Niteny sy nilaza i Imamo Al-Awzay (R.h) ka nanao hoe : indray mandeha Izahay sy ireo Mpandimby an'ireo mpanaradia an'i Mpaminany (tabiyni) niaraka maromaro : ka dia nilaza izahay nanao hoe : i Tompo Allah eo ambonin'ny seza fiandrianany, ary mino ireo toetra voalaza ao amin'ny Sonna avokoa Izahay.Raha nanontaniana momba ny " Fipetrahan'i Tompo Allah eo amin'ny seza fiandrianany " i Rabia bin Abi Abd al-Rahman, mpampianatr'i Malik -hamindra fo amin'izy roa anie i Tompo Allah- dia namaly Izy ka nanao hoe : " Ny fipetrahan'i Tompo Allah eo amin'ny seza fiandrianany dia fantatra ary tsy azo eritreretina ny endrika izay hisehoany, avy amin'i Tompo Allah ny hafatra ary adidin'ilay Iraka ny manambara, ary adidintsika kosa ny manaiky sy mino ".Raha nanontaniana ny momba izany ny Imam Malik - i Tompo Allah anie hamindra fo aminy- dia nilaza Izy ka nanao hoe : ( Fantatra ny Istiwa' ary tsy fantatra amin'ny fomba ahoana, tsy maintsy takina ny mino Azy, Bidian'a kosa ny manontany Azy ). Avy eo izy dia nilaza tamin'ilay mpanontany ka nanao hoe : Tsisy afa-tsy Olon-dratsy no fahitako Anao ! Ary nasainy navoaka Izy.Ity hevi-teny ity dia voalaza fa azo tamin'ny Renin'ny Mpino Omm Salama (R.d) ary nilaza ny Imam Abou Abd al-Rahman ibn al-Moubarak - hamindra fo aminy anie i Tompo Allah - manao hoe :( Fantatsika ny Tompontsika - dera sy voninahitra ary laza ho Azy- fa eo ambonin'ireo lanitrany Izy, eo ambonin'ny seza fiandrianany, miavaka amin'ny zavaboariny ).Ary tena efa betsaka loatra ny resaka sy ireo tenin'ireo Imam momban'ity fizarana ity, ka tsy ho voatanisa eto avokoa izany amin'ity famelabelarana ity, ka izay maniry ny hitsahatra amin'ny betsaka amin'izany dia tokony hiverina amin'izay nosoratan'ireo Manam-pahaizana Sunnit ato amin'ity fizarana ity, toy ny Boky " Sunna " nosoratanY Manampahaizana 'i Abdoullah bin Imam Ahmad (R.h), sy ny Boky " Tawhid " nosoratan'i Imam Mouhammad bin Khouzaima (R.h), ary ny Boky " As-Sunnah " nosoratan'i Abou al-Qasim al-Lalka'i At-Tabari (R.h), ary ny Boky " As-Sunnah " an'i Abou Bakr bin Abi 'Asim (R.h) sy ny valin-tenin'i Sheikh al-Islam Ibn Taymiyya (R.h) tamin'ny mponin'i Hama, izay valiteny lehibe misy tombontsoa maro ao Aminy. Nohazavainy ao anatin'izany ny foto-pinoana Ahlou Sounna ary betsaka ny tenin'izy ireo notateriny ao anatin'izany, sy ireo porofo ara-pinoana sy ara-saina amin'ny maha marina izay lazain'ny Ahlou Sounna, sy ny tsy fahamarinan'izay nolazain'ny ireo mpanohitra Azy.Tahaka izany ny hafatrany, izay voamarika amin'ny fandravana, ary efa nosokafany tanteraka ny toerana, ary nohazavainy tao anatin'izany ny foto-pinoan'ny Ahlou Sounna wal-jama't miaraka amin'ny porofo maro ara-tsoratra sy ara-tsaina, ary ny fanoherana ireo mpandika lalàna amin'ny hanehoana ny marina sy hanapotehana ny lainga, ho an'izay rehetra manana fahalalana amin'izany, ary ireo manampahaizana, miaraka amin'ny fikasana tsara sy ny faniriana hahalala ny marina. Ary izay rehetra manohitra ny Ahlou Sunnah tamin'ny zavatra rehetra izay ninoany tao amin'ny fizarana momba ireo Anaran'i Tompo Allah sy ireo Toetrany dia tsy azo hidivirana fa misy fifanoherana amin'ny porofo ara-tsoratra sy ara-tsaina, miaraka amin'ny fifanoherana mazava tsara amin'izay rehetra porofoiny sy laviny.Raha ny amin'ny Ahlou al-Sounna wal-Jama'a kosa, no resahina dia izy ireo no efa nanamafy tsara ny amin'ny fananan'i Tompo Allah ireo toetra, izay nohamafisiny ao amin'ny Boky masinany fa tena toetrany tokoa izany, na koa nohamafisin'ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) ao amin'ny Hadithe marina ny fananan'i Tompo Allah izany toetra izany. Nohamafisina tsy nisy fampitahana, ary nankalavirin'izy ireo Azy ny fitoviana amin'ny zava-boariny, fankalavirana afaka madiodio amin'ny fanodikodinana, ka nahazo fiarovana tamin'ny fifanoherana izy ireo ary niasa tamin'ny porofo rehetra, ary izany no voajanahary amin'ny Olona mifikitra amin'ny fahamarinana izay noentin'ireo Irany, ary nampiasa ny heriny rehetra amin'izany tokoa Izy, ary nataony amin'ny fahadiovam-po eo amin'i Tompo Allah ny hatany amin'ny hitari-dalana azy ho amin'ny fahamarinana, sy hanehoana ny porofony, araka ny voalazan'i Tompo Allah manao hoe:﴿بَلْ نَقْذِفُ بِالْحَقِّ عَلَى الْبَاطِلِ فَيَدْمَغُهُ فَإِذَا هُوَ زَاهِقٌ﴾ " Tsy izany anefa ! Nalefanay hanohitra ny hadisoana ny fahamarinana izay handresy azy, ary indro izy fa rava. Ary loza ho Anareo ! Noho ny zavatra izay nolazainareo (tsy rariny momba an'i Tompo Allah) ".[Souratoule AL-ANBIYA : 18 ].Ary niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿وَلَا يَأْتُونَكَ بِمَثَلٍ إِلَّا جِئْنَاكَ بِالْحَقِّ وَأَحْسَنَ تَفْسِيرًا٣٣﴾ " Ary tsy mitondra fanoharana na fampiviana Aminao velively mihitsy izy ireo, afa tsy hoe tonga Aminao Izahay miaraka amin'ny fahamarinana sy fanazavana izay tena tsara indrindra ".[Souratoule AL-FOURQUANE : 33 ].Ary efa niteny sy nilaza i Manampahaizana Imamo Hafiz Ibn Kathir (R.h) - Indrafon'i Tompo Allah anie no ho Aminy - ao amin'ny fanazavany fanta-daza momba ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe : (Hamafisina etoana, fa ny Tomponareo dia i Tompo Allah izay Nanamboatra sy Nahary ireo lanitra sy ny tany nandritra ny Enina Andro, avy eo dia nitoetra teo ambonin'ny Seza fiandrianana Izy).[ Souratoule Al-A'raf: 54 ]. Teny tsara amin'ity fizarana ity, tsara ny famindrana azy eto noho ny halebiazan'ny tombontsoa azo ao Aminy.NIiteny sy nilaza Izy (R.h) -ka indrafon'i Tompo Allah anie ho aminy- namaky izay voalaza manao hoe : Manana ny heviny tena maro momba ny toerana izany ny Olona, ary tsy eto no toerana hiresahana mivelatra bebe kokoa momba izany, fa tsy misy afa-tsy ny manaraka ny foto-pampianaran'ireo Olo-marina teo aloha (Asalafo) isika : Malik, Al- Awza'i, Al-Thawri, Al-Layth bin Saad, Al-Shafi'i, Ahmad, Ishaq bin Rahawayh (R.h), sy ireo hafa ankoatr'izany amin'ireo Mpitarika ny vahoaka Mpino Islamo taloha sy ankehitriny, izany dia ny fampandalovana Azy tahaka ny voalaza, tsy misy ahoana, na fampitahana, na fanodikodinana ny hita taratra mivantana ao an-tsain'ireo izay mpampitaha dia lavina amin'ny mahakasika an'i Tompo Allah. Satria tsy mitovy na dia kely amin'ny zavaboariny i Tompo Allah ary tsy misy tahaka Azy, ary Izy no mandre sy mahita ny zava-drehetra ka ny marina dia tahaka izay nolazain'ireo Imam, anisan'izany: i Naim bin Hammad Al-Khouza'i (R.h) mpampianatran'i Boukhari (R,h), nilaza Izy ka nanao hoe : Na iza na iza mampitovy an'i Tompo Allah amin'ny zavaboary izay nohariany idia lazaina fa efa tsy Mpino intsony izany Olona izany ary izay mandà izay lazain'i Tompo Allah momba ny Tenany dia lazaina fa tsy mpino izany Olona izany, ary tsy misy itovizana amin'izay nolazain'i Tompo Allah momba ny Tenany sy nolazain'ny Irany. Ka izay manaiky fa eo amin'i Tompo Allah ireo voarakitra ao amin'ny andinin-teny mazava sy ny Hadithe marina amin'ny fomba mendrika ny fahalehibiazan'i Tompo Allah, ary nandà ho amin'i Tompo Allah avo Tsitoa ireo toetra fahabangana dia efa nandeha mankany amin'ny ny làlan'ny fahitsiana.

Ny finoana sy fanekena an'ireo Anjely :

Ary ny amin'ny finoana sy fanekena ny Anjely : dia tafiditra ao anatin'izany ny finoana azy ireo amin'ny endrika ankapobeny sy amin'ny endrika antsipiriany, ka ny Mpino mpanaraka ny finoana Islamo dia mino sy manaiky fa i Tompo Allah dia manana ireo Anjely nohariny mba hankatoa Azy, ary nofariparitany izy ireo ho mpanompo mendri-kaja. Tsy mialoha Azy amin'ny teny ary manatanteraka avokoa ny didiny izy ireo araka ny tokony ho Izy.﴿يَعْلَمُ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ وَلَا يَشْفَعُونَ إِلَّا لِمَنِ ارْتَضَى وَهُمْ مِنْ خَشْيَتِهِ مُشْفِقُونَ٢٨﴾ ( Mahafantatra izay alohan'izy ireo sy izay aorian'izy ireo Izy (Allah). Ary tsy afaka manelanelana izy ireo raha tsy amin'izay ankasitrahany, ary mangovitra izy ireo noho ny fatahorana Azy).[Souratoule AL-ANBYA : 28 ].Misy karazany maro izy ireo, anisan'izany ireo nankinina Taminy ny filanjana ny Seza fiandrianana, ary misy amin'izy ireo ny mpiambina ny Paradisa sy ny Afobe, ary misy amin'izy ireo no nanankinana ny fandraiketana ny asan'ireo mpanompo. Ary mino amin'ny an-tsipiriany ireo izay nambaran'i Tompo Allah sy ny Irany amin'izy ireo toy ny : Djibril, Mikail, ary Malik, ilay Mpiambina ny Afo. Ary i Israfil izay nankinina tamin'ny fitsofana ny Anjomara, ary voalaza tao amin'ireo Hadithe marina izany, ary voaporofo tao amin'ny Soahihy fa Aisha (R.d), nilaza fa Niteny i Mpaminany (s.w.A) KA Nanao hoe :" Tamin'ny alalan'ny hazavana no namoronana sy nanamboarana ireo Anjely ary tamin'ny alalan'ny afo no namoronana an'ireo Djiny, ary tamin'izay efa nolazaina Anareo kosa no namoronana an'i Mpaminany Adama (A.s)."Notaterin'i Imamo Moslimo (R.h) ao amin'ny Boky ny Swahih Moslim izany fanambarana izany.

Ny finoana sy fanekena an'ireo Boky :

Mitovy tahaka izany ihany koa ny finoana an'ireo Boky Masina rehetra izay nidina avy any andanitra, finoana amin'ny endrika ankapobeny no takina amin'ny fanekena fa i Tompo Allah no nandefa sy nampidina ireo Boky ho amin'ireo Mpaminaniny sy Ireo Irany rehetra mba hanazava ny Zony sy ny antso mankany any Aminy, araka ny Teny voalazan'ilay Avo Tsitoa manao hoe:﴿لَقَدْ أَرْسَلْنَا رُسُلَنَا بِالْبَيِّنَاتِ وَأَنْزَلْنَا مَعَهُمُ الْكِتَابَ وَالْمِيزَانَ لِيَقُومَ النَّاسُ بِالْقِسْطِ﴾ { Tena marina fa efa nandefa ireo Irakay Izahay hoy i Tompo Allah, niaraka tamin'ireo porofo mazava tsara tokoa, ary nampidina ny Boky sy ny vato-fandanjana niaraka tamin'izy ireo, mba hampijoroan'ny Olona rehetra ny fahamarinana.}[ Souratoule Al-Hadid: 25 ].Ary niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿كَانَ النَّاسُ أُمَّةً وَاحِدَةً فَبَعَثَ اللَّهُ النَّبِيِّينَ مُبَشِّرِينَ وَمُنْذِرِينَ وَأَنْزَلَ مَعَهُمُ الْكِتَابَ بِالْحَقِّ لِيَحْكُمَ بَيْنَ النَّاسِ فِيمَا اخْتَلَفُوا فِيهِ وَمَا اخْتَلَفَ فِيهِ﴾ ( Tany am-piandohana, dia vahoaka tokana ihany ny Olombelona. Ka dia nalefan'i Tompo Allah ireo Iraka sy Mpaminany mba hitory ny vaovao mahafaly sy hampitandrina ny Olona rehetra, ka dia nampidinin'i Tompo Allah niaraka tamin'izy ireny ihany koa ny rakitsoratra mirakitra ny fahamarinana, mba hitsarany ny samy Olombelona tamin'izay nampifanolana azy ireny. Ary tsy hisy hifanolana ny amin'izany...).[ Souratoule AL-BAQUARAT : 213 ].Mino Isika rehetra amin'ny endrika an-tsipiriany amin'ireo izay nomen'i Tompo Allah anarana manokana, toy ny Tora, ny Evanjely, ny Salamo (Zabour) ary ny Koroany, ary Izy no tsara indrindra amin'izy ireo sy ny tombo-kaseny, ary Izy no manjaka amin'izy ireo no sady manamafy ny fahamarinany. Izy ilay tsy maintsy ho arahin'ny vahoaka iray manontolo sy fampiharana Azy ho lalàna velona, miaraka amin'ny Sounna izay voaporofo marina fa avy tamin'ilay Iraka (s.w.a). Satria i Tompo Allah no nandefa an'ilay Irany Mouhammadi (s.w.a) ho Mpitondra ny hafatrany amin'ny Zanak'Olombelona rehetra tsy ankanavaka sy ny Djiny, ary nampidininy Taminy tokoa ny Boky masina Koroany mba ho lalàna velona ary nataony ho fanasitranana ny ao am-po sy fanazavana ny zava-drehetra ary ho tari-dàlana sy famindram-po ho an'ny mpino, araka ny voalazan'ilay avo Tsitoha manao hoe :﴿وَهَذَا كِتَابٌ أَنْزَلْنَاهُ مُبَارَكٌ فَاتَّبِعُوهُ وَاتَّقُوا لَعَلَّكُمْ تُرْحَمُونَ١٥٥﴾ { Ary ity Boky nampidininay ity, dia feno hatsarana sy fahasoavana; ka arahinareo izany, ary manàna fahatahorana Ianareo, mba hahazoanareo ny indrafo }.[Souratoule AL-AN'AAM : 155 ].Ary mbola Niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿ وَنَزَّلْنَا عَلَيْكَ الْكِتَابَ تِبْيَانًا لِكُلِّ شَيْءٍ وَهُدًى وَرَحْمَةً وَبُشْرَى لِلْمُسْلِمِينَ﴾ ( Ary nampidininay Taminao ny Boky, ho fanazavana ny zava-drehetra, ho tari-dàlana, sy indrafo, ary filazan-tsara ho an'ireo vahoaka mpino, manampinoana ).[ Souratoule An-Nahl: 89 ].Ary niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿قُلْ يَا أَيُّهَا النَّاسُ إِنِّي رَسُولُ اللَّهِ إِلَيْكُمْ جَمِيعًا الَّذِي لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ لَا إِلَهَ إِلَّا هُوَ يُحْيِي وَيُمِيتُ فَآمِنُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ النَّبِيِّ الْأُمِّيِّ الَّذِي يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَكَلِمَاتِهِ وَاتَّبِعُوهُ لَعَلَّكُمْ تَهْتَدُونَ١٥٨﴾ { Teneno (ry MouhammadI (s.w.a) fa hoe : " Ry Zanakolombelona ! Tena marina fa Izaho dia Iraan'i Tompo Allah andia ho Aminareo rehetra; izay Tompon'ny fanjakan'ireo lanitra sy ny tany; ka tsy misy Tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy Izy; Izy no mamelona sy manala ny aina ka minoa an'i Tompo Allah sy ny Irany Ianareo; ilay Mpaminany tsy mahay mamaky sy manoratra, izay mino an'i Tompo Allah sy ireo Teniny; ary aoka hanaraka Azy Ianareo; amin'izay Ianareo hahazo ny fahitsiana }.[ Soratoule Al-A'raf: 158 ].Ary marobe ireo Hadithe miresaka momba izany.

Ny finoana an'ireo Iraka sy Mpaminany :

Tahak'izany ireo Iraka, tsy maintsy atao ny fomba rehetra hinoana azy ireo amin'ny endrika an-kapobeny sy amin'ny endrika an-tsipiriany ka mino sy manaiky isika fa i Tompo Allah no nandefa ireo Iraka ho amin'ireo mpanompony, avy amin'izy ireo ihany no hitory an'ireo vaovao mahafaly sy fampitandremana ary mpiantso ho any amin'ny lalan'ny fahamarinana, ka izay namaly ny antson'izy ireo dia ho tafita amin'ny fiadanana sy fahasambarana, ary izay manohitra kosa dia ho diso fanantenana sy very ary hanenina ka ny farany amin'izy ireo sy mendrika indrindra dia ilay Mpaminanin-tsika Mouhammadi bin Abdoullah (s.w.a), araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :﴿وَلَقَدْ بَعَثْنَا فِي كُلِّ أُمَّةٍ رَسُولًا أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَاجْتَنِبُوا الطَّاغُوتَ﴾ { Tena marina fa efa nandefasanay ireo Iraka iray isaka ny vahoaka tsirairay avy,(ny mba hilaza amin'izy ireo ny hoe): " Manompoa an'i Tompo Allah Ianareo, ary alaviro ny fanompoana sampy " }.[ Souratoule An Nahl: 30 ].Ary miteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿رُسُلًا مُبَشِّرِينَ وَمُنْذِرِينَ لِئَلَّا يَكُونَ لِلنَّاسِ عَلَى اللَّهِ حُجَّةٌ بَعْدَ الرُّسُلِ﴾ " Ka izy ireny dia Iraka mpilaza ny vaovao mahafaly sy mpampitandrina, mba tsy hananan'Olombelona porofo entina manohitra an'i Tompo Allah taorianan'ireo Iraka. Ary i Tompo Allah dia Mahery, be Fahendrena ".[ Soratoule An-Nisà: 165 ].Ary niteny Ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿مَا كَانَ مُحَمَّدٌ أَبَا أَحَدٍ مِنْ رِجَالِكُمْ وَلَكِنْ رَسُولَ اللَّهِ وَخَاتَمَ النَّبِيِّينَ﴾ ( Tsy rain'iray amin'ireo lehilahy ao Aminareo velively i Mouhammadi (s.w.a), fa Irakan'i Tompo Allah ary farany amin'ireo Mpaminany Izy ...).[ Souratoule Al-Ahzab: 40 ].Izay nantsoin'i Tompo Allah ny anarany amin'izy ireo na voaporofo fa ny Irakan'i Tompo Allah dia niantso ny anarany, dia mino azy amin'ny an-tsipiriany Isika sy amin'ny fampiavahana, toa an'i Nouh, Houd, Salih, Ibrahim sy ny hafa ankoatr'izy ireo - ho amin'izy ireo anie sy ho amin'ny Mpaminanintsika ny fiadanana tsara indrindra.

Ny finoanana ny fisiany Andro farany :

Ary ny finoanana sy ny fanekena ny Andro farany kosa dia :

Tafiditra ao anatin'izany ny finoana ny zavatra rehetra izay nolazain'iTompo Allah sy ny Irany (s.w.a) aorian'ny fahafatesana, toy ny fitsapana ao am-pasana sy ny sazy ao Aminy ary ny fiadanana sy fahasambarana, sy ireo rehetra izay mety hitranga amin'ny Andro fitsanganan'ny maty, toy ny tahotra, ny fahasahiranana, ny fiampitana eo amin'ny tetezana, ny fandanjana, ny fitsarana, ny valisoa, ary ny famoahana ny takelaky ny asa tety an-tany imasom-bahoaka ka misy ny maka ny Bokiny amin'ny tànany havanana, ary misy ny maka ny Bokiny avy amin'ny tànany havia ary misy ny maka izany avy ao amin'ny ivohony.Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny finoana ny dobo naseho teo amin'ny Mpaminan-tsika Mouhammadi (s.w.a), ny finoana ny Paradisa sy ny Afobe, ny fahitan'ireo vahoaka Mpino ny Tompony-voninahitra anie ho Azy- sy ny firesahan'izy ireo mivantana Aminy, ary ny hafa ankoatr'izany amin'izay voalaza ao amin'ny Boky masina Koroany sy ny Sounna- n'ilay Iraka mahafatoky (s.w.a) tena Izy ka tsy maintsy ilaina ny mino sy manaiky izany rehetra izany, ary ny fanekena azy amin'ny endriny nanazavan'i Tompo Allah sy ny Irany (s.w.a) azy rehetra izany.

Ny finoana sy fanekena ny Lahatra sy ny Anjara

Raha ny fanekena sy ny finoana ny Lahatra sy Anjara kosa dia mifono ireo finoana zavatra Efatra :

Ny voalohany amin'izany dia ny hoe : Tena marina fa i Tompo Allah no mahalala sy mahafantatra izay rehetra efa nisy sy izay rehetra mbola ho avy, ary mahafantatra ny zava-misy rehetra eo amin'ny mpanompony ihany koa Izy, ary mahafantatra ny anjarampahasoavan'izy ireo sy ny fe-potoana izay hafatesan'izy ireo ary ny asa ataon'izy ireo ary ny zavatra hafa ankoatran'ny amin'ny raharahan'izy ireo dia tena tsy misy mihitsy ny miafina Aminy ny amin'izany rehetra izany. ka Dera sy Voninahaitra anie ho Azy, araka ny Tenin'ilay Avo Tsitoa manao hoe :﴿أَنَّ اللَّهَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ﴾ ( Tena marina fa i Tompo Allah dia mahalala ny zavatra rehetra ).[ Souratoule AL-BAQUARAT : 231 ]Ary niteny - ilay avo Tsitoha -ka nanao hoe :﴿لِتَعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ وَأَنَّ اللَّهَ قَدْ أَحَاطَ بِكُلِّ شَيْءٍ عِلْمًا﴾ ( Ny mba hahafantaranareo, fa Mahefa ny zavatra rehetra tokoa i Tompo Allah, ary Mahahenika ny zavatra rehetra ny fahalalany ).[Souratoule At-Talak : 12 ]Ary ny zavatra faha-roa dia ny : fanoratany -Voninahitra anie ho Azy- izay anjara sy lahatrany rehetra araka ny nolazain'ilay Be Voninahaitra ka nanao hoe :﴿قَدْ عَلِمْنَا مَا تَنْقُصُ الْأَرْضُ مِنْهُمْ وَعِنْدَنَا كِتَابٌ حَفِيظٌ٤﴾ " Marina fa efa fantatray izay ho levon'ny tany amin'izy ireo (ireo vatany) ; ary manana Boky izay mitahiry ny zava- drehetra tokoa Izahay ".[ Souratoule QUAF : 4 ].Ary niteny Ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿وَكُلَّ شَيْءٍ أَحْصَيْنَاهُ فِي إِمَامٍ مُبِينٍ﴾ " Ary dia nisainay anaty rakitsoratra mazava avokoa ny zavatra rehetra ".[ Souratoule Yassin : 12 ]Ary niteny Ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿أَلَمْ تَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ مَا فِي السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ إِنَّ ذَلِكَ فِي كِتَابٍ إِنَّ ذَلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرٌ٧٠﴾ " Moa ve tsy fantatrao fa i Tompo Allah no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? ka izany rehetra izany dia voarakitra avokoa ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin'i Tompo Allah izany ".[ Souratoule AL-HAJJ : 70 ].Ny zavatra fahatelo dia ny : Finoana fa ny sitrapony irery ihany no tsy maintsy tokony ho tanteraka, ka izay rehetra sitrany dia tanteraka, ary izay rehetra tsy sitrany dia tsy ho tanteraka velively, araka ny teny nolazain'ilay Be Voninahitra manao hoe :﴿إِنَّ اللَّهَ يَفْعَلُ مَا يَشَاءُ﴾ " Marina tokoa fa i Tompo Allah manao izay tiany ".[Souratoule AL-HADJY : 18 ].Ary niteny - ilay avo Tsitoha -ka nanao hoe :﴿إِنَّمَا أَمْرُهُ إِذَا أَرَادَ شَيْئًا أَنْ يَقُولَ لَهُ كُنْ فَيَكُونُ٨٢﴾ " Raha milaza zavatra iray Izy, dia mibaiko amin'ny teny manao hoe : " Misia ",dia misy ary tanteraka tokoa izany ".[ Souratoule YAssin : 82 ].Ary mbola niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿وَمَا تَشَاءُونَ إِلَّا أَنْ يَشَاءَ اللَّهُ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمًا٣٠﴾ " Ianareo anefa, dia tsy hankasitraka izany, raha tsy sitrakin'i Tompo Allah fa Mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena an'i Tompo Allah ".[ Souratoule AL-INSAN : 30 ].Ny zavatra faha-efatra dia ny hoe : Namboariny sy nohariny ny zava-drehetra ka tsy misy Mpahary ary tsy misy Tompo afa-tsy Izy. Araka ny Tenin'ilay Be Voninahitra manao hoe :﴿ٱللَّهُ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ٦٢﴾ " Mpahary ny zava-drehetra i Tompo Allah ary Izy no mpiantoka azy ireo ".[ Souratoule AZ-ZOMAR : 62 ].Ary niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿يَا أَيُّهَا النَّاسُ اذْكُرُوا نِعْمَتَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ هَلْ مِنْ خَالِقٍ غَيْرُ اللَّهِ يَرْزُقُكُمْ مِنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ لَا إِلَهَ إِلَّا هُوَ فَأَنَّى تُؤْفَكُونَ٣﴾ " Ô ry Olombelona ! Tsarovy ny soa nataon'i Tompo Allah taminareo, misy ve ankoatra an'i Tompo Allah, mpahary manome anjaram-pivelomana ho Anareo, avy any an-danitra sy ety an-tany ? Tsy misy zanahary hafa, afa-tsy Izy ! Ka nahoana àry Ianareo no mivily amin'izany (fahamarinana) ? ).[Souratoule Fatir :3 ].Ny finoana ny lahatra sy anjara dia ahitana ny finoana an'ireo zavatra efatra ireo eo amin'ny Ahlou Sunnah wal-Jama', mifanohitra ny amin'ireo Olon'ny mpamorona izay mandà ny sasany amin'izany.

Ny Imany (finoana) dia teny mivoaka avy amin'ny vava sy asa atao, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny alàlan'ny fahadisoana sy fahotana.

Tafiditra ao anatin'ny finoana an'i Tompo Allah ny fananana toky feno fa ny finoana dia, teny lazaina izay aloakany vava sy asa ataony ireo ratsambatana, izay mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena noho ny fahotana, ary tsy azo atao ny manala ny Olona iray tsy ho Mpino Islamo intsony, noho ny antony fahotana vitany, ankoatra ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zava-boariny toy ny fanaovana ny (Shirk) sy ny fikomiana (Koufr), fahotana toy ny fijangajangana, halatra, fihinanana zana-bola, fisotroana zava-pisotro mahamamo, tsy fankatoavana ny Ray amandreny, sy ny fahotana lehibe hafa ankoatr'izany, raha toa ka tsy mihevitra izy ny amin'ny maha mety ny fanaovana izany. Araka ny tenin'ilay AVO Tsitoha manao hoe :﴿إِنَّ اللَّهَ لَا يَغْفِرُ أَنْ يُشْرَكَ بِهِ وَيَغْفِرُ مَا دُونَ ذَلِكَ لِمَنْ يَشَاءُ﴾ " Hamafisina, fa i Tompo Allah dia tsy mamela heloka izay mampitambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary mamela heloka kosa Izy ankoatra izany raha toa ka sitrany ".[ Souratoule AN-NISSA : 48 ].Ary efa voaporofo ao amin'ireo Hadithe n'ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany (s.w.a) fa tena azo antoka tanteraka fa i Tompo Allah dia hamoaka avy ao amin'ny Afobe izay rehetra manana imany finoana izay bilitika indrindra mitovy lanja amin'ny voan-tsinapy iray ao am-pony.

Ny fitiavana dia noho i Tompo Allah, ny fankahalana dia noho avy amin'i Tompo Allah ihany koa ary ny fakana sakaiza tena farany izay akaiky dia noho i Tompo Allah ary ny fifampivahaloana dia noho avy amin' i Tompo Allah.

Ary anisan'ny fanekena sy finoana an'i Tompo Allah dia : Ny fitiavana dia noho i Tompo Allah, ary ny fankahalana dia noho avy amin' i Tompo Allah, ny fakana sakaiza tena farany izay akaiky dia noho i Tompo Allah ary ny fifampivahaloana dia noho avy amin' i Tompo Allah, ka ny Olona Mpino dia tokony hitia ireo Mpino sy minamana Aminy, ary mankahala ireo mpikomy sy mifahavalo Aminy, ary ireo mpanaradia an'ilay Iraka (s.w.a) no lohalaharana mpitarika ny Mpino amin'ity vahoaka ity.Ka ny Ahl Sunnah wal-Jama'a dia mitia azy ireo sy manohana azy ireo ary mino fa izy ireo no Olona tsara indrindra aorian'ireo Mpaminany, araka ny tenin'ny Mpaminany (s.w.a) manao hoe :" Ny taon-jato tsara indrindra dia ny taon-jato misy Ahy, avy eo dia ireo manaraka Azy, avy eo dia ireo manaraka Azy."Notaterin'i Boukhari sy Mouslim (R.h).Mino sy mientehitra izy ireo fa ny mendrika indrindra amin'ireo mpanaradia ny Mpaminany (s.w.a) dia i Abou Bakr Al-Siddiq (R.d), avy eo Oumar Al-Farouq (R.d), avy eo Outhman Zoun-nourayni (R.d), avy eo Ali Al-Mourtada (R.d), ary manaraka azy ireo dia ireo sisa tavela amin'ireo Folo, avy eo dia ny mpanaradia sisa tavela ambiny (R.d). Ary izy ireo (Ahl Sounna wal-jama'a) dia tsy mba miresaka momba ireo ady nifanaovan'ireo samy mpanaradian'ny Mpaminany (s.w.a), ary mino sy manaiky izy ireo fa samy nanao ny ezakany hitady ny fahamarinana ireo mpanaradia tamin'izany, ka izay nanana ny marina tamin'izy ireo dia hahazo valisoa roa, ary izay diso kosa dia hahazo valisoa iray.Ary mitia ireo fianakavian'ny Mpaminany (s.w.a) rehetra izay akaiky Azy, ireo rehetra izay nino Azy, sy nandray azy ireo, ary nandray ireo vadin'ny Mpaminany (s.w.a) ho Renin'ny Mpino. Mangataka ka tso-drano avy amin'i Tompo Allah ho amin'izy rehetra, ary mandà ny lalan'ireo Rawafid (Chiaa) izay mankahala ny Mpanaradia an'ilay iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) sy nametaveta azy ireo. Izy ireo izay mihoa-pefy amin'ny filazana momba ireo fianakavian'ny Mpaminany(s.w.a), ka mampiakatra ny voninahiny ambony noho ny nametrahan'i Tompo Allah azy ireo. Mandà tahaka izany ny làlan'ny Nasibis izay manaratsy ireo fianakavian'ny Mpaminany (s.w.a) amin'ny alàlan'ny fiteny na amin'ny fihetsika.

Ny rehetra izay nolazainay tamin'ity lahateny fohy ity dia, tafiditra ao anatin'ny foto-pinoana marina, izay nandefasan'i Tompo Allah ny Irany Mouhammadi (s.w.a) ary izany no foto-pinoan'ireo vondrona voavonjy, Ahlou Sounna wal-Jama'a, izay nolazain'ny Mpaminany (s.w,a) manao hoe :" Tsy hijanona ho mpandresy foana amin'ny fahamarinana ny antokon'ny vahoakako,ary tena tsy manahirana azy ireo ny tsy fanampian'izy ireo azy mandra-pahatongan'ny didin'i Tompo Allah - voninahitra anie ho Azy-."Ary niteny i Mpaminany (s.w.a) manao hoe :" Nizarazara ho sekta iraika amby fitopolo ny Jiosy, ary nizarazara ho sekta roa amby fitopolo ihany koa ny Kristiana, ary dia mbola hisaraka ho sekta telo amby fitopolo ity vahoaka ity, ary any amin'ny Afobe avokoa daholo izy rehetra, afa-tsy ny iray ihany " Dia nilaza ireo mpanaradian'ny Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe : " Iza Izany ry Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ? Nilaza Izy ka nanao hoe : Dia izay rehetra manaraka izay hijoroako sy ireo mpanaradia Ahy."Izany no foto-pinoana izay tsy maintsy tazomona sy hifikirana ary tsy maintsy ho arahina hatrany, ary fitandremana ihany koa manoloana an'ireo izay manohitra an' izany.

Filazana sy fitanisana ireo izay niala làlana amin'izany foto-pinoana izany sy ireo izay mizotra amin'ny fanoherana Azy.

Ny karazan'izy ireo

Raha ny amin'ireo izay niala làlana amin'izany foto-pinoana izany sy ireo izay nizotra amin'ny fanoherana azy dia misy karazany maro samy hafa izy ireo, ka anisan'izany ireo mpanompo sampy, mpanompo sary vongana, Anjely, Olo-masina, Djiny, Hazo, Vato, sns. Izy ireo dia tsy namaly ny antson'ireo Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, tsy vitan'izany koa fa nanohitra azy ireo sy nanao sotasota Taminy, tahaka ny nataon'ny Couraich sy ireo karazana Arabo maro samy hafa tamin'ny Mpaminany Mouhammdi (s.w.a).Tamin'izany izy ireo dia nangataka sy nitalaho tamin'ny sampin'izy ireo mba hamaha ny olana misy sy mianjady amin'izy ireo, sy ary ny mba hanasitrana ny marary, ary handresy amin'ny fahavalo. Ary izy ireo tamin'izany dia nanao sorona ho azy ireo mihitsy sy nanao voady, ka rehefa nolavin'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) izany zavatra nataon'izy ireo izany, ary nandidy azy ireo Izy mba hanompo an'i Tompo Allah tokana irery ihany, dia gaga sy nitalanjona tamin'izany izy ireo ary tena nandà tsy nanainy ary nitsipaka ankitsirano ka niteny sy nilaza izy ireo nanao hoe :﴿أَجَعَلَ الْآلِهَةَ إِلَهًا وَاحِدًا إِنَّ هَذَا لَشَيْءٌ عُجَابٌ٥﴾ " Moa ve hataony ho zanahary tokana ireo zanahary ? Tena marina fa izany dia zavatra tena mahagaga tokoa ".[ Souratoule SWAD : 5 ].Tsy nitsahatra Izy i (s.w.a) niantso azy ireo ho any amin'i Tompo Allah ka nampitandrina azy ireo amin'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny fanompoan-tsampy (Shirk) ary manazava amin'izy ireo antsipiriany ny fahamarinan'ireo zavatra izay nitarihany azy ireo mandra-pitarihan'i Tompo Allah izay nitarihiny tamin'izy ireo dia niditra marobe izy ireo taorian'izany tao amin'ny finoan'i Tompo Allah ka noho izany dia nanjaka tamin'ny finoana rehetra ny finoan'i Tompo Allah taorian'ny antso tsy tapaka sy ny ezaka naharitra avy tamin'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah i (s.w.a) sy ireo mpanaradia Azy (R.d) ary ireo mpandimby Azy tamin'ny hatsarana (tabiyni) Taorian'izany anefa dia niova ny toe-draharaha ary nanjaka tamin'ny ankamaroan'ireo Olona ny habadoana sy ny tsy fahalalana ka lasa niverina indray izy ireo any amin'ny finoan'ny habadoana ny an-kamaroan'ireo Olona sy vahoaka tamin'ny fanitarana tafahoatra amin'ireo Mpaminany sy Olon-janahary amin'ny alàlan'ny fangataham-pitahiana sy vonjy amin'izy ireo sy ny karazana fanompoan-tsampy Shirk maro samy hafa ankoatr'izany ka tsy lasa fantan'izy ireo intsony ny dikan'ny teny hoe La ilaha illallahou tahaka ny tsy fahaizan'ireo mpikomy Arabo Azy ka i Tompo Allah anie hiaro Antsika amin'izany rehetra izany

Mieli-patrana hatrany ka tsy misy fahataperany amin'ireo Olona hatramin'izao vanim-potoana izao izany fanompoan-tsampy sy fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa izany, noho ny fandresen'ny habadoana izay mibahan-toerana amin'Olombelona ary noho izao vanim-potoana izao manalavitra ny vanim-potoanan'ny faminaniana.

Ny fisalasalana napetrak'ireo tany aloha amin'izy ireo dia mbola izany ihany koa ny fampisalasalana ataon'ireo aty aoriana. Ary nitanisa sasantsasany amin'ireo foto-pinoana ara-tsaina Izy.

Ny fampisalasalana nataon'ireo taty aoriana dia mitovy tanteraka amin'ny tany aloha izany dia ny fitenenan'izy ireo manao hoe : Izy ireo no mpanelanelana Anay amin'i Tompo Allah, tsy manompo azy ireo Izahay afa-tsy mba hanatonanay akaiky kokoa an'i Tomo Allah ihany fa efa nofoanan'iTompo Allah izany fampisalasalana izany ary nohazavainy fa izay manompo zavatra hafa ankoatrany, na inona na inona io zavatra tompoiny io dia efa nanambatra Azy sahady amin'ny zavaboariny, ary nikomy Azy, araka ny tenin'ilay avo Tsitoa manao hoe :﴿وَيَعْبُدُونَ مِنْ دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَضُرُّهُمْ وَلَا يَنْفَعُهُمْ وَيَقُولُونَ هَؤُلَاءِ شُفَعَاؤُنَا عِنْدَ اللَّهِ﴾ " Manompo hafa ankoatra an'i Tompo Allah Izy ireo, izay tsy afaka ny hanao ratsy na hanao tsara amin'izy ireo akory, ary milaza izy ireo hoe : " Izy ireto no mpanelanelana Anay any amin'i Tompo Allah ".[ Souratoule YOUNOUSSE : 18 ].Ary novalin'i Tompo Allah izy ireo amin'ny Teniny manao hoe :﴿قُلْ أَتُنَبِّئُونَ اللَّهَ بِمَا لَا يَعْلَمُ فِي السَّمَاوَاتِ وَلَا فِي الْأَرْضِ سُبْحَانَهُ وَتَعَالَى عَمَّا يُشْرِكُونَ﴾ " Teneno ary lazao hoe : " Moa va hampahalalanareo izay tsy fantany any an-danitra, sy eto an-tany i Tompo Allah ? ". Azy ny fahadiovana amam-boninahitra! Tena ambony lavitranoho izay atambatr'izy ireo Aminy Izy ).[ Souratoule YOUNOUSSE : 18 ].Koa, nanazava i Tompo Allah amin'ireto andininy soratra masina ireto, fa tena marina fa ny fanompoana zavatra hafa ankoatra Azy na ny Mpaminany izany tompoina izany, na Olon-janahary na hafa ankoatr'ireo dia izany no shirk sy fanompoan-tsampy lehibe, na dia hafa aza no iantsoan'ireo mpanao izany azy, Ary ilay Avo Tsitoa milaza ka miteny manao hoe :﴿وَالَّذِينَ اتَّخَذُوا مِنْ دُونِهِ أَوْلِيَاءَ مَا نَعْبُدُهُمْ إِلَّا لِيُقَرِّبُونَا إِلَى اللَّهِ زُلْفَى ﴾ " Ary ireo izay maka mpiahy ankoatra Azy (Allah) kosa dia miteny hoe : " Ny hampanakaiky Anay kokoa fotsiny amin'i Tompo Allah no anompoanay azy ireo ".[ Souratoule Az-Zomar : 3 ].Ary novalin'i Tompo Allah izy ireo amin'ny Teniny manao hoe :﴿إِنَّ اللَّهَ يَحْكُمُ بَيْنَهُمْ فِي مَا هُمْ فِيهِ يَخْتَلِفُونَ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي مَنْ هُوَ كَاذِبٌ كَفَّارٌ﴾ " Hamafisina, fa hitsara azy ireo amin'izay tsy nampitovy hevitra azy ireo i Tompo Allah ary tena marina tokoa fa tsy mitari-dàlana izay mpandainga, sy tsy mahay mankasitraka i Tompo Allah ".[ Souratoule Az-Zomar : 3 ].Amin'izany i Tompo Allah dia, naneho fanazavana tena mazava tsara fa ny fanompoan'izy ireo ny zavatra hafa ankoatra ny, amin'ny alàlan'ny fangatahana sy fitalahoana sy tahotra ary fanantenana, sy zavatra hafa mitovy tahaka izany, dia tafiditra ho fikomiana eo Aminy, ary tena lainga indrindra amin'ny tenin'izy ireo ny fitenenana hoe : ireo sampy tompoin'izy ireo dia mampifanatona akaiky azy ireo amin'i Tompo Allah.Anisan'ireo foto-pinoana mifototra amin'ny ara-tsaina izay manohitra ny foto-pinoana marina sy mifanohitra amin'izay nentin'ireo Iraka (A.s) dia ny zavatra inoan'ireo tsy mino ny fisian'i Tompo Allah amin'izao vanim-potoana izao, avy amin'ireo mpanaraka an'i Marikisy sy Leniny, sy ny hafa ankoatr'izy roa ireo, avy amin'ireo mpiantso ho amin'ny finoana ny tsy fisian'i Tompo Allah sy amin'ny fikomiana na antsoin'izy ireo hoe sosialisma izany na kominisma na Baathisme, na anarana hafa ankoatr'izany fa anisan'ny fototra niandohan'ireo tsy mpino ny fisian'i Tompo Allah dia hoe tsy misy Tompo Allah ary ny fiainana dia zavatra (matière).Ary anisan'ny foto-kevitr'izy ireo ny fandavana sy fitsipahana ny fisian'ny fitsanganana amin'ny maty, ny fandavana sy tsy fanekena ny Paradisa sy ny Afobe, ary ny tsy finoana ny fivavahana rehetra. Izay mijery ny Bokin'izy ireo sy mandalina ny zavatra arahin'izy ireo dia hahalala izany am-pitokisana ka dia tsy hisalasalàna mihitsy fa izany foto-pinoana izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny finoana rehetra izay nipoitra avy any an-danitra ary mitondra sy misarika ny vahoakany ho any amin'ny fiafarana ratsy indrindra eto an-tany sy any ankoatra.Anisan'ny foto-pinoana izay manohitra ny fahamarinana ny zavatra izay hinoan'ny Esoterika sasantsasany sy ny Sofista sasantsasany avy amin'ny sasany amin'ireo antsoin'izy ireo hoe Olo-masina mandray anjara miaraka amin'i Tompo Allah eo amin'ny fandrindrana sy manapan-kevitra eo amin'ny raharahan'izao tontolo izao, ary zareo ireo no antsoin'izy ireo hoe : " Aktwab " sy " Awtad " ary " Aghwas " sy ireo anarana hafa ankoatr'izany izay noforonin'izy ireo ho an'ny tompony.Ary io no anisan'ny Shirk ratsy indrindra eo amin'ny maha tompo an'i Tompo Allah, ary ratsy noho ny Shirk nisy teo amin'ny Arabo tamin'ny andron'ny fahabadoana, satria ny mpikomy Arabo tamin'izany fotoana izany dia tsy nanakambana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa amin'ny maha Tompo Azy, fa tany amin'ny fanompoam-pivavahana no nanakambanan'izy ireo Azy amin'ny zavatra hafa. Tamin'izy ireo ny fanakambanana dia eo amin'ny fotoan'ny fahalalahana ihany no nanaovan'izy ireo izany, fa rehefa latsaka an-katerena izy ireo dia manao ny fanompoana ho an'i Tompo Allah irery ihany amin'ny fahadiovam-po tanteraka. Izany dia voaporofo ao amin'ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :﴿فَإِذَا رَكِبُوا فِي الْفُلْكِ دَعَوُا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ فَلَمَّا نَجَّاهُمْ إِلَى الْبَرِّ إِذَا هُمْ يُشْرِكُونَ٦٥﴾ " Ka rehefa nitaingina tao anatin'ny Sambo izy ireo, dia nangataka tamin'i Tompo Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soamantsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa lasa nanompo sampy sy nanakambana Azy amin'ny zavatra hafa ".[ Souratoule AL-ANKABOUTI : 65 ].Fa ny maha Tompo Mpahary izao tontolo Azy kosa dia niaiky izany izy ireo fa tena ho Azy irery ihany izao rehetra izao, araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :﴿وَلَئِنْ سَأَلْتَهُمْ مَنْ خَلَقَهُمْ لَيَقُولُنَّ اللَّهُ﴾ " Fa raha hanontanianao izy ireo hoe : " Iza no nahary azy ireo ? ", dia hamaly tokoa izy ireo ka hiteny hoe : " i Tompo Allah ". Nefa nahoana àry izy ireo no mihataka sy manalavitra Azy ? ".[ Souratoule AZ-ZOUHROUF : 87 ].Ary niteny Ilay Avo indrindra ka nanao :﴿قُلْ مَنْ يَرْزُقُكُمْ مِنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ أَمَّنْ يَمْلِكُ السَّمْعَ وَالْأَبْصَارَ وَمَنْ يُخْرِجُ الْحَيَّ مِنَ الْمَيِّتِ وَيُخْرِجُ الْمَيِّتَ مِنَ الْحَيِّ وَمَنْ يُدَبِّرُ الْأَمْرَ فَسَيَقُولُونَ اللَّهُ فَقُلْ أَفَلَا تَتَّقُونَ٣١﴾ " Teneno hoe :" iza no manome anjarampivelomana ho Anareo avy any an-danitra sy ety an-tany, na koa iza no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana, ary iza no mamoaka ny velona amin'ny maty sy mamoaka ny maty amin'ny velona, ary iza no mandrindra ny raharaha rehetra ? " dia hiteny izy ireo ka hanao hoe : " i Tompo Allah ", ka teneno sy lazao ary hoe : " ka moa tsy matahotra Azy va Ianareo ? ".[ Souratoule Younousse : 31 ].Ary marobe ireo andiny soratra masina miresaka momba an'izany rehetra izany.

Ireo zavatra nampian'ireo mpampikambana (moushrik) taty aoriana amin'ny nataon'ireo tany aloha

Raha ny amin'ireo mpanompo sampy izay mpampikambana an'i Tompo Allah taty aoriana, dia natombon'izy ireo ny azy raha oharana amin'ny tany aloha, amin'ny lafiny Roa : Ny iray amin'izany dia : Ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavaboary izay nohariany eo amin'ny maha Tompo Azy, izay nataon'ny sasantsasany tamin'izy ireo. Ny faha-roa kosa dia : Ny fanakambanana ataon'izy ireo amin'ny fomba an-kamoràhana sy an-kasarotana ka dia mahalala izany izay rehetra mifanerasera amin'izy ireo sy manadihady ny fiaimpiainan'izy ireo, sy ireo izay mahita ny zavatra ataon'izy ireo any amin'ny fasan'i Houssein, sy Al-Badawi ary ny hafa ankoatr'ireo Roa ireo any Egypte. Ary eo amin'ny fasan'i Al-Aidarous any Aden sy Al Hadi any Yamen sy Ibn Arabi any Shami ary Sheikh Abdoul-Kadir al-Jilani ao Iraq, sy ireo fasana malaza hafa ka tena efa nihoa-pefy araka ny tokony ho izy eo amin'izany ireo sarambam-bem-bahoaka, ary tena betsaka amin'ireo Zon'i Tompo Allah izay tsy ikambanany amin'ny hafa no natolon'izy ireo an'ireny fasana voalaza eo ambony ireny. Ary vitsy ny tsy mankasitra ny ataon'izy ireo zany, sy manazava amin'ny Olona ny tena fanokanana an'i Tompo Allah (Tawhid) marina izay nanirahan'i Tompo Allah ny Mpaminaniny (s.w.a) sy ireo Iraka teo alohany, atsika dia an'i Tompo Allah ary any Aminy ihany no mbola hiverenana.Ary mangataka amin'i Tompo Allah Isika mba hamerina azy ireo ho tonga saina, hampitombo ny mpiantso amin'ny fitarihana eo anivon'izy ireo, ary hitari-dàlana ireo mpitarika sy manampahaizana silamo hiady amin'izany fanompoan-tsampy izany, ary hanafoana tanteraka azy sy ny fomba entina mampiely azy, satria Izy no Mandre sy akaiky.Anisan'ireo foto-pinoana manohitra sy mitsipaka ny foto-pinoana marina ao amin'ny fizarana momba ireo Anarana Masinan'i Tompo Allah sy ireo Toetrany ny foto-pinoan'ireo Olon'ny forona avy amin'ny DJahmiyyah sy ny Mou'tazila ary ireo izay manaraka ny làlany amin'ny fandavana ireo Toetran'i Tompo Allah, sy ny fanodikodina ireo Toetra tonga lafatra izay ananany, ny filazana Azy ho tsy misy aina sy tsy mitombona, sanatriavina amin'i Tompo Allah izany rehetra lazain'izy ireo momba Azy izany.Tafiditra ao anatin'izany dia ireo izay mandà ny sasantsasany amin'ireo toetra ary manamafy ny sasantsasany amin'izy ireo, toy ny Ashayrat, satria izy ireo dia mifikitra amin'izay nohamafisiny amin'ireo Toetra, mitovy amin'izay nandosirany tamin'ireo toetra izay nolaviny sy nadikany vilana ny porofony. Ka nifanohitra tamin'ny porofo ara-tsiansa sy ara-tsaina izy ireo, ary nisy fifanipahana mazava tanteraka tamin'izany.Raha ny amin'ny Ahlou Sounnah wal-Jama'a kosa no resahina dia efa nohamafisiny ho amin'i Tompo Allah avokoa izay rehetra nambarany fa ho Azy na nambaran'ilay Iraka mahafatoky i Mpaminany MouhammadI (s.w.a) fa Azy, amin'ireo Anarana Masina sy manambonahitra ary ireo Toetra amin'ny fomba tonga lafatra ary nanandratra Azy tsy hitovy amin'ny Mpamorona ny zava-boary izy ireo, fanandratana lavitra ny kileman'ny fanodikodinana, Ka nampiasa ny porofo rehetra izy ireo, tsy nanova na nanodikodina, ka tsy azon'ny fifanoherana izay nahavoa ny ireo hafa, araka ny efa nolazaina tany aloha.Ary izany no làlana mankany amin'ny famonjena sy fiadanana ary fahasambarana eto amin'izao tontolo izao sy ny any an-koatra, ary io no làlana mahitsy izay nolalovan'ireo teo aloha sy ireo imam-n'ity vahoaka ity. Ary ny zavatra nampanjary ny taloha amin'izy ireo ihany no hampanjary ny aty aoriana, izany dia fanarahana ny Boky Masina Koroany sy ny Sounna, ary ny famelana izay zavatra mifanohitra amin'izy roa.

Ny tsy maintsy hanompoana an'i Tompo Allah ireny ihany sy hanazavana ny antony hahazoana fandresena amin'ireo fahavalon'i Tompo Allah.

Ny tena adidy lehibe indrindra amin'ireo Mpanompo sy ny tena zava-dehibe ho Azy dia ny hanompo ny Tompony Allah, Tompon'ny lanitra sy ny tany ary Tompon'ny seza fiandrianana lehibe, izay milaza ao amin'ny Bokiny manao hoe :﴿إِنَّ رَبَّكُمُ اللَّهُ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ ثُمَّ اسْتَوَى عَلَى الْعَرْشِ يُغْشِي اللَّيْلَ النَّهَارَ يَطْلُبُهُ حَثِيثًا وَالشَّمْسَ وَالْقَمَرَ وَالنُّجُومَ مُسَخَّرَاتٍ بِأَمْرِهِ أَلَا لَهُ الْخَلْقُ وَالْأَمْرُ تَبَارَكَ اللَّهُ رَبُّ الْعَالَمِينَ٥٤﴾ " Marina fa ny Tomponareo, dia i Tompo Allah izay Nahary sy Nanamboatra ireo lanitra sy ny tany tao anatin'ny Eninandro, avy eo Izy dia nitoetra (istawã) teo ambonin'ny Seza fiandriana. Ary ny alina nataony handrakotra ny Andro no sady manenjika Azy tsy ankijanona. Ary (Izy no nahary) ny masoandro, ny volana, sy ireo kintana, izy ireo dia manaiky ny baikony avokoa ka moa ve tsy Azy irery ny famoronana sy ny fibaikoana ? Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah, Tompon'izao Tontolo izao ".[ Souratoule Al-Inraf: 54 ].Amin'ny toerana hafa ao amin'ny Bokiny Izy-ilay Be Voninahaitra- milaza fa izy no nahary sy nanamboatra ny Olombelona sy ny Djiny ny mba hanompo Azy, ka nilaza Izy manao hoe :﴿وَمَا خَلَقْتُ الْجِنَّ وَالْإِنْسَ إِلَّا لِيَعْبُدُونِ٥٦﴾ " Ary tsy nohariako ny Djiny sy ny Olombelona, afa-tsy hoe avy hanompo Ahy irery ihany ".[ Souratoule Az-Zàryàte: 56 ].Ary ireo fanompoana napetrany Tompo Allah sy nohariany ary namboariny dia izany no anisany antony nanamboarany ireo zavaboary atao hoe : Olombelona sy ny Djiny, ary izany indrindra no fanokanana Azy amin'ireo karazana fanompoa maro samy hafa toy ny vavaka (Soalat), Fifehezana, Famoahana ampahan-karena (Zakat), Fivahiniana masina (Hadjy), Fiondrefana, Fiankohofana, ny Tawaf (Fiodikodinana eo amin'ny Tranomasin'i Tompo Allah), Sorona, Voady, Tahotra, Fanantenana, Fitadiavana Fanavotana, Fangataham-pamonjena, Fitadiavana Fanampiana, sy ireo karazana Fitalahoana isankarazany. Tafiditra anisan'izany ny fankatoavana Azy ilay Be Voninahaitra amin'ny didiny rehetra, sy fampitsaharana izay nosakanany, izay nambaran'ny Bokiny sy ny Sounna-n'ilay Irany - ho Azy avy amin'ny Tompony ny fitahiana tsara indrindra sy ny fiadanana - (s.w.a).Ary i Tompo Allah dia nandidy ny Olona sy ny Djiny rehetra tamin'izany karazana fanompoana izany, izay antony nohariana azy ireo, ary nalefany ny Iraka rehetra sy Mpaminany ary nampidininy ny Boky Masina mba hanazavana izany fanompoana izany, ka hanazava izany amin'ny fomba rehetra an-tsipiriany, sy hiantsoana mankany Aminy, ary handidy ny amin'ny fanatanterahana izany amin'ny fahadiovam-po ho an'i Tompo Allah irery ihany, araka ny nolazain'ilay avo indrindra manao hoe:﴿يَا أَيُّهَا النَّاسُ اعْبُدُوا رَبَّكُمُ الَّذِي خَلَقَكُمْ وَالَّذِينَ مِنْ قَبْلِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ٢١﴾ " Ô ry Olombelona! Tompoy ny Tomponareo izay nahary sy nanamboatra Anareo, sy ireo izay talohanareo, angamba hanam-patahorana Ianareo ".[ Souratoule Al-Bakarat: 21 ].Ary niteny - ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿وَقَضَى رَبُّكَ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا إِيَّاهُ وَبِالْوَالِدَيْنِ إِحْسَانًا﴾ " Ary naniraka ny Tomponao ka nanao hoe : " Aza manompo afa-tsy Izy ianareo, ary manaova ny tsara amin'ireo Ray aman-dReny ".[ Souratoule Al-Isrà : 23 ].Ary naniraka dia midika hoe nandidy sy nanoro hevitra.Ary niteny Ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿وَمَا أُمِرُوا إِلَّا لِيَعْبُدُوا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ حُنَفَاءَ وَيُقِيمُوا الصَّلَاةَ وَيُؤْتُوا الزَّكَاةَ وَذَلِكَ دِينُ الْقَيِّمَةِ٥﴾ " Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy hanompo an'i Tompo Allah tokana ihany; fanompoana Azy amim-pahadiovam-po tsy afangaro amin'ny zavatra hafa, sy ny fanatanterahan'izy ireo ny vavaka (Soalat), ary hanome ny harena fiantrana (Zakat). Izany no finoana tonga lafatra tokoa ".[ Souratoule Al-baynat :5 ]Maro ireo andininy soratra masina misy sy manana dika mitovy amin'izany ao amin'ny Boky masina Koroan'i Tompo Allah, ary miteny Izy ka nanao hoe :﴿وَمَا آتَاكُمُ الرَّسُولُ فَخُذُوهُ وَمَا نَهَاكُمْ عَنْهُ فَانْتَهُوا وَاتَّقُوا اللَّهَ إِنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ﴾ " Izay noentin'ilay Iraka Aminareo dia raiso, ary izay nanakanany Anareo dia atsaharo ka matahora an'i Tompo Allah fa tena marina fa i Tompo Allah dia mafy sazy sy famaizana ".[ Souratoule Al-Hashr : 7 ].Ary mbola niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا أَطِيعُوا اللَّهَ وَأَطِيعُوا الرَّسُولَ وَأُولِي الْأَمْرِ مِنْكُمْ فَإِنْ تَنَازَعْتُمْ فِي شَيْءٍ فَرُدُّوهُ إِلَى اللَّهِ وَالرَّسُولِ إِنْ كُنْتُمْ تُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ذَلِكَ خَيْرٌ وَأَحْسَنُ تَأْوِيلًا٥٩﴾ " Ô Ianareo izay nino ! Ankatoavinareo i Tompo Allah, ary ankatoavinareo koa ny Iraka sy ireo mpitondra eo Aminareo, koa raha misy zavatra hifandroritanareo (hifanolananareo), dia aoka hamerina izany any amin'i Tompo Allah sy ny Iraka Ianareo, raha mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany ianareo. Izany no tsara indrindra sy fanazavana mendrika indrindra ".[ Souratoule AN-NISSA : 59 ].Ary niteny - ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿مَنْ يُطِعِ الرَّسُولَ فَقَدْ أَطَاعَ اللَّهَ﴾ " Izay nankatoa an'ilay Iraka dia efa nankatoa ihany koa an'i Tompo Allah "[ Souratoule AN-NISSA : 80 ].Ary mbola Niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿وَلَقَدْ بَعَثْنَا فِي كُلِّ أُمَّةٍ رَسُولًا أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَاجْتَنِبُوا الطَّاغُوتَ﴾ " Nandefasanay Iraka iray isaka ny vahoaka tsirairay,(mba hilaza amin'izy ireo hoe) : " Manompoa an'iTompo Allah Ianareo ary alaviro ny sampy isan-karazany "[ Souratoule An-Nahl : 30 ]Ary mbola Niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿وَمَا أَرْسَلْنَا مِنْ قَبْلِكَ مِنْ رَسُولٍ إِلَّا نُوحِي إِلَيْهِ أَنَّهُ لَا إِلَهَ إِلَّا أَنَا فَاعْبُدُونِ٢٥﴾ " Tsy nandefa Iraka Izahay na dia iray aza talohanao, ka tsy nambaranay Azy ny hoe : " Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany; aoka hanompo Ahy irery Ianareo !".[ Souratoule Al-Anbya : 25 ].Ary Niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿الر كِتَابٌ أُحْكِمَتْ آيَاتُهُ ثُمَّ فُصِّلَتْ مِنْ لَدُنْ حَكِيمٍ خَبِيرٍ١ " ALIF,LAM,RA. Ity dia Boky voarindra tanteraka ny andian-teniny ary tena voazava amin'ny antsipiriany, avy amin'ilay be Fahendrena sy Mpahalala ny zava-drehetraأَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا اللَّهَ إِنَّنِي لَكُمْ مِنْهُ نَذِيرٌ وَبَشِيرٌ٢﴾ " Aoka tsy hanompo afa-tsy i Tompo Allah Ianareo, marina fa Izaho dia mpampitandrina sy mpampilaza vaovao mahafaly avy Aminy ho Anareo ".[ Souratoule HOUD : 1- 2 ].Ireo andininy soratra masina dia mazava tsara ny voalazany ireo, sy izay mitovy dika Aminy ao amin'ny Boky masinan'i Tompo Allah, dia samy manamafy ny tsy maintsy ilàna ny fanompoana an'i Tompo Allah ireny ihany an-kitsim-po, ary izany no fototra sy tanjaky ny finoana, tahaka ny hoe izany no fahendrena tamin'ny namoronana ny Olombelona sy ny Djiny, ary nandefasana ireo Iraka sy Mpaminany ary nanampidinana ireo Boky Masina;Ka voaadidy amin'ireo mpanompo rehetra ny fikolokoloana izany raharaha izany, sy fandalinana Azy, ary ny fitandremana ny amin'izay nahatafalatsaka ny maro amin'ireo mpanaraka ny finoana Islamo tamin'ny alàlan'ny fihoaram-pefy amin'ireo Mpaminany sy Olona mendrika sy ny fanorenana eo amin'ny fasan'izy ireo, ny fananganana Masdjid sy tikambo lehibe eo Aminy, sy ny fangatahana fanampiana sy fitahiana ary vonjy amin'izy ireo, ny fitadiavana vahaolana sy fahasitrana ho an'ny marary ary fandresena amin'ireo fahavalo sns... ireo rehetra ireo dia fanompoan-tsampy Shirk lehibe,Ary tena efa nisy fanambara marina avy tamin'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) izay mifanaraka amin'izay voalazan'ny Boky Masinan'i Tompo Allah, ao amin'ny Soahihy roa ( Boukhari sy Mouslim ) araka ny voalazan'i Mo'az (R.d) fa i Mpaminany (s.w.a) Niteny ka naanao hoe :"Fantatrao ve inona ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony sy ny Zon'ny mpanompony amin'i Tompo Allah? ka dia hoy i Mou'az (R.d) Hoy Aho hoe: i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala tsara izany ka hoy i Mpaminany (s.w.a) Namaly ka Niteny hoe : Ny Zon'i Tompo Allah amin'ny Mpanompony dia ny hanompoany Azy ary tsy hampikambana Azy amin'ny zavatra hafa ary ny Zon'ny Mpanompony amin'i Tompo Allah dia ny tsy hanasazy izay tsy mampikambana Azy amin'ny zavatra hafa."tohin'ny HaditheAry ao amin'ny Soahihy Al-bokhari, Hadithe azo tamin'i Abou Horairah ihany, izay nilaza fa i Mpaminany (s.w.a) dia Niteny hoe:" Izay maty ka nampikambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa amin'ny hatakany dia hiditra ny Afobe."Ary nitatitra i Mouslim tao amin'ny Soahihy-ny araka ny voalazan'i Djabir (R.d) fa i Mpaminany (s.w.a) niteny manao hoe :" Izay mihaona amin'i Tompo Allah ka tsy nampikambana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Paradisa, ary izay mihaona Aminy ka nampikambana Azy amin'ny hafa dia hiditra amin'ny Afobe ".Ary ireo Hadithe mitovy dika amin'ireo voalaza ireo dia betsaka, ary ity lohahevitra ity dia iray amin'ireo lohahevitra manan-danja sy lehibe indrindra. Nalefan'i Tompo Allah ny Mpaminanintsika MoUhammdI (s.w.A) hiantso amin'ny Tawhid (fanokanana an'i Tompo Allah) sy hanakana amin'ny fanaovana ny Shirk ka notanterahiny araka ny tokony ho izy ny fampielezana ilay zavatra nanirahana Azy sy nandefasana Azy i (s.w.a) ka nitondra faisana mafy tamin'izany Izy nefa niaritra, sy niaritra niaraka Taminy ihany koa ireo Mpanaradia Azy (R.d) teo amin'ny fampitana ny antso mandra-panesoran'i Tompo Allah ireo sampy sy sary vongana rehetra tao amin'ny nosin'ny Arabo. Ary niditra maro tao amin'ny finoan'i Tompo Allah ny Olona maro ka dia nopotehina avokoa ireo Sampy rehetra izay nanodidina ny Ka'aba ary ny tao anatiny dia narodana i Al-Lat, Al-Ouzza ary i Manat, ary nopotehina ny Sampy rehetra tao amin'ny foko Arabo, noravana ny Sampy teo Aminy ary nasandratra avo dia avo ny Tenin'i Tompo Allah ary nanjaka ny finoana Islam tamin'ny nosin'ny Arabo.Avy eo ny vahoaka Mpino Islamo dia nitarika ny antsony sy ny ady masina ho any ivelan'ny nosy ary dia nahitsin'i Tompo Allah tamin'ny alàlan'izy ireo ny mpanompo izay nialoha làlana amin'ny fahasambarana ary naelin'i Tompo Allah teo amin'izy ireo ny fahamarinana sy ny rariny manerana ny ankamaroan'ny faritra eran'izao tontolo izao ka noho izany dia lasa mpitarika amin'ny fahitsina izy ireo, sy lohan'ny fahamariana, ary mpiantso ny rariny sy ny fanarenana ka nanaraka ny làlan'izy ireo ny mpanara-dia Azy rehetra sy ireo mpandimby avy aoriana tamim-pahasoavana, amin'ireo mpitarika sy mpiantso amin'ny fahamarinana sy mpampiely ny finoan'i Tompo Allah ka dia lasa niantso ny Olona ho amin'ny fanokanana an'i Tompo Allah sy niady mafy amin'ny làlan'i Tompo Allah tamin'ny ainy sy ny volany, ary tsy natahotra ny tsinin'ny mpanome tsiny noho ny amin'i Tompo Allah, ka dia notohanan'i Tompo Allah sy nampandreseny ary nampanjakainy tamin'izay nanohitra Azy izy ireo, notanterahin'i Tompo Allah izay nampanantenainy azy ireo, ao amin'ny Teniny manao hoe :﴿يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِنْ تَنْصُرُوا اللَّهَ يَنْصُرْكُمْ وَيُثَبِّتْ أَقْدَامَكُمْ٧﴾ " Ô iAnareo Mpino ! Raha ampandresenareo i Tompo Allah, dia hataony mpandresy Ianareo, ary hohamafisiny ny dianareo ".[ Souratoule MOUHAMMAD : 7 ].Ary Niteny - ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿وَلَيَنْصُرَنَّ اللَّهُ مَنْ يَنْصُرُهُ إِنَّ اللَّهَ لَقَوِيٌّ عَزِيزٌ ٤٠ " Ary mampandresy izay manohana Azy i Tompo Allah, Matanjaka sy Tsitoha tokoa i Tompo Allah ".الَّذِينَ إِنْ مَكَّنَّاهُمْ فِي الْأَرْضِ أَقَامُوا الصَّلَاةَ وَآتَوُا الزَّكَاةَ وَأَمَرُوا بِالْمَعْرُوفِ وَنَهَوْا عَنِ الْمُنْكَرِ وَلِلَّهِ عَاقِبَةُ الْأُمُورِ ٤١﴾ " Ireo izay, raha omenay Azy ny hery ety ambonin'ny tany,dia manatanteraka ny Soalat (vavaka) izy ireo, ary mamoaka ny Zakat (harena fiantrana), ary mandidy amin'ny tsara sy mandrara amin'ny ratsy. Tena marina fa ny fiafaran'ny zava -drehetra dia any amin'i Tompo Allah ".[ Souratoule AL-HADJ : 41 - 42 ].Avy eo dia nahay niova ny Olona taorian'izany, ary nisara-bazana sy nanao tsirambina ny raharaha momba ny Djihady, nisafidy ny filibana sy fanarahana ny sitra-po. Niseho teo amin'izy ireo ny faharatsiana afa-tsy ireo izay narovan'i Tompo Allah ka dia novan'i Tompo Allah tamin'izy ireo ny zava-misy ary nampanjakainy tamin'izy ireo ny fahavalony ho valin'ny vitan'izy ireo, ary tsy mba miangatra amin'ny mpanompo ny Tomponao ka hoy ilay avo Tsitoa manao hoe :﴿ذَلِكَ بِأَنَّ اللَّهَ لَمْ يَكُ مُغَيِّرًا نِعْمَةً أَنْعَمَهَا عَلَى قَوْمٍ حَتَّى يُغَيِّرُوا مَا بِأَنْفُسِهِمْ﴾ " Izany tokoa fa i Tompo Allah dia tsy manova mihitsy ny fahasoavana izay nomeny ny vahoaka mandrapanovan'izy ireo ny Tenany, ary tena marina fa i Tompo Allah ilay Maheno sy be Fahalalana ".[ Souratoule AL-ANFAL : 53 ].Adidy ho an'ny vahpaka mpino mpanaraka ny finoana Islamo rehetra, na ny mpitondra fanjakana na ny vahoaka tsotra ny miverina amin'i Tompo Allah, sy ny manokana ny fanompoana hoa Azy irery ihany, sy ny mibebaka Aminy, noho ny tsy firaharahany sy ny fahotana vitany teo aloha, ary ny manafaingana ny asa izay nandidian'i Tompo Allah azy ireo, sy ny fisitahana lavitra amin'ny zavatra nandrarany, ary mifanoro hevitra sy miara-miasa amin'izany.

Anisan'ny zava-dehibe indrindra amin'izany dia ny fametrahana ny sazy araka ny lalàna islamika sy fampiharana ny lalànan'i Tompo Allah (Sharia) eo amin'ny Olona manoloana ny zava-drehetra, ary ny fifampitsarana amin'ny alàlan'izany, sy fampitsaharana ireo lalàna nataon'ny Olombelona izay mifanohitra amin'ny lalàn'i Tompo Allah, ary ny tsy fitsarana amin'izany, ary ny fanerèna ny vahoaka rehetra hanaraka ny lalànan'i Tompo Allah.Takina tahaka izany amin'ireo Manampahaizana ny fampahafantaran'izy ireo ny Olona sy ny finoany ary ny fampielezana sy fanentanana ho amin'ny fampianarana Islamika eo anivon'izy ireo samy izy ireo, ny fifananarana momba ny fahamarinana sy fananana faharetana amin'izany, ary ny amin'ny fanirahana ho amin'ny tsara sy fanakanana amin'ny ratsy, ary famporisihana ny mpitondra fanjakana ny amin'izany rehetra izany.Tsy maintsy miady tahaka izany amin'ireo foto-kevitra manimba toy ny : Sosialisma, Baathisma, sy ireo fanatisma amin'ny firenena ary ny foto-kevitra hafa avy amin'ireo foto-pampianarana izay mifanohitra amin'ny lalàn'i Tompo Allah, amin'ny alàlan'izany no hanarenan'i Tompo Allah ny zavatra simba eo amin'ny fiainan'ny vahoaka Mpino Islamo ary hamerina amin'izy ireo ny fananany very Taminy, sy hamerina aminy ny voninahitra nisy Taminy teo aloha, ary hampandresy azy ireo amin'ny fahavalony, sy hampatanjaka azy ireo eto an-tany, araka ny voalazan'ilay avo Tsitoa, ary Izy no mpiteny marina indrindra manao hoe :﴿وَكَانَ حَقًّا عَلَيْنَا نَصْرُ الْمُؤْمِنِينَ﴾ " ary tena marina adidinay tokoa ny mampandresy ireo vahoaka Mpino izay manampinoana ".[ Souratoule AR-ROUM : 47 ].Ary niteny ilay Avo indrindra ka nanao hoe :﴿وَعَدَ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا مِنْكُمْ وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَيَسْتَخْلِفَنَّهُمْ فِي الْأَرْضِ كَمَا اسْتَخْلَفَ الَّذِينَ مِنْ قَبْلِهِمْ وَلَيُمَكِّنَنَّ لَهُمْ دِينَهُمُ الَّذِي ارْتَضَى لَهُمْ وَلَيُبَدِّلَنَّهُمْ مِنْ بَعْدِ خَوْفِهِمْ أَمْنًا يَعْبُدُونَنِي لَا يُشْرِكُونَ بِي شَيْئًا وَمَنْ كَفَرَ بَعْدَ ذَلِكَ فَأُولَئِكَ هُمُ الْفَاسِقُونَ٥٥﴾ " Ary i Tompo Allah dia nampanantena ireo izay nino Aminareo sy nanao ireo asa soa, fa homeny azy ireo ny fifandimbiasana eto ambonin'ny tany, tahaka ny nanomezany izany an'ireo talohan'izy ireo, homeny hery sy tanjaka ary fahamboniana ny finoan'izy ireo izay nankasitrahiny ho azy ireo. Ary tena hosoloany ho azy ireo ny fatahorany teo taloha ho fitoniana, manompo Ahy izy ireo ary tsy manankambana Ahy amin'ny zavatra hafa, ary izay tsy mino aorian'izany, dia izy ireny no tena mpanao ny ratsy ".[ Souratoule AN-NOUR : 55 ].Ary mbola niteny ilay avo Tsitoha ka nanao hoe :﴿إِنَّا لَنَنْصُرُ رُسُلَنَا وَالَّذِينَ آمَنُوا فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَيَوْمَ يَقُومُ الْأَشْهَادُ٥١﴾ " Tena hamafisina etoana, fa manavotra ireo Irakay sy ireo izay mino Izahay amin'ny fiainana eto an-tany sy amin'ny Andro izay hitsanganan'ireo vavolombelona ".[ Souratoule GHAFIR : 51 ].﴿يَوْمَ لَا يَنْفَعُ الظَّالِمِينَ مَعْذِرَتُهُمْ وَلَهُمُ اللَّعْنَةُ وَلَهُمْ سُوءُ الدَّارِ٥٢﴾ " Amin'ny Andro izay tsy hahasoa an'ireo mpanao ny tsy rariny ny fialantsininy, ka ho azy ireo ny ozona sy ny fonenana ratsy indrindra ".[ Souratoule GHAFIR : 52 ].

Ary amin'i Tompo Allah no angatahana ny fomba rehetra izay mety mba hanitsiana sy hanarina ny mpitondra sy mpitarika ireo vahoaka Mpino mpanaraka ny finoana Islamo sy ireo vahoaka izay taritina, ary ny mba hanolotra sy hanome azy ireo fahalalana momba ny finoana, ary hanambatra azy ireo eo amin'ny teny tokana mba hisiany fatahorana amin'izy ireo ka hitarika azy rehetra amin'ny làlana mahitsy, ary ho amin'ny alàlan'izy ireo no hoentin'i Tompo Allah mampandresy ny fahamarinana, sy handresy ny lainga, ary hitari-dàlana azy rehetra ireo ho amin'ny firaisan-kina amin'ny tsara sy fatahorana, ary hifananatra amin'ny fahamarinana sy ny faharetana eo Aminy izy ireo. Izy no tompon'izany sy manana fahefana mahefa izany ka Tso-dranon'iTompo Allah anie ny ho amin'ily Mpanompony no sady Irany (s.w.a) sy ilay nosafidiny manokana amin'ireo zava-boariny izany dia ny Mpaminanintsika sy Mpitarika antsika ary Lehibentsika i Mouhammadi bin Abdillah (s.w.a) ary koa ho an'ny fianakaviany sy ireo namany, ary izay rehetra nanaraka ny sori-dàlany. As-salamo alaikoum warahmatoullah wabarakatouhou.

NY FOTO-PINOANA MARINA SY IZAY MIFANOHITRA AMINY ARY IREO ZAVATRA MANAFOANA NY FINOANA ISLAM.

TENY FAMPIDIRANA

Ny finoana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha :

Ny finoana sy fanekena fa i Tompo Allah irery ihany no Tompo marina izay mendrika ho tompoina ka tsy misy ankoatra Azy.

Ny finoana ny zava-drehetra izay nandidian'i Tompo Allah ireo mpanompony, toy ny andry dimin'ny finoana Islam.

Ny finoana sy fanekena fa i Tompo Allah no Nahary sy nanamboatra an'izao tontolo izao, sy Izy no Mpandrindra ny raharahan'izy ireo rehetra, ary Mpanapan-kevitra ihany koa amin'izy ireo amin'ny zava-drehetra noho ny avy amin'ny fahalalany sy ny heriny.

Ny finoana sy fanekena ireo Anarany Tompo Allah izay Kanto indrindra sy ireo Toetrany Avo izay ananany, ka tsy misy fanovana na fanodinkodinana ny momba azy ireo na koa fanontaniana na fampitahana azy ireo amin'ny zavatra hafa.

Ny finoana sy fanekena an'ireo Anjely :

Ny finoana sy fanekena an'ireo Boky :

Ny finoana an'ireo Iraka sy Mpaminany :

Ny finoanana ny fisiany Andro farany :

Ny finoana sy fanekena ny Lahatra sy ny Anjara

Ny Imany (finoana) dia teny mivoaka avy amin'ny vava sy asa atao, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny alàlan'ny fahadisoana sy fahotana.

Filazana sy fitanisana ireo izay niala làlana amin'izany foto-pinoana izany sy ireo izay mizotra amin'ny fanoherana Azy.

Ny karazan'izy ireo

Ny fisalasalana napetrak'ireo tany aloha amin'izy ireo dia mbola izany ihany koa ny fampisalasalana ataon'ireo aty aoriana. Ary nitanisa sasantsasany amin'ireo foto-pinoana ara-tsaina Izy.

Ny tsy maintsy hanompoana an'i Tompo Allah ireny ihany sy hanazavana ny antony hahazoana fandresena amin'ireo fahavalon'i Tompo Allah.