×
Ny Finoana Islamo dia finoan'ny Tompon'izao tontolo izao

Amin'ny anaran'I Allah, Ilay Be indrafo, Ilay Be fiantrana.

Ny Finoana Islamo dia finoan'ny Tompon'izao tontolo izao

Iza no Tomponao?

Ity no fanontaniana lehibe indrindra eo amin'ny fisiana; Io no tena fanontaniana manan-danja indrindra izay tokony ho fantatrin'ny Olona rehetra ny valiny.

Ny Tompontsika dia ilay Nahary ny lanitra sy ny tany, ary Nampidina ny latsakorana sy ny rano avy any an-danitra ka namoa niaraka tamin'izany ny voankazo sy ny hazo mba ho sakafo fihinana ho antsika sy ho an'ny biby fiompintsika izay mbola ho hoanintsika ihany koa.Ary Izy no Nahary antsika, ary Izy no Nahary ny razantsika, ary Izy no Nahary ny zava-drehetra, ary Izy no Nanao ny alina sy ny andro, ary Izy no Nanao ny alina ho fotoana hatoriana sy fitsaharana ary fialan-tsasatra, ary ny andro no fotoana itadiavana sakafo sy ny fivelomana.Izy no Nampamaivana ho antsika ny fizotrany masoandro sy ny volana ary ny kintana sy ireo ranomasina, ary Nampamaivana ho antsika ihany koa ireo biby izay natao ho sakafo fihinana sy ny andraisantsika ireo soa avy amin'ny rononony sy ny volon'ony.

Inona avy ireo Toetran'ny Tompon'izao tontolo izao ?

Ny Tompo no Namorona ny zavaboary rehetra, ary Izy no mitari-dàlana azy ireo mankany amin'ny làlan'ny fahitsiana feno fahamarinana, ary Izy ihany koa no mitantana ny raharahan'ny zavaboary rehetra, ary Izy no manome azy ireo ny anjara masoandrom-pivelomana, ary Izy no Tompon'ny zavatra rehetra misy eto amin'ity fiainana ity sy izay rehetra any ankoatra, ary ny zava-drehetra dia fananany avokoa, ary ny rehetra ankoatrin'izay dia Azy avokoa.Izy dia Ilay Tompo Velona tsy mba maty na matory, ary Izy no Mpamelona, sy mitsangana mibaiko ka avy amin'ny baikony no mamelona ny zava-drehetra, ary ny famindram-pony no mandrakotra ny zava-drehetra, ary Izy no Ilay voalaza fa tsy misy takona Aminy ny zava-drehetra na ety an-tany na any an-danitra.Tena tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no Mandre sy Mahita ny zava-drehetra, ary Izy no ambonin'ny lanitra ary tsy miankina amin'ny zavaboariny, ary ny zavaboary rehetra dia mila Azy avokoa, ary tsy misy na inona na inona ny zavaboariny raha avela eo Aminy, Voninahitra sy laza ho Azy ary Izy no Avo indrindra.Ny Tompo no Namorona an'ity tontolo hita maso ity miaraka amin'ireo rafitra voalanjalanja rehetra izay tsy ho levona, na ny rafitry ny vatan'olombelona izany na ny ireo biby, na ny rafitr'izao tontolo izao izay hita eo amin'ny manodidina Antsika miaraka amin'ny masoandrony sy ny kintanany ary ireo singany maro samy hafa ihany koa.

Ary izay rehetra ivavahana ankoatra Azy (Tompo Allah) dia tsy misy tombony tsara na ratsy ho an'ny Tenany, koa ahoana no hitondrana soa ho an'izay mivavaka Aminy, na hanalavirana ny loza avy Aminy ?

Inona ary no Zon'ny Tompontsika Amintsika?

Ny Zon'ny Tompo amin'ny zanak'olombelona rehetra dia ny hitsangana hanompo Azy irery amin'ny fanompoana tsy misy mikambana Aminy na amin'ny inona na amin'ny inona, na vato, na renirano, na zavatra tsy manan'aina, na planeta, na zavatra hafa ankoatra Azy, fa tokony samy hanokana ny fanompoam-pivavahana madio tsy misy pentinan'ny loto ho an'i Allah irery ihany, Tompon'izao tontolo izao.

Inona no zon'ny olombelona eo amin'ny Tompony ?

Manan-jo feno amin'Allah ny Olombelona, raha mivavaka sy manompo Azy, fa Izy Allah no hanome azy fiainana tsara izay ahitany filaminana, fiarovana, fiadanana, fitoniana, fahafaham-po, ary amin'ny fiainana any an-koatra, hampiditra azy amin'ny Paradisa ihany koa, ary ao amin'ny Paradisa izany no misy fiadanana sy fahasambarana maharitra izay tsy misy fahataperany ary tena hitoetra ao mandrakizay izy ireo, fa raha tsy mankatò Azy kosa izy ireo ka mitsipaka ny didiny, dia hataony ho anisany hahazo ny fijalina sy ory lalandava amin'ny fiainan'izy ireo, na dia heveriny fa ao anatin'ny fahasambarana sy fiononana aza izy ireo, ary any an-koatra dia hampidiriny ao amin'ny afobe ka tsy hivoaka ao mihitsy, ary ao no hanandramany ny fampijaliana izay tsy misy fahataperany fa hitoetra ao mandrakizay doria.

Inona no tanjon'ny fisiantsika? Nahoana Isika no noforonina ?

Marina tokoa fa Nolazain'ny tompo hajaina tamintsika fa manana tanjona ambony Izy tamin'ny Nohariany Antsika Zanak'olombelona, dia ny hanompoantsika Azy ary hiondrika sy hiankohoka eo Aminy irery ihany, ary ny tsy hanakambana Azy amin'ny zavatra hafa, ary Izy no nandidy antsika mba hanorina zavatra maro eto an-tany amin'ny alàlan'ny hatsarana sy ny fanavaozana, fa izay manompo ankoatra ny tompony dia mazava ho azy fa tsy hahafantatra ny tanjona namoronana azy, na koa lasa tsy mpanatanteraka ny adidiny amin'ilay Mpamorona azy, ary izay manakorontana eto an-tany dia tsy mahalala ny asa nanendrena Azy.

Ahoana ny hivavahantsika amin'ny Tompontsika ?

Tsy Nanamboatra Antsika Ny Tompo, no sady tsy Namela antsika ho irery ary tsy nanao ny fiainantsika ihany koa Izy ho zava-poana toy izao, fa nifidy Iraka avy amin'ny olombelona ho any amin'ny vahoakany Izy, ireo no olona tonga lafatra indrindra amin'ny fitondran-tena sy fanahy, sy ny fo madio indrindra, ka nampidininy ny hafatrany rehetra tamin'izy ireo, tafiditra ao anatin'izany ny zavatra rehetra tokony ho fantatry ny olona momba ny Tompo Tsitoha, sy ny amin'ny fananganana ny olona amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, izany dia andro fitsarana sy valisoa.Nampitan'ireo Iraka sy Mpaminany tamin'ireo vahoakany avokoa ny fomba fanompoana ny tompon'izy ireo, ary nohazavain'izy ireo tamin'ny vahoaka ny fomba fivavahana rehetra ary ny valisoa azo amin'izany eto an-tany sy ny any an-koatra, ary nampitandrina azy ireo ihany koa ireo ny amin'izay rehetra nandraran'ny tompo Allah azy ireo, toy ny sakafo, zava-pisotro, ary ny fanambadiana, ary nitarika azy ireo ho amin'ny fitondran-tena tsara sy mendrika, ary nandrara amin'ny fitondran-tena ratsy sy mamoafady.

Inona no finoana ankasitrahan'ny Tompo ilay Avo Tsitoha ?

Ny Finoana izay eken'i Allah dia ny Finoana Islam, ary io no finoana nampitain'ireo Mpaminany rehetra, ary i Allah dia tsy hanaiky finoana ankoatra azy amin'ny andro farany, ary ny finoana hafa rehetra izay noraisin'ny olona ankoatran'ny Islam dia finoana diso tsy manan-kery no sady tsy hahasoa ny tompony, fa lasa ho zava-doza sy hampahory azy eto an-tany sy ny any ankoatra.

Inona no fototr'ity finoana ity (Islam) sy ny Andriny ?

Ity finoana ity dia nataon'i Allah ho mora sy tsotra ho an'ireo mpanompony, ary ny Andry lehibe indrindra ao aminy dia ny finoanao an'i Allah ho Tompo, ary mino ny fisian'ireo Anjeliny, ny Bokiny, ny Irany, ny andro farany ary ny anjara sy lahatra, ka dia mijoro ho vavolombelona ianao fa tsy manana tompo ankoatr'i Allah ary i Mohammadi (s.w.a) dia Irak'Allah, ary manangana Vavaka Soalat sy mamoaka ny Zakat raha manana harena tokony ho atao Zakat izany ianao, ary manaova ny fehy vava amin'ny volana Ramadany, izay volana iray ao anatin'ny taona, ary ny fanatanterahana ny Hajj raha afaka manao izany ianao.Tokony halavirinao avokoa izay rehetra efa noraran'i Allah aminao, toy ny fanompoan-tsampy sy ny famonoana olona, ny fijangajangana ary ny fihinanana an'ireo vola voarara, ka raha mino an'i Allah ianao ary manao ireny fanompoam-pivavahana rehetra izay voalaza ireny ary miala amin'ireo zavatra rehetra izay efa voarara ireny, dia ianao voalaza fa mpino silamo eto an-tany ary amin'ny andro farany dia homen'Allah fiadanana sy fahasambarana mandrakizay ary hitoetra mandrakizay doria ao amin'ny Paradisa ianao.

Ny Isilam ve finoana ho an'ny vahoaka sa foko?

Ny Isilam dia finoan'i Allah miantefa amin'ny olona rehetra, ary tena tsy misy na dia iray aza milaza fa ambony noho ny hafa afa-tsy ny amin'ny alàlan'ny fatahorana Allah sy ny fanaovana ny asa soa, ary tena mitovy avokoa ny olona rehetra ny amin'izany.

Ahoana ny fomba hahafantaran'olona ny fahamarinan'ireo Iraka (S.A.W)?

Fantatry ny Olombelona ny fahamarinan'ireo Iraka amin'ny fomba maro samihafa, ireto avy :

Izay rehetra entin'izy ireo amin'ny fahamarinana sy ny fitarihana amin'ny làlana mahitsy dia eken'ny saina sy ny toe-tsaina tsara madio, ary ny saina dia mijoro ho vavolombelona ihany ny amin'ny hatsarana rehetra manoloana izany, ary tsy misy Olona hafa ankoatr'ireo Iraka ihany no hitondra zavatra tahaka izay nentin'izy ireny.

Ny zavatra rehetra nentin'ireo Iraka dia nahitana fanatsarana avokoa manoloana ny fivavahan'ireo Olona sy ny tontolo izay hiainan'izy ireo eto an-tany, ary ny fahamarinan'ny raharaha mahakasika ny fiainan'izy ireo sy ny fanorenana ny fivoarana sy ny sivilizasionan'izy ireo, ary fiarovana ny fivavahan'izy ireo sy ny sainan'izy ireo, ny harenan'izy ireo fa indrindra ny voninahin'izy ireo ihany koa.

Tena marina fa ireo Iraka dia tsy mila tambiny amin'ny olona manoloana ny fitarihana azy ireo ho amin'ny tsara sy ny làlan'ny fahitsina, fa ireo Iraka kosa dia miandry mandrakariva ny valisoa avy amin'ny Tompon'izy ireo ihany.

Marina sy azo antoka ny zava-drehetra nentin'ireo Iraka, tsy mifangaro ahiahy na fisalasalana, ary tsy mifanohitra no sady tsy misy fifanoherana na fisafotofotoana eo amin'ny samy izy ireo, ary ireo Iraka tsirairay dia manamarina ireo Mpaminany rehetra nandalo teo aloha ary miantso ny olona mitovy tahakan'ny fiantsoana izay nisy nataon'ireo teo aloha.

Tena marina tokoa fa Allah dia manohana mandrakariva ireo Iraka (A.s) amin'ny alàlan'ny famantarana mazava sy fahagagana maro samihafa izay maharesy lahatra izay nataon'Allah eo antanan'izy ireo ho porofon'ny fahamarinana fa nirahin'Allah izy ireo, ary ny fahagagana lehibe indrindra amin'ireo Mpaminany dia ny fahagagan'ilay Irak'Allah farany dia i Mohammadi (S.W.A), dia ny Boky masina Koroany.

Inona ny atao hoe Koroany Masina ?

Ny koroany masina dia bokin'ny Tompon'izao tontolo izao, ary izy io dia tenin'i Allah izay nambaran'ny Anjely Gabriela (A.S), ho an'ny Mpaminany Mohammadi (S.W.A), ary ao anatiny no nahitana teny mirakitra ny zavatra rehetra izay nandidian'i Allah ireo zavatra tokony ho fantatry ny olombelona rehetra ny mahakasika manokana an'i Allah sy ireo Anjeliny sy ny Bokiny ary ireo Irany ary ny andro farany sy ny mahakasika ny Anjara sy ny Lahatra tsara na ratsy.Ary ao ihany koa no niraketina ireo fanompoana voadidy rehetra, ary zavatra voarara izay tsy maintsy tandremana, ny fitondran-tena tsara sy tsy mendrika, ary ny zavatra rehetra mifandraika amin'ny raharahan'ny fivavahan'ny Olona sy ny tontolony ary ny fiainany any an-koatra, Izy io dia boky mahagaga izay nataon'Allah ho fanamby amin'ny olona raha mahavita mitondra tahaka azy, ary voatahiry mandra-pahatongan'ny andro farany, amin'ny fiteny izay nanehoana azy, tsy misy na dia teny iray aza very na miova ao anatiny.

Inona ary ny Porofo momba ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fitsarana?

Tsy hitanao va fa maty ny tany ka tsy misy aina ao aminy, fa rehefa nilatsaka ny ranon'orana dia lasa nampihozongozona sy mampitsimoka ny zava-maniry rehetra tao aminy, ka izay namelona azy izany ihany, no afaka mamelona ny maty ihany koa.Izay Nanamboatra ny olombelona tamin'ny ranon'aina indray mitete dia afaka manangana azy ireo amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty sy afaka mitsara azy ireo ary manome sy mamaly soa azy ireo amin'ny valisoa feno tsy misy fahabangana, raha tsara dia tsara, ary raha ratsy dia ratsy.Ilay Nanamboatra ny lanitra sy ny tany ary ny kintana dia mbola Izy ihany koa no afaka mamorona sy mamerina indray mandeha ny Olombelona. Satria mora kokoa ny mamerina indray ny olombelona noho ny famoronana ny lanitra sy ny tany.

Inona no zavatra mety hiseho eo amin'ny andro farany?

Tompo Allah dia manangana ny zavaboary rehetra avy ao amin'ny fasana izay nisy azy ireo, ary Izy no hibaiko ny hampamoahin'izy ireo ny amin'ny asa rehetra nataon'izy ireo, ka izay mino sy manamarina ireo Iraka (A.S) dia ho anisany mahazo anjara ka ho ampidirina ao amin'ny Paradisa, amin'ny toerana izay mirakitra fiadanana sy fahasambarana mandrakizay, izay tsy azon'ny Olombelona sy tsy takatran'ny sasany ny halehibiazan'izany, fa ho ampidirina ao amin'ny afobe kosa ireo olona izay naneho ny fikomiana an'Allah, afo-be dia toerana izay natokana ho fampijaliana mandrakizay ireo izay sahaza an'izany, toerana izay tsy azon'ny olona eritreretina, ary raha tafiditra ao amin'ny Paradisa na ny Helo ny olona iray, dia tsy ho faty mandrakizay, hitoetra mandrakizay ny ao amin'ny fahasambarana na ny ao amin'ny fijaliana.

Raha te hiditra amin'ny finoana Islam ny olona iray dia inona ary no hataony, misy fombafomba tsy maintsy ataony ve? na misy Olona ve tsy maintsy manome alàlana azy ny amin'izany ?

Raha fantatran'ny olona fa ny Islam no fivavahana marina, ary izy dia fivavahan'ny tompon'izao tontolo izao, dia tokony hanafaingana ny fidirany amin'ny Islam izy; Satria raha mazava tamin'ny olona manan-tsaina ny fahamarinana, mihazakazaka any izy, ary tsy azo ampiandrasana.Ka izay te hiditra amin'ny finoana Islam dia tsy voatery hanao fombafomba isankarazany, ary tsy tokony ho eo anatrehan'ny olona ny hanaovany an'izany, fa raha eo anatrehan'ny mpino silamo na ao amin'ny foibe Islamika iray dia tsy maninona ary mendrika sy tsara izany. Fa raha tsy izany, dia ampy ho azy ny miteny hoe : (Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah, ary mijoro ho vavolombelona ihany koa fa i Mohammedi (S.A.W) no Irakan'i Tompo Allah), mahafantatra tsara ny heviny sy mino izany, ka amin'izay fotoana izay dia lasa silamo izy; avy eo dia mianatra tsikelikely ny sisa amin'ny lalàn'ny Finoana Islam izy, rehefa avy eo dia manantanteraka izay nandidian'i Allah azy.

Ny Finoana Islamo dia finoan'ny Tompon'izao tontolo izao

Iza no Tomponao?

Inona avy ireo Toetran'ny Tompon'izao tontolo izao ?

Inona ary no Zon'ny Tompontsika Amintsika?

Inona no zon'ny olombelona eo amin'ny Tompony ?

Inona no tanjon'ny fisiantsika? Nahoana Isika no noforonina ?

Ahoana ny hivavahantsika amin'ny Tompontsika ?

Inona no finoana ankasitrahan'ny Tompo ilay Avo Tsitoha ?

Inona no fototr'ity finoana ity (Islam) sy ny Andriny ?

Ny Isilam ve finoana ho an'ny vahoaka sa foko?

Ahoana ny fomba hahafantaran'olona ny fahamarinan'ireo Iraka (S.A.W)?

Inona ny atao hoe Koroany Masina ?

Inona ary ny Porofo momba ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fitsarana?

Inona no zavatra mety hiseho eo amin'ny andro farany?

Raha te hiditra amin'ny finoana Islam ny olona iray dia inona ary no hataony, misy fombafomba tsy maintsy ataony ve? na misy Olona ve tsy maintsy manome alàlana azy ny amin'izany ?