×
Ny ( Finoana ) ISLAM Finoana voajanahary dia ny Saina ary ny Fahasambarana

Ny ( Finoana ) ISLAM

Finoana voajanahary dia ny Saina ary ny Fahasambarana

Amin'ny Anaran'i Tompo Allah, Ilay Be fiantrana, Ilay Be indrafo.

Efa mba nanontany tena ve Ianao ny amin'ny hoe :

Iza tokoa no Nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavaboary lehibe rehetra ao Aminy ? Ary Iza ihany koa no Nanamboatra ity rafitra raitra no sady tanteraka ary matianina ity ?

Amin'ny fomba ahoana tokoa ny fomba natao nahafahana nampirindra tanteraka sy nanorina ny lamina rehetra amin'izao tontolo lehibe izao araka ny lalàna raitra izay mifehy Azy mandritra ny taona maro ?

Moa ve nanamboatra sy namorona ny tenany ve izao tontolo izao ? Sa nisy sy tongatonga hoazy izao ? Sa kisendrasendra ny fisiany ?

Iza no Nahary sy Nanamboatra Anao ?

Iza no nametraka io rafitra raitra sy maty paika io ao amin'ny taovan'ny vatanao sy ny vatan'ny zavamananaina rehetra ?

Tsy misy Olona hanaiky velively ho lazaina Aminy fa tongatonga ho azy io trano io nefa tsy nisy nanorina Azy ! Na holazaina Aminy hoe ny tsy fisina no namorona ity trano ity ! Dia ahoana no hinoan'ny Olona sasany fa tsy nisy Mpamorona io tontolo lehibe io ? Ahoana no ahafahan'ny Olona misaina iray hanaiky ny filazana fa tongatonga ho azy io filaminan-javatra rehetra izay hita fa raitra tsara ho an'izao tontolo izao io ?

Amafisina etoana fa misy Tompo lehibe tokoa no Mpamorona sy Mpandrindra izao rehetra amin'ny tontolo izao sy izay rehetra ao Aminy, ary Izy no Tompo Allah ilay avo Tsitoha.

Ary ny Tompo ilay be Voninahitra, dia nandefa Iraka ho Antsika ary nampidina niaraka tamin'zy ireo avokoa ny Bokin'i Tompo Allah (fanambarana), ny farany amin'izany dia ny Boky Koroany Masina, izay nampidinin'i Tompo Allah tamin'i Mpaminany Mouhammadi (S.W.A) Mpamianany farany tamin'ireo Irakan'i Tompo Allah, ary tamin'ny alàlan'ireo Bokiny sy Irany ireo no :

⦁Nampahafantatra Antsika ny Tenany sy ny toetoetrany ary ny zony Amintsika Izy, ary nanazava ny zontsika Aminy ihany koa.

⦁Nanambara Antsika Izy fa Izy no Tompo Nahary ny zavaboary, ary velona mandrakizay tsy mba maty Izy, ary eo am-pelatanany avokoa sy eo ambany fifehezany avokoa ny zavaboary.

Ary nolazainy Tamintsika fa iray amin'ireo toetoetrany ny fahalalana, ka fantany daholo ny zava-drehetra, ary Izy no mandre sy mahita ny zava-drehetra, ary tsy misy zavatra miafina Aminy ny ety an-tany na any an-danitra.

Ary ny Tompo dia Velona Mandrakizay, Mpamelona, Izy irery ihany no nihavian'ny fiainan'ny vohary rehetra, ary Izy no Ilay Velona Mandrakizay, ilay Mamelona, Izay iorenan'ny fiainan'ny vohary rehetra, Voninahitra ho Azy. Niteny Izy manao hoe :﴿اللَّهُ لا إِلَهَ إِلَّا هُوَ الْحَيُّ الْقَيُّومُ لا تَأْخُذُهُ سِنَةٌ وَلا نَوْمٌ لَهُ مَا فِي السَّمَوَاتِ وَمَا فِي الأَرْضِ مَنْ ذَا الَّذِي يَشْفَعُ عِنْدَهُ إِلَّا بِإِذْنِهِ يَعْلَمُ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ وَلا يُحِيطُونَ بِشَيْءٍ مِنْ عِلْمِهِ إِلَّا بِمَا شَاءَ وَسِعَ كُرْسِيُّهُ السَّمَوَاتِ وَالأَرْضَ وَلا يَئُودُهُ حِفْظُهُمَا وَهُوَ الْعَلِيُّ الْعَظِيمُ﴾ (Allah, Tsy misy Tompo afa tsy Izy irery ihany, Izy no ilay velona sy mahavita tena. Tsy mba rendremana na matory, Azy izay rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, Tsy misy mpanelanelana Aminy afa tsy izay sitrany, mahafantatra ny eo am-pelatanany sy ny ambadiky ny vohary Izy, Tsy misy mahafehy amphany amin'ny fahalalany afa tsy izay sitrany, Manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny seza fiandrianany ary tsy zavatra mavesatra Aminy akory izany, Izy no avo sy be Voninahitra.)[Al-Baqarah : 255].

⦁Ary Nilaza Tamintsika Izy fa Izy no Tompo, izay manana ny toetoetran'ny fahafenoana, ary nanome Antsika saina sy fahatsapana mahatakatra ireo zavaboariny sy ny heriny mahagaga, izay mampiseho Amintsika ny fahalehibiazany sy ny heriny ary ny fahafenoan'ny toetoetrany, ary novoleny tao Anatintsika ny toetra voajanahary izay manondro ny fahalavorariany ary tsy azo lazaina Azy velively ny tsy fahafenoana.

⦁Ary nampianatra Antsika fa ny Tompo dia any ambonin'ireo lanitrany ary tsy tafiditra amin'izao tontolo izao, ary izao tontolo izao tsy mitoetra ao Aminy.

⦁Ary Nilaza Tamintsika Izy fa tsy maintsy manolo-tena Aminy Isika, Voninahitra ho Azy, fa Izy no Mpamorona Antsika sy Mpamorona izao tontolo izao ary Mpandrindra azy.

Ny Mpahary dia manana ny toetoetran'ny fahalehibiazana manokana ho Azy ary tsy azo faritina amin'ny filana na ny tsy fahampiana mandrakizay Izy, ka ny Tompo dia tsy mba manadino, tsy matory, tsy mihinana sakafo, ary tsy manambady na manan-janaka. Ny lahatsoratra rehetra izay mirakitra ny fifanoherana ny eo amin'ny fahalehibiazan'ny Mpahary dia tsy anisan'ny fanambarana marina nentin'ireo Irakan'i Tompo Allah.

Niteny i Tompo Allah ao amin'ny Boky masina Koroany ka nanao hoe :﴿قُلۡ هُوَ ٱللَّهُ أَحَدٌ * ( Lazao hoe : Izy Tompo Allah no tokana.ٱللَّهُ ٱلصَّمَدُ * i Tompo Allah no ilay ianteheran'ny rehetra.لَمۡ یَلِدۡ وَلَمۡ یُولَدۡ * Sady tsy niteraka Izy, no tsy nateraka ihany koa.وَلَمۡ یَكُن لَّهُۥ كُفُوًا أَحَدُۢ﴾ Ary tsy misy na iray aza mitovy Aminy)[Al-Ikhlas : 1-4].

Raha mino an'ilay Tompo Mpahary Ianao...ka efa mba nisy fotoana ve Ianao nanontany momba ny antony nahariana Anao ? Inona no tadiavin'i Tompo Allah Amintsika, ary inona no tena tanjona amin'ny fisiantsika rehetra izao ?

Mba ho mety ve raha noharin'i Tompo Allah Isika aorian'izany dia navelany tsy ho raharahina ? Moa ve i Tompo Allah Nanamboatra ireny zavaboary rehetra ireny amin'ny tsy misy dikany na tsy misy tanjona ?

Ny tena marina dia i Tompo, ilay Mpamorona Lehibe indrindra, " Tompo Allah ", dia Nilaza Tamintsika ny tanjona namoronany Tompo Allah Antsika, dia ny hanompoana an'i Tompo Allah irery ihany, sy izay rehetra ilainy amintsika ! Nolazainy Tamintsika fa Izy irery ihany no mendrika hivavahana, ary nohazavainy Tamintsika tamin'ny alalan'ireo Iraka avy Aminy ny fomba hivavahana Aminy ? ny fomba ahafahantsika manatona Azy bebe kokoa amin'ny fanarahana ny didiny sy ny fialàna amin'ny nandrarany ? ny fomba ahazoantsika ny fahafaham-pony ? sy ny fomba hitandremantsika amin'ny saziny, ary nilaza Amintsika ny hiafarantsika aorian'ny fahafatesana ?

Nolazainy tamintsika fa fitsapana fotsiny ity fiainana an-tany ity, ary ny fiainana marina sy feno ary hampy dia ny any amin'ny fiainana any ankoatra aorian'ny fahafatesana.

Nilaza Tamintsika Izy fa izay nanompo An'i Tompo Allah araka ny fomba nandidiany Azy, ary nitsahatra ihany koa tamin'ireo rehetra izay nandrarany, dia ireny no Olona hahazo ny fiainana tsara eto an-tany sy fahasoavana mandrakizay any an-koatra, fa izay tsy mankatòa Azy sy tsy mino Azy dia hanana fahoriana eto an-tany sy fijaliana mandrakizay amin'ny fiainana any ankoatra.

Satria fantatsika fa tsy ho vitantsika ny hamakivaky izao fiainana izao raha tsy mahazo anjara valisoa ny Olona rehetra eo anivontsika noho izay nataony, na tsara na ratsy. Ka tsy hisy sazy ho an'ny Mpampahory, ary tsy hisy valisoa ihany koa ho an'izay Mpanao ny tsara ?

Ary efa nilaza Tamintsika i Tompontsika fa ny fahazahoana ny fankatoavana sy ny fankasitrahany ary ny fandosirana ny saziny dia tsy ho tanteraka amin'ny Olona iray raha tsy amin'ny alalan'ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam, izany dia ny fiambaniana tanteraka sy ny fanompoam-pivavahana Aminy irery tsy misy mpiombona, ny fanekena Azy amin'ny fankatoavana ary ny fanarahana ny lalàny amin'ny fifalina sy fanekena, ary efa nilaza tamintsika Izy fa tsy mandray Finoana hafa amin'ny Olombelona ankoatry ny Islam, Niteny i Tompo Allah hoe :(وَمَن يَبۡتَغِ غَيۡرَ ٱلۡإِسۡلَٰمِ دِينا فَلَن يُقۡبَلَ مِنۡهُ وَهُوَ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ) (Ary izay nandray sy nanaraka Finoana hafa ankoatry ny Finoana Islam, dia tsy voaray izay rehetra nataony, ary Izy dia lazaiana fa anisan'ireo Olona maty antoka amin'ny fiainana any an-koatra)[ Sourat al Imran : 85 ]

Izay mijery ireo fomba ivavahan'ny ankamaroan'ny Olona ankehitriny; dia mahita fa ny etsy mivavaka amin'Olona, ny eroa manompo sampy, ny hafa manompo planeta, sy ny sisa, ny Olona misaina dia tsy tokony hanompo an'iza na iza afa-tsy ny Tompon'izao tontolo izao ihany, Ilay tonga lafatra amin'ny toetoetrany, ka ahoana no hivavahana amin'ny zavaboary toa azy na ambany noho Izy ! Ka tsy mety ho Olombelona, na sampy, na hazo, na biby no ho tompoina !

Ny fivavahana rehetra izay hita fa ivavahan'ny Olona ankehitriny - afa-tsy ny Finoana Islam - dia tsy eken'i Tompo Allah, Satria fivavahana noforonin'ny Olombelona izy ireo, na fivavahana avy amin'i Tompo Allah izay novain'ny Olombelona, fa ny Finoana Islam kosa dia Finoan'ny tompon'izao tontolo izao, tsy miova na mivadika, ary ny Bokin'ity Finoana ity dia ny Koroany Masina, Izy dia voaro tahaka ny nampidinan'i Tompo Allah Azy ary mbola eo am-pelatanan'ny vahoaka Mpino Isilamo hatramin'izao amin'ny fiteny izay nampidinana Azy tamin'ilay Iraka farany.

Iray amin'ireo fototry ny Finoana Islam ny Finoana ireo Iraka rehetra nalefan'i Tompo Allah, ka dia Olombelona avokoa izy ireo fa nitohanan'i Tompo Allah tamin'ny alalan'ny faminaniana sy famantarana ary fahagagana, ary no sady nalefan'i Tompo Allah izy ireo mba hiantso ny Olombelona handia hanompo Azy irery ihany, tsy misy mpiombona Aminy.Ny Iraka farany dia ilay Iraka atao hoe : Mouhammadi (S.W.A), izay nirahin'i Tompo Allah niaraka tamin'ireo rafitra sy fitsipika ary lalàn'i Tompo Allah farany, izay tonga manafoana tanteraka an'ireny lalàn'ireo Iraka sy Mpaminany rehetra teo alohany, ary notohanany tamin'ny alalan'ny fanambarana lehibe izany, ka ny tena lehibe indrindra tamin'izany dia ny fisiany Koroany Masina, Tenin'ny Tompon'izao tontolo izao, ilay Boky lehibe indrindra fantatrin'ny Olombelona, tsy voa tohotra amin'ny votoatiny, ny voambolany, ny firafitrany, ny lalànany, ao Aminy avokoa no misy ny fitarihana ho amin'ny fahamarinana izay mitondra any amin'ny fahasambarana eto an-tany sy any ankoatra, ary dia nampidinina tamin'ny teny arabo izany.

Betsaka ny Porofo ara-tsaina sy ara-tsiansa izay manaporofo tsy isalasalana fa tena Tenin'ilay Mpahary tokoa io Boky masina Koroany io, Voninahitra ho Azy, ary tsy ho azo eritreretina ho anisan'ny asa-tanan'ny Zanak'olombelona mihitsy izy io.

Anisan'ny fototry ny Finoana Islam ny Finoana ireo Anjely sy ny Finoana ny Andro farany, Satria tsy maintsy hatsangan'i Tompo Allah ny Olona amin'ny Andro farany avy ao am-pasana mba hitsarana azy ireo ny asa vitany, ka izay nanao Asa soa ary Mpino anefa izy dia hanana fahasambarana mandrakizay any amin'ny Paradisa, ary izay nikomy sy nanao ny Asa ratsy dia hahazo sazy lehibe any amin'ny helo, ary anisan'ny fototry ny Finoana Islam dia ny Finoana ny lahatran'i Tompo Allah, Tsara na Ratsy.

Ny Finoana Isilamo dia fomba fijery feno amin'ny fiainana, mifanaraka amin'ny izay rehetra voajanahary sy ny saina ary eken'ny fanahy ara-dalàna, izany dia napetraky ny Mpahary Lehibe ho an'ny zavaboariny, ary Izy dia Finoana tsara sy fahasambarana ho an'ny Olona rehetra eto an-tany sy any ankoatra, tsy manavaka karazana, na loko amin'ny hafa, ary ny Olona ao Aminy dia mitovy avokoa ary tsy misy mampiavaka ny Olona amin'ny hafa ato amin'ny Finoana Islam afa-tsy ny halehiben'ny Asa soa vitany.

Niteny i Tompo Allah manao hoe :(مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحا مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِن فَلَنُحۡيِيَنَّهُۥ حَيَوٰة طَيِّبَة وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ) ( Izay manao Asa soa, na lahy na vavy no sady Mpino, dia hovelominay amin'ny fiainana tsara Izy ary hovalinay soa mifanaraka amin'ny tsara indrindra tamin'ny asany izy ireo )[ Sourat : An-nahl 97 ]

Anisan'ny zavatra izay nohamafisin'i Tompo Allah ao amin'ny Boky masina Koroany dia ny Finoana an'i Tompo Allah ho Tompo ary tompoina, ary ny Finoana Islam no Finoana, ary i Mpaminany Mouhammadi (S.W.A) Iraka, ary ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam dia tsy maintsy atao izay tsy hananan'ny Olombelona safidy. Amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty dia hisy fitsarana sy valisoa; ka izay Mpino marina dia hahazo fandresena sy fahombiazana lehibe, ary izay mpikomy dia hahazo fatiantoka tanteraka.

Niteny i Tompo Allah manao hoe :(... وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ يُدۡخِلۡهُ جَنَّٰت تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ وَذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ، (... Izay mankatoa an'i Tompo Allah sy ilay Irany, dia hampidiriny ao amin'ny Paradisa misy renirano mikorina eo ambaniny ka hitoetra ao mandrakizay ary izany no fandresena lehibe,وَمَن يَعۡصِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَتَعَدَّ حُدُودَهُۥ يُدۡخِلۡهُ نَارًا خَٰلِدا فِيهَا وَلَهُۥ عَذَاب مُّهِين) izay nikomy amin'i Tompo Allah sy ny amin'ny Irany kosa ary nanao tsinotsinona ny fetra napetrany dia hampidiriny any amin'ny Afobe ary hitoetra ao mandrakizay ary hahazo famaizana mahafabaraka Izy )[ Sourat : An-Nisa: 14-13 ].

Ka izay te hiditra amin'ny Finoana Islam dia tsy maintsy miteny an'ilay Teny hoe : ( Tena marina fa Mijoro ho vavolombelona Aho fa tsy misy tompo afa-tsy i Tompo Allah ary Mijoro ho vavolombelona ihany koa ny Tenako fa i Mpaminany Mouhammedi (S.W.A) dia Irakan'i Tompo Allah ), fantany ny dikany ary inoany, ka amin'ny alalan'izany no mahalasa Mpino Isilamo Azy. Aorian'izany Izy dia mianatra tsikelikely ny sisa amin'ny lalàn'ny Finoana Isilamo, mba hanaovany izay nandidian'i Tompo Allah Azy.

Ny ( Finoana ) ISLAM

Finoana voajanahary dia ny Saina ary ny Fahasambarana

Iza no Nahary sy Nanamboatra Anao ?

Mba ho mety ve raha noharin'i Tompo Allah Isika aorian'izany dia navelany tsy ho raharahina ? Moa ve i Tompo Allah Nanamboatra ireny zavaboary rehetra ireny amin'ny tsy misy dikany na tsy misy tanjona ?

Satria fantatsika fa tsy ho vitantsika ny hamakivaky izao fiainana izao raha tsy mahazo anjara valisoa ny Olona rehetra eo anivontsika noho izay nataony, na tsara na ratsy. Ka tsy hisy sazy ho an'ny Mpampahory, ary tsy hisy valisoa ihany koa ho an'izay Mpanao ny tsara ?